Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ny Natao

Valin’ny Natao

Fanasaziana olona iray na maromaro ho setrin’ny nataony; izay atao na takina amin’ny olona nanao ratsy.

Nadika hoe “valin’ny natao”, “mamaly”, “sahaza”, “atsingerina”, sy ny sisa ny teny iray tarika amin’ireo matoanteny fototeny hebreo hoe shalam sy gamal. Nadika toy izany koa ny teny grika hoe apôdidômi, antimistia, mistapôdôsia ary ny teny iray tarika aminy.

Firenena nampahory ny Israely. Noresahin’ilay hira nataon’i Mosesy teo amin’ny Lemak’i Moaba, taloha kelin’ny nahafatesany, fa ‘mamaly’ an’izay ataon’ny fahavalony i Jehovah ary ‘mamaly’ an’ireo mankahala mafy azy. (De 32:35, 41; He 10:30) Mahafehy tena tanteraka anefa Izy rehefa manao izany, ary ara-drariny sy misy antony maro foana ny famaliany. Nampiasainy indraindray ny firenena mpanompo sampy toa an’i Asyria sy Babylona, mba hanasaziana ny Israely tsy nankatò. (De 28:15-68; 2Mp 17:7-23; 2Ta 21:14-20) Nilaza anefa i Jehovah fa hovaliany ny nataon’ireo firenena ireo satria nankahala azy sy ny fivavahana marina izy ireo, ary faly erỳ nampahory ny Israely sy nahita ny fahareseny.​—Is 10:12; 34:1, 2, 8; Je 51:6, 56; Ob 8-16; Za 1:15.

Novalian’i Jehovah ny nataon’i Babylona izay nanohitra azy sy ny vahoakany efa hatry ny ela. Resy sy ho lao tanteraka àry izy io. Resin’i Kyrosy Persianina ilay tanàna tamin’ny 539 T.K., nefa mbola teo ihany taonjato maro taorian’izay. Farany, lasa aolo izy io ka tsy naorina intsony. (Je toko 50, 51) Hovaliana koa ny ataon’i Babylona Lehibe, ary hatsipy izy ka “tsy ho hita intsony.”​—Ap 18:2, 6, 20, 21; jereo BABYLONA LEHIBE.

Teo ambanin’ny Lalàna. Notakin’ny Lalàna ny hamaliana ny Israelita araka izay nataony, na dia namindrana fo aza ny mpanota nibebaka sy tsy nahalala izay nataony. (Le 5:4-6, 17-19; 6:1-7; No 35:22-29) Tsy maintsy novaliana kosa ny nataon’izay ninia nandika lalàna sy tsy nibebaka. (No 15:30) Raha nandainga sy nanendrikendrika olona teo anoloan’ny mpitsara ny vavolombelona iray, dia izay sazy saika nomena an’ilay tsy nanan-tsiny no nampiharina taminy. Hoy i Jehovah: “Aoka tsy hiantra azy ny masonao, fa aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, ary tongotra ho solon’ny tongotra.”​—De 19:16-21.

Firenena jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy nankasitrahany ilay firenena nefa tia tena, ka novaliany ny nataon’izy ireo. Tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo, fa nitady hanamarina ny tenany. (Ro 10:1-3) Tsy nino an’i Jesosy Kristy sy nanda azy ary tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesany àry ny ankamaroan’ny Jiosy, ka noravana ny tanànan’izy ireo sy ny tempoliny ary niharan-doza ilay firenena. (Mt 27:25; Da 9:26) Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’izy ireo ny Salamo 69:22, ka hoy izy: “Hoy koa i Davida: ‘Aoka ny latabatr’izy ireo ho fandrika sy vela-pandrika sy vato mahatafintohina ary famaizana.’”​—Ro 11:9.

Kristianina tsy nankatò. Nampahatsiahivin’i Paoly fa novaliana ara-drariny ireo nandika ny Lalàna, mba hampisehoana fa zava-dehibe ny hankatoavan’ny Kristianina ny Zanak’Andriamanitra. Hoy izy: “Fa raha ny teny nampilazaina ny anjely aza natao mafy orina, ary raha novaliana ara-drariny daholo ny fandikan-dalàna sy ny tsy fankatoavana, ataontsika ahoana no fandositra raha famonjena lehibe toy izao no ataontsika tsirambina? Ny Tompontsika mantsy no voalohany nilaza an’io famonjena io. Ary nanamafy azy io tamintsika ireo nandre azy io.” (He 2:2, 3; ampit. He 10:28-31.) Haringana, ohatra, ilay “lehilahy mpandika lalàna” ho valin’ny fivadiham-pinoany.​—2Te 2:3, 9, 10; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.