Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tykiko

Tykiko

(Tykìko) [avy amin’ny fototeny midika hoe “harena; fahombiazana”].

‘Rahalahy malala’ anisan’ny nanampy an’i Paoly. ‘Mpanompo mendri-pitokisana [izy] sady mpiara-manompo taminy tao amin’ny Tompo’ avy any amin’ny Faritr’i Azia. (Kl 4:7) Anisan’ireo niara-dia tamin’i Paoly niverina avy tany Gresy sy namakivaky an’i Makedonia ary nankany Azia Minora izy. Tsy voalaza anefa raha nankany Jerosalema izy. (As 20:2-4) Mety ho izy koa, hono, tamin’izy tany Gresy, “ilay rahalahy” nanampy an’i Titosy hamory ny fanomezana ho an’ny Kristianina tany Jodia. (2Ko 8:18, 19; 12:18) Nigadra tao Roma i Paoly no nampitondra an’i Tykiko taratasy ho an’ny Efesianina sy ny Kolosianina. Nolazainy fa hampahafantatra kokoa ny momba azy sy hampionona azy ireo i Tykiko (niaraka taminy i Onesimosy, hoy ny taratasy ho an’ny Kolosianina). (Ef 6:21, 22; Kl 4:7-9) Nikasa handefa an’i Artema na i Tykiko ho any Kreta i Paoly, rehefa nafahana avy tao am-ponja. (Tit 3:12) Rehefa nigadra fanindroany tao Roma izy, dia nirahiny nankany Efesosy i Tykiko.​—2Ti 4:12.