Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valan’ondry

Valan’ondry

Toerana voafefy nasiana ny ondry rehefa alina mba tsy ho azon’ny mpangalatra sy ny biby mpiremby. Lava-bato sy toerana voajanahary hafa ny vala sasany, fa fefy vato nisy fidirana (Jn 10:1) kosa ny ankamaroany. (No 32:16; 1Sa 24:3; Ze 2:6) Mety ho nandrakotra ny tampon’ireo fefy ny sampan’ny zavamaniry nisy tsilo, toy ny ankehitriny ihany. Nisy trano iva marin-tampona koa angamba tao anatin’ilay vala, ka natao tao ny ondry rehefa ratsy be ny andro. Mety ho natao tao anaty vala iray ny andian’ondry maromaro, kanefa tsy natahorana hifangaro. Ny feon’ny mpiandry azy ihany mantsy no nohenoin’ny ondry. Nisy mpiandry ny vavahady, ary izy no nampiditra ny mpiandry ondry rehefa maraina.​—Jn 10:2-4.

Trano kelin’ny mpiandry ondry sy vala vato