Vahoaka Be
Teny miverina matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. “Vahoaka be” indraindray ireo nihaino ny fampianaran’i Jesosy Kristy. (Mt 14:14; 19:2; 20:29) Nahare “feo tahaka ny feo mafy nataon’ny vahoaka be tany an-danitra” ny apostoly Jaona, taorian’ilay fahitana ny fandravana an’i Babylona Lehibe. (Ap 19:1) Miresaka “vahoaka be” koa ny Apokalypsy 7:9. Mahaliana hoe iza io vahoaka be io.
Hitan’i Jaona aloha ny fanisiana tombo-kase an’ireo mpanompon’Andriamanitra 144 000 ‘avy amin’ny foko rehetran’ny zanak’Israely.’ (Ap 7:2-8) Hitany indray avy eo ny “vahoaka be” avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra. Mijoro eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ilay vahoaka, ary miaiky fa avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny famonjena azy. ‘Avy amin’ny fahoriana lehibe’ izy ireo, ary manompo an’Andriamanitra ao amin’ny tempoliny. Andriamanitra kosa mamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo. Tsy ho noana na hangetaheta intsony izy ireo, ary hofafana ny ranomasony rehetra. Hotarihin’ny Zanaka (na ilay Zanak’ondry; Jn 1:29) ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina koa izy ireo.—Ap 7:9-17.
Fiheverana samy hafa. Samy manana ny heviny momba an’ilay “vahoaka be” ny olona. Maro ny mpivaofy teny milaza fa “Israely ara-panahy” ireo 144 000 voaisy tombo-kase, ary izy ireo no fiangonana kristianina eto an-tany. Atsangana ho any an-danitra ireo Kristianina ireo raha maty tsy mivadika. Antsoina hoe “vahoaka be” indray, hono, io fiangonana io rehefa any an-danitra. Misy kosa mihevitra fa avy amin’ny “foko rehetran’ny zanak’Israely” (Ap 7:4) ara-bakiteny ireo 144 000, izany hoe Jiosy lasa Kristianina. Ny Kristianina rehetra hafa firenena àry, hono, no “vahoaka be.” Tsy mitombina anefa ireo hevitra ireo, rehefa jerena ny Apokalypsy toko faha-7 sy ny andininy hafa.
Tsy mifanaraka amin’izay resahin’ny Apokalypsy toko faha-14 momba ny 144 000, ny fiheverana hoe ny 144 000 voaisy tombo-kase no fiangonana kristianina eto an-tany, fa ny “vahoaka be” kosa izy ireo rehefa any an-danitra. Voalaza ao mantsy fa miaraka amin’ny Zanak’ondry eo amin’ny “Tendrombohitra Ziona” izy ireo. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa teo amin’ny Tendrombohitra Sinay teto an-tany ny Israelita, fa ny Kristianina kosa ‘manatona ny Tendrombohitra Ziona, sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra; sy anjely an’alinalina tafavory; sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra.’ (He 12:18-24) Marina fa “novidina avy teto an-tany” ireo 144 000. (Ap 14:3) Asehon’ny teny manodidina anefa fa tsy eto an-tany izy ireo, fa any an-danitra miaraka amin’i Kristy Jesosy, ilay Zanak’ondry. (Ap 14:3, 4) Tsy marina àry ny filazana hoe ny fiangonana kristianina eto an-tany ny 144 000, fa ny “vahoaka be” kosa izy io rehefa any an-danitra.
Tsy ny “vahoaka be” mihitsy ireo 144 000 ireo, satria hoy i Jaona momba an’ilay vahoaka: “Taorian’izany [taorian’ny nanisiana tombo-kase an’ireo 144 000], dia nahita aho, ary nisy vahoaka be Ap 7:9) Hafa mihitsy àry ilay “vahoaka be” satria tsy tambo isaina, tsy toa an’ireo 144 000 izay voafaritra tsara ny isany. Avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra koa ilay “vahoaka be”, fa tsy ‘avy amin’ny zanak’Israely.’ ‘Eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ ilay vahoaka, fa tsy toa an’ireo 144 000 izay ‘miaraka amin’ny Zanak’ondry.’ (Ap 14:1) Tsy ireo 144 000 voaisy tombo-kase àry ilay “vahoaka be.”
