Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Manan-tsiny

Tsy Manan-tsiny

Anisan’ny teny hebreo nadika hoe “tsy manan-tsiny” ny hoe tam. Ampiasaina izy io mba hilazana ny fitondran-tena fakan-tahaka nananan’i Joba sy ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy Solemita. (Jb 1:1, 8; To 5:2; 6:9) Voalaza koa fa tsy nanan-tsiny i Jakoba noho izy nipetrapetraka nilamina tao an-tranolainy, fa tsy mpankeny an-tsaha sy mpihaza tia nisangy loza toy ny rahalahiny. (Ge 25:27) Teny hebreo hafa nadika indraindray hoe tsy manan-tsiny koa ny hoe tamim. Midika hoe “tsy misy tsiny; tsy misy kilema; lavorary” izy io. (Oh 2:21; 11:5, 20) Samy avy amin’ny matoanteny fototeny hoe tamam ny hoe tam sy tamim. Midika hoe “tsy manan-tsiny; vita; tanteraka; ripaka tanteraka” ny hoe tamam. (Sl 19:13; 1Mp 6:22; Is 18:5; Je 24:10; ampit. 1Sa 16:11 izay misy hoe “Ireo daholo ve ny lahy rehetra?”, a.b.t.: Vita ve ny lahy?) Amemptôs no teny grika nandikana ny teny hebreo hoe tam indraindray, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. (Jb 1:1, 8; 2:3; 9:20) Misy endriny hafa amin’ny hoe amemptôs koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary azo adika hoe “tsy misy tsininy; tsy manan-tsiny” izy io.​—Lk 1:6; Fi 3:6; He 8:7; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA.

Tsy hoe tsy misy tsininy tanteraka ny olombelona, rehefa lazaina hoe “tsy manan-tsiny.” Ohatra amin’izany i Joba sy Zakaria rain’i Jaona Mpanao Batisa. Diso hevitra mantsy i Joba tamin’izy nijaly, satria tsy azony hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona tsy manan-tsiny. (Jb 9:20-22) I Zakaria kosa tsy nino ny tenin’i Jehovah nambaran’ny anjely Gabriela. (Lk 1:18-20) Voalaza anefa hoe tsy manan-tsiny na tsy misy tsiny izy ireo, satria izay nantenain’Andriamanitra hataon’ny olona tsy lavorary no nataon’izy ireo ary tsy nivadika izy ireo.​—Jb 1:1; Lk 1:6.

Nihevitra an’i Paoly ho tsy nanan-tsiny ny Jiosy toa azy, tamin’i Paoly mbola tsy mpianatr’i Jesosy Kristy. Nankatò ny Lalàna mantsy izy, nanao ny adidiny, ary nifady an’izay voarara. (Fi 3:6) Nanan-tsiny anefa izy teo imason’i Jehovah. Meloka ho nanao fahotana lehibe izy, satria nanenjika an’ireo rahalahin’i Kristy sy nanevateva an’Andriamanitra ary nanambany olona.​—1Ti 1:13, 15.

Hita taratra amin’ny fitondran-tenan’ny olona iray raha mifandray tsara amin’Andriamanitra izy sady madio sy tsy manan-tsiny. Mahafinaritra an’ilay Avo Indrindra ny olona toy izany. (Oh 11:20) Tena mila miezaka àry ny Kristianina mba tsy hanan-tsiny sy tsy hisy hokianina.​—Fi 2:15; 1Te 5:23.