Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valala

Valala

“Valala” no iantsoana ny bibikely rehetra mpitsambikina anisan’ny fianakaviamben’ny Acrididae (anisany ny valala mpifindra monina sy ny valala fohy tandroka) sy Tettigoniidae (anisany ny valala lava tandroka). Maromaro ny teny hebreo nadika hoe “valala” fa ʼarbeh no toa fampiasa matetika. Ilazana valala lehibe sy ary elatra mpifindra monina izy io. (Le 11:22) Tsy tena fantatra kosa hoe inona ilay na ireo bibikely antsoina hoe hagav (heb.). Mety ho mpitsambikina izy io fa tsy manidina, matoa miara-voatonona amin’ny valala (heb.: ʼarbeh) efa lehibe sy ary elatra ao amin’ny Levitikosy 11:22. Yelek (heb.) indray no iantsoana ny zana-balala mandady mbola tsy ary elatra (Sl 105:34; Jl 1:4), sôlʽam (heb.) ny valala fihinana (Le 11:22), ary gôhvai (heb.) ny andiam-balala (Am 7:1). Akris kosa no teny grika nadika hoe “valala.”​—Mt 3:4; Ap 9:7.

Raha ampitovina amin’ny olona ny valala dia avo 60 na 100 heny ny sakafo lanin’ny olona no laniny

Mirefy 5 sm na mahery ny halavan’ny valala. Efatra ny elany, efatra ny tongotra andehanany, ary mbola manana tongotra roa lava kokoa misy fe lehibe hitsambikinana izy. Lehibe sy tantera-pahazavana ny elany ambany, ka rehefa tsy ampiasainy izy io dia miforitra ambanin’ny elatra ambony matevina. Ny fen’ilay valala no ahafahany mitsambikina mihoatra lavitra noho ny halavan’ny vatany. (Jereo Jb 39:20.) Ilazana zavatra tsy tambo isaina ny valala indraindray ao amin’ny Baiboly.​—Mpts 6:5; 7:12; Je 46:23; Na 3:15, 17.

Sakafo “madio.” Biby madio azo hanina ny valala, araka ny Lalàna. (Le 11:21, 22) Valala sy tantely no fihinan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 3:4) Hoatran’ny patsabe na foza, hono, ny tsirony sady be proteinina ny nofony. Ny 75 isan-jaton’ny valala any an-tany efitra no proteinina, hoy ny mpikaroka tany Jerosalema. Mbola fihinana ny valala ankehitriny, ka tangosana aloha ny lohany, tongony, elany, ary kibony vao andrahoina na hanina manta ny tratrany.

Andiam-balala. Tena loza fahiny ny fisian’ny andiam-balala mpanimba voly (2Ta 7:13), ary mety ho fomba nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany, toy ny loza fahavalo tany Ejipta fahiny. (Ek 10:4-6, 12-19; De 28:38; 1Mp 8:37; 2Ta 6:28; Sl 78:46; 105:34) Tonga tampoka ny andiany entin’ny rivotra, nefa mety ho re hatrany amin’ny 10 km eo ho eo, hono, ny fiaviany, izay toy ny firodorodon’ny kalesy sy ny firefodrefotry ny lelafo mandevona vodivary, hoy ny Baiboly. (Jl 1:4; 2:5, 25) Entin’ny rivotra izy ireny, ka mahavita kilaometatra maro rehefa mitsoka mafy ny rivotra. Nisy olona teny afovoan-dranomasina aza nahatazana andiany tany amin’ny 1600 km mahery miala ny morontsiraka. Mety hoentin’ny rivotra mivarina any an-dranomasina koa anefa ireny ka maty. (Ek 10:13, 19) Toy ny rahona mahatakona ny hazavan’ny masoandro ny andiam-balala lehibe manidina ambony any amin’ny 1500 m mahery.​—Jl 2:10.

Mirangorango be ny valala, ka lasa toy ny tany efitra ny tany feno zavamaniry, rehefa avy nolalovany. (Jl 2:3) Mitovy lanja amin’ny valala iray mpifindra monina ny sakafo laniny isan’andro, izany hoe raha ampitovina amin’ny olona izy, dia avo 60 na 100 heny ny sakafo lanin’ny olona no laniny. Tsy zava-maitso ihany no haniny, fa lamba rongony, volonondry, landy, hoditra, ary ny verinia amin’ny fanaka rehefa tafiditra an-trano izy. Tombanana ho mitovy amin’ny sakafon’olona 1 500 000 ny sakafo lanin’ny andiam-balala lehibe iray isan’andro.