tsy tambo isaina.” (Tsy mitombina koa ny hoe avahana amin’ny Kristianina hafa firenena ny Kristianina jiosy. Nilaza mantsy i Paoly fa tsy misy fahasamihafana ny Kristianina samy hafa fiaviana, fa tafaray amin’i Kristy Jesosy daholo ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. (Ro 10:12; Ga 3:28) I Jehovah koa no ‘nampihavana tanteraka ny roa tonta [ny Jiosy sy tsy Jiosy] taminy ho tonga vatana iray’ tamin’ny alalan’i Kristy. Tsy izy mihitsy àry no hanavaka azy ireo. (Ef 2:11-21; As 15:7-9) Manamafy izany izao tenin’i Paoly izao: “Fa tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy.” (Ro 2:28, 29) Tsara hoeritreretina koa izao: Nahoana no tsy voalaza fa ‘nasiana tombo-kase’ ny Kristianina hafa firenena? Nahoana koa izy ireo no tsy mahay an’ilay hira vaovao hirain’ny 144 000? (Ap 14:3) Israely ara-panahy àry fa tsy ara-nofo ireo 144 000 voaisy tombo-kase, ka sady misy Jiosy no misy hafa firenena.—Ga 6:16.
Fomba amantarana ilay “vahoaka be.” Manampy antsika hamantatra ny “vahoaka be” ny Apokalypsy toko faha-7 sy ny andininy hafa. Milaza ny Apokalypsy 7:15-17 fa ‘mamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo’ Andriamanitra, hotarihina “ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina” izy ireo, ary hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” Mitovitovy amin’izany no resahin’ny Apokalypsy 21:2-4 hoe: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra”, “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo”, ary “tsy hisy fahafatesana intsony.” Olona eto an-tany no resahina eo, fa tsy any an-danitra, satria “i Jerosalema Vaovao” no voalaza fa “nidina avy any an-danitra.”
Raha hiaina eto an-tany ihany àry ilay “vahoaka be” rehefa voavonjy, nahoana izy ireo no lazaina fa ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’? (Ap 7:9) Midika indraindray hoe mahazo sitraka amin’ny olona iray ny hoe “mitsangana” na ‘mijoro’ eo anoloany. (Sl 1:5; 5:5; Oh 22:29; Lk 1:19) Voalaza kosa fa “ny mpanjakan’ny tany sy ny manam-pahefana ambony sy ny miaramila manamboninahitra sy ny manankarena sy ny mahery sy ny mpanompo rehetra ary ny olona afaka rehetra”, dia miezaka ny hiafina “mba tsy ho hitan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy mba tsy hiharan’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry. Fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’izy ireo, ka iza no mahajoro?” (Ap 6:15-17; ampit. Lk 21:36.) Ireo olona voatsimbina mandritra io andro fahatezerana io àry ilay “vahoaka be.” ‘Hahajoro’ eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry izy ireo satria ankasitrahany.
Hotarihin’ny Zanak’ondry ho any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” ilay vahoaka. Mitovitovy amin’izany koa ny resahin’ny Apokalypsy 22:17 hoe: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” Ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ilay “ampakarina” vadin’i Kristy Jesosy any an-danitra. (Ef 5:25-27; 2Ko 11:2; Ap 19:7-9; 21:9-11) Na firy na firy no “maniry”, dia asain’ilay “ampakarina” “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” Tsy tambo isaina koa ilay “vahoaka be.” Mifanaraka tsara àry ny voalazan’ny Apokalypsy 7:9 sy 22:17.
Raha fintinina, dia ny olona rehetra tsy anisan’ilay “ampakarina” na ny 144 000 voaisy tombo-kase no “vahoaka be.” ‘Hitsangana’ na hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireo amin’ny “fahoriana lehibe”, ka hotsimbininy ary hiaina eto an-tany.—Jereo FIANGONANA (Ny fiangonana kristianina); LANITRA; TANY (Antony nanaovana ny Tany).