Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vakana

Vakana

Haingo kely vita amin’ny fitaratra, vatosoa, volamena, volafotsy ary nolavahana ka atao rojo mazàna. Nahitana azy ireny ny faty notehirizin’ny Ejipsianina tsy ho lo, sy tao amin’ny fasana grika sy romanina, tempoly asyrianina ravarava, ary tany Megido, Asdoda, ary Beti-semesy.

Toy izao no voalaza momba ilay tovovavy solemita tsara tarehy: “Mahafatifaty ny takolakao amin’izato volonao mirandrana. Ary manendrika ny vozonao ny vakana eny aminao.” (To 1:10) Anisan’ny haingon’ny vehivavy hebreo fahiny àry ny vakana.​—Jereo RAVAKA.