Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mety Maty

Tsy Mety Maty

Endriny hafa amin’ny teny grika hoe tanatôs (“fahafatesana”) nasiana tovona a (“tsy misy”) no nahazoana ny hoe atanasia. Fiainana tsy manam-petra sy tsy azo foanana àry no tiana holazaina amin’io teny io. (1Ko 15:53, 54; 1Ti 6:16) Ny teny grika hoe aftarsia kosa no nadika hoe “tsy mety lo”, izany hoe tsy mety simba na levona.​—Ro 2:7; 1Ko 15:42, 50, 53; Ef 6:24; 2Ti 1:10.

Tsy hita ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe “tsy mety maty.” Resahina ao anefa fa tsy ho faty mihitsy i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’aina. Tsy mety maty àry izy. (Sl 36:7, 9; 90:1, 2; Ha 1:12) Nohamafisin’ny apostoly Paoly izany rehefa nilaza izy fa ‘Mpanjakan’ny mandrakizay, tsy mety lo’ Andriamanitra.​—1Ti 1:17.

Resahin’ny Soratra Hebreo fa tsy noforonina ho tsy mety maty ny olombelona. (Jereo ZAVAMANANAINA.) Averimberina ao fa mety maty, ho any am-pasana, ary aringana ny nefesh. (Ge 17:14; Js 10:32; Jb 33:22; Sl 22:29; 78:50; Ezk 18:4, 20) Milaza koa ny Soratra Grika Kristianina fa mety maty ny psykè. (Mt 26:38; Mr 3:4; As 3:23; Jk 5:20; Ap 8:9; 16:3) Tsy manohitra na manova ny fampianarana ao amin’ny Soratra Hebreo àry ny Soratra Grika Kristianina. Resahiny anefa ny fikasan’Andriamanitra hoe hisy mpanompony ho lasa tsy mety maty.

Nahoana no lazaina fa i Jesosy “irery ihany no tsy mety maty”?

Lazain’ny Baiboly fa i Jesosy Kristy no voalohany lasa tsy mety maty. Rehefa natsangana tamin’ny maty izy vao lasa tsy mety maty, satria hoy i Paoly: “Tsy ho faty intsony i Kristy amin’izao izy efa natsangana tamin’ny maty izao, eny, tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.” (Ro 6:9; ampit. Ap 1:17, 18.) Lazain’ny 1 Timoty 6:15, 16 hoe “Mpanjakan’izay manjaka sy Tompon’ny tompo” izy. Tsy hoatran’ireo mpanjaka sy tompo hafa rehetra mantsy izy satria “izy irery ihany no tsy mety maty.” Mety maty ny mpanjaka sy tompo hafa rehetra, toa an’ireo mpisorona teo amin’ny Israely ihany. Manana “fiainana tsy mety levona” kosa i Jesosy nomem-boninahitra sy notendren’Andriamanitra ho Mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka.​—He 7:15-17, 23-25.

Ny teny grika hoe akatalytôs no nadika eo hoe “tsy mety levona.” (He 7:16) Misy tovona a (“tsy misy”) io teny grika io, ary misy ifandraisany amin’ny hoe ‘mamaha’ na mandrodana, toy ilay tenin’i Jesosy hoe harodana ny vaton’ny tempolin’i Jerosalema, (Mt 24:1, 2) na ilay tenin’i Paoly hoe hovahana ny ‘tranolain’ny’ Kristianina eto an-tany, izany hoe tsy hanana vatan’olombelona intsony izy ireo. (2Ko 5:1) Lasa tsy mety maty àry i Jesosy tamin’izy natsangana tamin’ny maty, satria tsy hoe ho velona mandrakizay fotsiny izy, fa tsy ho simba na ho levona na ho ringana mihitsy koa.

Ho lasa tsy mety maty ireo mpandova ilay Fanjakana. Manantena hahazo fitsanganana toy ny an’i Kristy (Ro 6:5) ireo Kristianina voahosotra sy voantso hiara-manjaka aminy any an-danitra. (1Pe 1:3, 4) Hatsangana ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty koa àry izy ireo raha tsy mivadika mandra-pahafatiny. ‘Hitafy ny tsy mety maty ilay mety maty’ amin’izay, toy izay nitranga tamin’ilay Tompony sy Lohany ihany. (1Ko 15:50-54) Tsy mety maty ireo mpiara-mandova amin’i Kristy ireo, satria tsy hoe ho velona mandrakizay fotsiny izy ireo fa homena ny “herin’ny fiainana tsy mety levona” koa. Nilaza mantsy i Paoly fa sady ho tsy mety maty izy ireo no ho tsy mety lo. (1Ko 15:42-49) ‘Tsy hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa.’​—Ap 20:6; jereo TSY METY LO.

Tena mahavariana ny hoe ho lasa tsy mety maty ireo mpandova ilay Fanjakana ireo. Ny anjelin’Andriamanitra mantsy mety maty na dia fanahy aza. Porofon’izany ny nanamelohana ho faty an’i Satana, ilay zavaboary ara-panahy lasa Fahavalon’Andriamanitra, sy ireo anjely hafa niandany taminy izay “tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.” (Jd 6; Mt 25:41; Ap 20:10, 14) Tena matoky an’ireo Kristianina hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra ireo àry Andriamanitra, matoa manome azy “fiainana tsy mety levona.”​—He 7:16; jereo FIAINANA; LANITRA (Fiantsoana ho any an-danitra).