Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valifaty

Valifaty

Sazy ho setrin’izay tsy mety na ny heloka natao; valin’ny natao. Midika ara-bakiteny hoe “avy amin’ny rariny” ny teny grika hoe ekdikeô (“mamaly faty”), ka toy ny hoe manao ny rariny izay mamaly faty. Ilazana ny famalian’Andriamanitra ara-drariny ny ratsy natao ny hoe “valifaty” ao amin’ny Baiboly, nefa koa mety ho ny fanaovan’ny olona izay heveriny fa rariny na izay heveriny fa mifanentana amin’ny natao taminy.

An’i Jehovah. Diso izay olona mamaly faty, raha tsy hoe notendren’i Jehovah angaha izy na nolazain’ny Teniny fa tokony hanao izany. “Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly”, hoy i Jehovah. (De 32:35) Hoy koa ny mpanao salamo: “Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô”! (Sl 94:1) Melohin’Andriamanitra àry izay manao an-dolompo na izay mitady hamaly ny ratsy tena natao (na heveriny fa natao) taminy na tamin’ny hafa.​—Le 19:18; Ro 12:19; He 10:30.

Tezitra amin’ny mpanota sy mpandika lalàna rehetra Andriamanitra. Nanome an’i Jesosy Kristy ho vidim-panavotana anefa izy. Noho io hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa io ihany no ahafahany manalefaka ny sazin’ny mpanota, na tsy mamaly ny ratsy rehetra vitany. (Ro 5:19-21; 2Ko 5:19; He 2:2, 3; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Rariny àry raha mamela fahadisoana Andriamanitra, nefa koa mampihatra ny didim-pitsarany amin’ny mpanota tsy mino ny vidim-panavotana. Tsy maintsy hovalian’Andriamanitra ny ataon’izy ireny.​—Ro 3:3-6, 25, 26; ampit. Sl 99:8.

Misy zava-kendrena. Mahatsiaro ho maivamaivana sy mandray soa ireo mitoky amin’i Jehovah rehefa valiany ny ratsy natao tamin’izy ireo. Mahazo dera koa ilay Mpitsara marina. Hoy ny Salamo 58:10, 11: “Hifaly ny olo-marina rehefa mahita ny fampiharana valifaty. ... Dia hilaza ny olona hoe: ‘Misy valisoa tokoa ho an’ny olo-marina. Ary misy Andriamanitra mitsara tokoa etỳ an-tany.’” Ny hanamarina ny zony hitondra sy ny hanamasina ny anarany no tena antony amalian’Andriamanitra ny ratsy natao. (Ek 14:18; Sl 83:13-18; Is 25:1-5; Ezk 25:14, 17; 38:23) Manao izany koa izy mba hanaporofoana fa solontenany tokoa ny mpanompony sy mba hanafahana azy ireo amin’ny loza.​—Ek 14:31; 15:11-16; Ezk 37:16, 21-23; Sl 135:14; 148:14; Oh 21:18.

Amin’ny fotoana voatondrony. Efa misy fotoana nofidin’Andriamanitra hamaliana ny ratsy rehetra nataon’ny fahavalony. Nirahina hanambara ny “andro famalian’Andriamanitsika”, ohatra, i Isaia mpaminany. Novalian’Andriamanitra ny nataon’i Babylona (izay nampahory ny vahoakany) rehefa resin’ny tafik’i Media-Persa izy io tamin’ny 539 T.K. (Is 61:1, 2; 13:1, 6, 9, 17) Nisy nampiharin’i Jesosy Kristy tamin’ny tenany (Lk 4:16-21) ny faminanian’i Isaia (61:1, 2). Marina fa tsy notononiny ilay hoe ‘andro famaliana’, nefa azo antoka fa nambarany ny hiavian’io “andro” io, izay tonga rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70. Nilaza izy fa tokony handositra hiala tao ny mpianany raha vao hitan’izy ireo mitoby manodidina azy io ny tafika (romanina), “fa andro famaliana izany, mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.”​—Lk 21:20-22.

Hoy koa i Jesosy Kristy talohan’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora [hampiharana ny didim-pitsarana amin’ity tontolo ity] izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Mt 24:36) Efa fantatr’Andriamanitra sy nofaritany àry hoe rahoviana izy no hamaly ny ataon’ny ratsy fanahy. Azo antoka fa hanao izany izy amin’ny fotoana voatondrony, noho ny anarany sy noho ny mpanompony. Manamafy izany ny fanoharan’i Jesosy momba ilay mpitsara sy ilay mpitondratena nitalaho taminy foana mba homeny rariny. Hoy ilay mpitsara: “Homeko rariny ihany io vehivavy io [“Hovaliako ny ratsy natao taminy”].” Nampiharin’i Jesosy tamin’Andriamanitra ilay fanoharana, satria hoy izy: “Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny [“hamaliana ny ratsy atao”] amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, na dia mahari-po amin’ireo aza izy?”​—Lk 18:2-8, Int.

Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana ny ran’ireo novonoina tamin-kabibiana noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana nataon’izy ireo, niantsoantso hoe: “Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, rahoviana ianao vao hitsara sy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” Amin’ny fotoana voatondro no hamaliana ny rany, rehefa ‘feno ny isan’ireo mpiara-manompo aminy sy ireo rahalahiny, izay nadiva hovonoina tahaka azy ireo koa.’​—Ap 6:9-11.

Hovaliana ny nataon’i Babylona Lehibe, ary avy eo ny nataon’ilay “bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.”​—Ap 19:1, 2, 19-21.

