Vakiteny Ampahibemaso
Famakian-teny mafy amin’olona maromaro. Nisy ampahany tamin’ny Lalàna novakina ampahibemaso isaky ny Sabata tao amin’ny synagoga jiosy. Novakina toy izany koa ny Soratra Masina rehefa nivory ny fiangonana kristianina.
Midika hoe ‘mahafantatra tsara’ (2Ko 1:13) ny hoe anaginôskô (gr.), ary nadika hoe ‘vakina’ na ‘mamaky mafy’, raha ilazana olona namaky irery na ampahibemaso ny Soratra Masina. (Mt 12:3; Lk 4:16; As 8:28; 13:27) Ny anarana hoe anagnôsis no nadika hoe “voavaky teo anatrehan’ny rehetra” sy hoe “vakiteny ampahibemaso.”—As 13:15; 1Ti 4:13.
Ny vakiteny ampahibemaso no fomba tena nampianaran’i Jehovah ny vahoakany momba ny fikasany sy izay notakiny. Miresaka voalohany an’izany ny Eksodosy 24:7 hoe novakin’i Mosesy teo anatrehan’ny Israelita rehetra “ny bokin’ny fifanekena.” Azon’izy ireo tsara izay novakina, ka nanao fifanekena tamin’i Jehovah izy ireo fa hankatò ny Lalàna. Vitsy anefa ny Israelita nanana ny Soratra Masina, ka nodidian’i Mosesy ny Levita mpisorona mba ‘hamaky ny lalàna teo anatrehan’ny Israely rehetra’, dia ny vahoaka manontolo, na antitra na tanora, na lahy na vavy, na Israelita na vahiny, isaky ny taona sabata tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.—De 31:9-12.
Novakin’i Josoa mafy tamin’ny Israely tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina “izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona.” (Js 8:33-35) Nirahin’i Josafata Mpanjaka hampianatra isan-tanàna tany Joda ny andriana sy Levita ary mpisorona (2Ta 17:7-9), ka azo antoka fa namaky teny ampahibemaso. Hitan’i Hilkia mpisorona “ny boky misy ny lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy”, rehefa namboarina ny tempoly tatỳ aoriana. Novakin’i Josia tamin’ny rehetra ilay boky, izay azo antoka fa nosoratan’i Mosesy. (2Mp 23:2; 2Ta 34:14) Fongotra àry ny fanompoana demonia tany Joda. Novakin’i Ezra (nampian’i Nehemia Governora) sy nohazavainy tamin’ny vahoaka ny Lalàna, nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny mitataovovonana, taorian’ny sesitany.—Ne 8:3, 8; jereo HEBREO, II (Oviana no nanomboka nihalefy ny teny hebreo?).
Tao amin’ny synagoga. Fanaon’i Jesosy ny namaky teny ampahibemaso isaky ny Sabata tao amin’ny synagoga, sy nanazava an’izay novakiny. (Lk 4:16) Efa fanao hatry ny ela izany. “Efa hatramin’ny ela be mantsy i Mosesy no nanana olona isan-tanàna nitory momba azy, satria novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratany.” (As 15:21) Novakina ampahibemaso tao amin’ny synagoga ny Lalàna sy ny Mpaminany. Toy izao ny fandaharana, hoy ny raby: Novakina aloha ny Shema na ny fanekem-pinoan’ny Jiosy (avy tao amin’ny De 6:4-9; 11:13-21 sy No 15:37-41), avy eo ny ampahany tamin’ny Torah (na Lalàna) na ny Boky Dimy Voalohany (vita tao anatin’ny herintaona tamin’ny ankapobeny), ary farany ny ampahany tamin’ny asa soratry ny mpaminany (haftarah) izay nohazavaina koa. Nisy lahateny na fanomezana torohevitra taorian’izay. Nasaina nandaha-teny na nanome torohevitra na nampahery i Paoly, taorian’ny vakiteny ampahibemaso tao amin’ny synagogan’i Antiokia tany Pisidia.—As 13:15.
Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Maro ny horonam-bokin’ny Baiboly tamin’ny taonjato voalohany saingy vitsy mpanana, ka nilaina novakina ampahibemaso. Nasain’ny apostoly Paoly novakina nandritra ny fivorian’ny fiangonana ny taratasiny. Rehefa voavakin’ny fiangonana iray ny taratasy iray, dia nalefa tany amin’ny fiangonana hafa mba hovakina tany koa. (Kl 4:16; 1Te 5:27) Nampirisihin’i Paoly hiezaka mafy amin’ny “vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana” i Timoty tanora, izay mpiandraikitra.—1Ti 4:13.
Tokony hisosa tsara ny vakiteny ampahibemaso. (Ha 2:2) Tsy maintsy mahazo tsara ny hevitr’izay vakiny sy ny tanjon’ny mpanoratra ny mpamaky ka hamaky tsara, mba hiana-javatra ny mpihaino fa tsy ho diso fandray an’ilay hevitra. Ho sambatra koa izay mamaky mafy sy mihaino ary mitandrina ny faminaniana.—Ap 1:3.