Tyatira
(Tyatìra).
Tanàna naverina naorina tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo T.K. I Séleucus Nicator, jeneralin’i Aleksandra Lehibe teo aloha, no nanorina azy io indray. Tany afovoan-tany, tokotokony ho 60 km avy teo amin’ny Ranomasina Égée no nisy azy io, teo amoron’ny sampan’ny reniranon’i Gediz (Hermus taloha), tany amin’ny ilany andrefan’i Azia Minora. Nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana kristianina tany Tyatira koa ny apostoly Jaona, araka ny nandidian’i Jesosy Kristy Tompo azy.—Ap 1:11.
Akhisar ankehitriny no anaran’i Tyatira, tokotokony ho 250 km any atsimo atsimoandrefan’i Istanbul, ary 375 km eo ho eo any atsinanan’i Atena. (SARY, Boky Faha-2, p. 946) Tsy tanàn-dehibe izy io no sady tsy nitana toerana lehibe teo amin’ny fitondrana. Nanan-karena anefa izy io satria foiben’ny asa tanana maro isan-karazany, toy ny fanenomana, fandokoana lamba, asa varahina, fanaovana hoditra, ary fanefena tanimanga. Matetika no miresaka momba ny fandokoana lamba tao Tyatira ny asa soratra. Nampiasa fakan-javamaniry atao hoe garansy ireo mpandoko lamba tao Tyatira, mba hahazoana loko mena midorehitra na volomparasy, izay lasa nantsoina hoe mena tiorka.
‘Mpivarotra lamba volomparasy, avy ao amin’ny tanànan’i Tyatira’ i Lydia, ilay lasa Kristianina tamin’ny dian’i Paoly voalohany tany Filipy, any Makedonia. Nanana solontena tany ampitan-dranomasina ireo mpamokatra lamba volomparasy tany Tyatira, ka mety ho i Lydia no solontenan’izy ireo tany Filipy. Nanan-katao i Lydia matoa nanana trano malalaka azo nampiantranoana an’i Paoly sy ireo namany, nandritra ny fotoana nijanonan’izy ireo tany Filipy.—As 16:12-15.
Tsy fantatra hoe oviana no tonga tany Tyatira ny Fivavahana Kristianina, na hoe iza no nitory tany voalohany. Tsy voalaza mihitsy hoe nankany Tyatira i Paoly na ny mpitory hafa na koa hoe niverina tany i Lydia. Azo inoana anefa hoe nandre ny vaovao tsara ny olona tany, nandritra ireo roa taona (t. 53-55) nitorian’i Paoly tany Efesosy, izay 115 km eo ho eo tany atsimoandrefan’i Tyatira. Voalaza mantsy hoe “nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia, na Jiosy na Grika.” (As 19:10) Fantatra kosa hoe nisy fiangonana kristianina natanjaka tsara tany Tyatira 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Ap 1:10, 11.
Hafatr’i Kristy ho an’ny fiangonana tany Tyatira. Ny fiangonana tao Tyatira no fahefatra tamin’ireo fiangonana fito nandefasan’i Kristy hafatra. Noderaina ilay fiangonana noho ny fitiavany sy ny finoany ary ny fiaretany. Nankasitrahana koa ny fanompoana nataony, ary ‘be kokoa noho ny tany aloha ny nataony tatỳ aoriana.’ Na teo aza anefa ireo toetra tsara mahate-hidera ireo, dia nisy zavatra tena ratsy nihanahazo vahana teo anivon’io fiangonana io. Toy izao àry ny fanamelohan’ny Tompo: “Leferinao ilay vehivavy Jezebela, izay mihambo ho mpaminanivavy sady mampianatra sy mamitaka ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana zavatra atao sorona ho an’ny sampy.” Nantsoina Ap 2:18-29.
hoe Jezebela io “vehivavy” io, angamba noho izy ratsy fitondran-tena toy ny vadin’i Ahaba, sady tsy nety nibebaka. Toa vitsy ihany anefa no nanaiky ho voatarik’io Jezebela io teo anivon’ny fiangonana tao Tyatira, satria hoy koa ilay fitantarana: “Ho an’izay sisa aminareo any Tyatira, eny, izay rehetra tsy manaraka izany fampianarana izany ka tsy mahafantatra an’ilay antsoin’ny olona hoe ‘zava-dalin’i Satana’”—