Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vadikely

Vadikely

Vehivavy nalaina ho vady ankoatra ny tena vady no nantsoin’ny Hebreo hoe vadikely. Nolazaina hoe vady izy io indraindray. Toa mpanompovavy no natao vadikely, ka nisy karazany telo izy ireny: Zazavavy hebreo namidin-drainy (Ek 21:7-9), na mpanompovavy hafa firenena novidina, na koa zazavavy hafa firenena anisan’ny babo an’ady (De 21:10-14). Ny sasany tamin’ireny dia mpanompovavin’ny vehivavy afaka toa an’i Saraha sy Lea ary Rahely.​—Ge 16:3, 4; 30:3-13; Mpts 8:31; 9:18.

Efa nisy nanana vadikely talohan’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. Nasiana fitsipika nifehy izany sy niaro ny zon’ny vehivavy manambady sy ny zon’ny vadikely àry tao amin’ny Lalàna. (Ek 21:7-11; De 21:14-17) Tsy nitovy zo tamin’ilay tena vady ny vadikely. Mety ho nanana vady maro sy vadikely maro ny lehilahy iray. (1Mp 11:3; 2Ta 11:21) Raha nisy vehivavy momba, dia mety ho nomeny ho vadikelin’ny vadiny ny mpanompovaviny. Noheverina ho zanak’ilay tompovavy àry ny zaza naterak’ilay vadikely. (Ge 16:2; 30:3) Zanaka ara-dalàna ny zanaky ny vadikely, ka afaka nandova.​—Ge 49:16-21; ampit. Ge 30:3-12.

Fomban’ny Tatsinanana ny hoe ny mpanjaka mandimby ihany no afaka maka ny vady sy ny vadikelin’ilay mpanjaka nodimbiasany ara-dalàna. Nanao firaisana tamin’izy folo vavy vadikelin’i Davida àry i Absaloma mba ho toy ny hoe ara-dalàna ny fahazoany ny fanjakan’i Davida rainy izay efa tsy nohajainy mihitsy. (2Sa 16:21, 22) Nanandrana naka ny fanjakana i Adonia zokin’i Solomona. I Solomona anefa no lasa mpanjaka. Nanatona an’i Batseba renin’i Solomona àry i Adonia, ka niteny hoe: “Fantatrao tsara fa tokony ho ahy ny fanjakana.” Niangaviany i Batseba avy eo mba hangataka tamin’i Solomona hoe homena azy i Abisaga Sonemita izay noheverina ho vadikelin’i Davida. Tezitra i Solomona ka hoy izy: “Angataho ho azy koa ny fanjakana.” Nandidy ny hamonoana an’i Adonia ho faty izy avy eo, ka hita tamin’izany fa taminy dia toy ny fakana ny fanjakana ilay fangatahan’i Adonia.​—1Mp 1:5-7; 2:13-25.

Vady iray no nataon’Andriamanitra ho an’ny olona iray, tany Edena. Nanana vadikely anefa ny olona tatỳ aoriana. Namoaka lalàna àry i Jehovah mba hiarovana ny zon’ny vadikely. Fantany fa rehefa tonga etỳ an-tany i Jesosy Kristy vao mety ny hamerenana an’ilay modely napetrany tany am-boalohany. Mazava ho azy fa nampitombo haingana ny isan’ny mponina tany Israely ny fisian’ny vadikely.​—Mt 19:5, 6; 1Ko 7:2; 1Ti 3:2; jereo FANAMBADIANA (Vady maro).

Vadikely an’ohatra. Nilaza ny apostoly Paoly fa toy ny hoe vadin’ny vehivavy afaka i Jehovah, toa an’i Abrahama vadin’i Saraha. “Ilay Jerosalema any ambony” io vehivavy afaka io, ary ‘renin’ireo’ Kristianina nateraky ny fanahy izy io. Noharin’i Paoly tamin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vadikeliny kosa ny fifandraisan’i Jehovah sy ny firenen’Israely (na Jerosalema renivohitra). ‘Nanambady’ an’i Jerosalema i Jehovah rehefa nanao ny fifaneken’ny Lalàna. “Mpanompovavy” sady vadikely i Jerosalema, toa an’i Hagara izay mpanompovavy sady vadikelin’i Abrahama.​—Ga 4:22-29; ampit. Is 54:1-6.