Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vahoaka

Vahoaka

Teny hebreo sy grika maromaro no ilazan’ny Baiboly ny hoe vahoaka na olona miara-mivory. Fampiasa matetika ny teny hebreo hoe ʽedah, izay avy amin’ny fototeny hoe yaʽad midika hoe “manendry; manondro.” Olona mivory amin’ny fotoana voatondro, na fotoana nifanaovana àry no dikan’ilay hoe ʽedah. (Ampit. 2Sa 20:5; Je 47:7.) Matetika izy io no ilazana ny Israely, izay antsoina hoe “ny vahoaka” (Le 8:4; Mpts 21:10), “vahoakan’Israely” (Ek 12:3; No 32:4; 1Mp 8:5), na “vahoakan’i Jehovah” (No 27:17).

Teny hebreo hafa ilazana olona miara-mivory koa ny hoe kahal, izay iray tarika amin’ny matoanteny midika hoe “mamory; mivory.” (Ek 35:1; Le 8:4) Matetika izy io no ilazana fiangonana, izay antokon’olona voalamina. Indraindray koa mitovy ny dikan’izy io sy ny dikan’ny teny hebreo hoe ʽedah (vahoaka). (Le 4:13; No 20:8, 10) Misy endriny hafa amin’ireo teny hebreo roa ireo ao amin’ilay hoe kehal ʽadat-Yisraʼel, izay nadika hoe “fiangonan’Israely.”​—Ek 12:6.

Ny teny grika hoe ekklesia (avy amin’ny hoe ek “ivelany” sy klesis “fiantsoana”) no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mba handikana ny teny hebreo hoe kahal (fiangonana), na handikana indraindray ny teny hebreo hoe ʽedah (vahoaka), izay adikany koa hoe synagôge (midika hoe “famoriana”, ary avy amin’ny hoe syn “miaraka” sy hoe agô “mitondra”). Adika matetika hoe “fiangonana” ny hoe ekklesia, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ilazana ny fiangonan’Israely izy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:38. Hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:43 (“fivoriana tao amin’ny synagoga”) sy Jakoba 2:2 (‘fivoriana’) koa ny teny grika hoe synagôge. Nadika hoe “tafavory” (“fihaonambe”, JM) ny teny grika hoe panegyris (avy amin’ny hoe pan “rehetra” sy agôra izay ilazana fivoriana) ao amin’ny Hebreo 12:23.​—Jereo FIVORIANA, FIVORIAMBE.

Resahin’ny Soratra Masina fa misy vahoaka mivory mba hanao ratsy. Niara-nikomy, ohatra, i Kora sy ny “olony [ʽedah] rehetra.” (No 16:5) Hoy i Davida, tamin’izy nivavaka tamin’i Jehovah: “Nifofo ny aiko ny andian’olona [ʽedah] lozabe.” (Sl 86:14) Rehefa namory vahoaka hanohitra an’i Paoly tany Efesosy i Demetrio mpanefy volafotsy, dia ‘niantsoantso ny olona, ka hafa no nolazain’ny sasany, ary hafa no nolazain’ny sasany. Ary nisahotaka ny vahoaka tafavory tao, ka tsy fantatry ny ankamaroany akory izay antony nahatongavany teo.’​—As 19:24-29, 32.