Milamina toy ny tafika voafehy tsara ny andiam-balala manidina, na dia tsy misy mpanjaka na mpitarika aza, ka hita fa manana fahendrena voajanahary. (Oh 30:24, 27) Mitohy ny fanafihana, na maro aza no maty. Mamono an’izay afo natao hisakanana ny fandrosoany, ohatra, ny fatin’ny valala may. Tsy mahasakana azy koa ny tatatra nofenoina rano, satria feno ny fatin’ireo matin’ny rano. (Jl 2:7-9) Hoy ny mpampianatra siansa momba ny biby: “Mbola tsy fantatra hoe inona eo amin’ny natiora no mahasakana ny loza entin’ny valala mpifindrafindra toerana.”​—Ny Gazetin’i New York, “Ady Amin’ny Valala”, 22 Mey 1960, p. 96.

Hoy ny boky iray momba ny loza ateraky ny andiam-balala, tsy ela izay: “Mbola mampitondra faisana an’i Afrika sy ny tany hafa ny karazam-balala maro misy kambo eo amin’ny tendany. Mitombo isa be izy ireny indraindray sady mifindrafindra toerana, ka manimba voly be tato ho ato. Nirongatra be izy ireny tany Eoropa tamin’ny 1873-1875 sy tany Etazonia tamin’ny 1874-1877. ... Nisy andiam-balala 250 km ny lavany ary 20 km ny sakany, nanafika ny faritra atsimon’i Maroc tamin’ny 1955. Nisy fanafihana hafa tsy voasakana koa tamin’ny 1961/62 ... Tao anatin’ny dimy andro àry dia efa vola be tsy toko tsy forohana no tokom-bidin’ny fahavoazana nentiny tamin’ny velaran-tany 5000 kilaometatra toradroa. ... Nahalany voasary 7000 taonina, izany hoe 60 000 kg isan’ora, izy ireny nandritra ireo dimy andro ireo. Mihoatra ny lanin’i Frantsa isan-taona izany.”​—Rakipahalalan’i Grzimek Momba ny Biby, 1975, Boky Faha-2, p. 109, 110.

Heviny an’ohatra. Velona efatra ka hatramin’ny enim-bolana ny valala, hoy ny mpikaroka. Tsy mahagaga àry raha voalaza fa hampijaly olona dimy volana ny valala, izany hoe mandritra ny androm-piainany.​—Ap 9:5.

Miresaka zana-balala miofo ny Nahoma 3:16, izay milazalaza ny miaramila asyrianina. Indimy miofo ny zana-balala mandra-pahalehibeny. Toy ny valala mitoby eny amin’ny vala amin’ny andro mangatsiaka fa lasa manidina kosa raha vao miposaka ny masoandro, ny Asyrianina mpiambina sy mpiantso olona ho miaramila. (Na 3:17) Toa miresaka an-kolaka ny fanaon’ny valala izany. Ngoly mantsy ireo rehefa mangatsiaka ny andro, ka misitrika eny an-tsefatsefaky ny manda mandra-pahazony hafanana avy amin’ny tara-masoandro mba hahafahany hanidina. Mahatratra 21° C eo ho eo mantsy, hono, ny hafanan’ny vatany vao afa-manidina izy.

Toy ny haben’ny valala no fahitan’ny mpitsikilo israelita nivadika ny habeny, raha oharina tamin’ny Kananita. (No 13:33) Amin’i Jehovah dia toy ny valala ny olona, indrindra fa ireo manohitra azy. Toy izany tokoa izy ireo raha oharina amin’ny fahalehibeazany. (Is 40:22) Nilaza ny mpamory vahoaka fa hananosarotra toy ny fandehan’ny valala ny fandehan’ny be taona, noho izy lasa manjoko sy tsy dia afa-mihetsika ary somary mankany aoriana ny kihony.​—Mpto 12:5.