Ireo voatendrin’Andriamanitra. I Jesosy Kristy Tompo no tena ampiasain’Andriamanitra hamaly ny ataon’ny ratsy fanahy. Nampionona ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Marina tokoa ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy, fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika. Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.”​—2Te 1:6-9.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Notendren’i Jesosy Kristy hikarakara sy hiaro ny fiangonana ny apostoly, mba hadio sy hankasitrahan’i Jehovah foana izy io. Noho ny fahefana nomen’Andriamanitra azy, dia hoy i Paoly tamin’ny Korintianina izay nizarazara sy nikorontana noho ny fitaoman’ny “apostoly sandoka”: ‘Vonona izahay hanasazy [“hamaly”, Prot.] an’izay tsy mankatò.’​—2Ko 10:6; 11:13; 13:10.

Toy ny hoe nahazo alalana ‘hamaly ny ratsy natao’ ny anti-panahy voatendry hikarakara fiangonana, satria afaka nanitsy an’izay tsy nety izy ireo mba hisian’ny rariny sy mba hahatonga an’ilay fiangonana ho marina eo anatrehan’Andriamanitra indray. Izany no nataon’ireo mpiandraikitra tany Korinto rehefa nahitsin’i Paoly, ka hoy izy tao amin’ny taratasiny faharoa: “Ny vokany dia fahazotoana be teo aminareo ... fanaporofoana fa tsy manan-tsiny ianareo [“famaliana ny ratsy natao”, Prot.]!” Nibebaka izy ireo rehefa naharay an’ilay taratasy voalohany, ka nesoriny teo amin’izy ireo ilay nanao ratsy. Nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba tsy hanan-tsiny teo anatrehan’i Jehovah. (2Ko 7:8-12) Tsy toa an’ireo mpitsara teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy anefa izy ireo, satria tsy nahazo alalana hamono ho faty an’ilay nanao ratsy na dia izany aza no notakin’ny rariny. (Le 20:10; He 10:28) Noroahiny tsy ho anisan’ny fiangonana fotsiny izay tsy nibebaka. (1Ko 5:13) Hampiharina amin’ny voaroaka ny sazy ara-drariny, dia ny fahafatesana mandrakizay, raha tsy mibebaka mihitsy izy. (He 10:29, 30) Tandindomin-doza àry izay Kristianina manao ratsy, ohatra hoe mijangajanga, “satria i Jehovah no mitaky sazy [“mpamaly”, Prot.] noho izany rehetra izany.”​—1Te 4:3-6.

Mpitondra. Adidin’ny mpitondra fanjakana ny mampihatra ny rariny. Izy ireo àry no mety hamaly an’izay nataon’ny olon-dratsy na ny Kristianina sasany nandika an’ireo lalàna ara-drariny izay mifanaraka amin’ny fahefana nomen’Andriamanitra ny mpitondra. Toy ny hoe amin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra no mamaly ny ratsy natao, satria hoy i Paoly: “Fa ny mpitondra dia tsy atahoran’izay manao ny tsara, fa atahoran’izay manao ratsy ... Mpanompon’Andriamanitra izy sady mpamaly an’ireo mpanao ratsy, ka hampihatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ireny.”​—Ro 13:3, 4; 1Pe 2:13, 14; ampit. Ge 9:6.

Tia mamaly faty ny olona tsy lavorary. Tia mamaly faty ny olona rehefa iharan’ny tsy rariny na misy olona halany. Raha naka vadin’olona, ohatra, ny lehilahy iray, dia mety hamaly faty ny vadin-dravehivavy. Hoy mantsy ny Ohabolana: “Fa entin’ny fahasarotam-piaro ny lehilahy ka tezitra mafy, ary tsy hamindra fo izy amin’ny andro anaovany valifaty. Tsy ahoany mihitsy izay mety ho onitra, sady tsy vonona ny hilefitra izy na dia lehibe toy inona aza ny fanomezana ataonao.” (Oh 6:32-35) Tsy mahafehy hatezerana anefa matetika ny olona mamaly faty sady tsy tsara ny tanjony, ka tezitra aminy Andriamanitra.​—Jk 1:19, 20.

Fahavalon’ny mpanompon’Andriamanitra. Izay tsy tia an’Andriamanitra dia mankahala ny mpanompony koa. Mampiharihary ny ratsy ataony mantsy ny teny sy ny ataon’ny olo-marina ka te hamaly faty izy ireo na manao izany mihitsy. Tsy hoe manao ny rariny akory izy ireo, fa tsy tia an’izay mahitsy sy marina kosa ary te handripaka an’ireo olo-marina. (Sl 8:2; 44:15, 16) Misy aza diso hevitra ka mieritreritra fa rariny ny mamono mpanompon’Andriamanitra. (Jn 16:2) Tsy mahafaly an’Andriamanitra anefa ireo mihevi-tena ho manao ny rariny ireo, ka hovaliany ny ataon’izy ireo. Nampiasa firenena toa an’i Babylona i Jehovah indraindray mba hamaliana ny nataon’ny Israely izay nivadika tamin’ny fifanekeny. (Le 26:25) Novaliany koa anefa ny nataon’ireny firenena ireny satria nankahala sy faly nampijaly ny vahoakany izy ireny, sady nanararaotra namaly faty.​—Ft 3:60; Ezk 25:12-17.

Jereo koa ny hoe MPAMALY RA; TANÀNA FIALOKALOFANA.