Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vano

Vano

[Heb.: ʼanafah].

Vano; vorona noraran’ny Lalàna tsy hohanin’ny Israelita

Vorona tsy azo nohanina, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 11:13, 19; De 14:12, 18) Misy milaza fa mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “miaina mafy” na angamba “misefosefo” toy ny rehefa tezitra, ny hoe ʼanafah (heb.). Misy ifandraisany amin’ny hoe ʼaf (heb.; “orona”), izay angamba ilazana ny vavan’ilay vorona kosa izy io, hoy ny sasany. Toa azo antsoina hoe ʼanafah ny vano isan-karazany (toy ny vanofotsy sy fiandrivoditatatra) anisan’ny fianakaviamben’ny Ardeidae, matoa ny Baiboly milaza hoe “ny karazana vano rehetra.” Lava maranitra ny vavan’izy rehetra, ary mankarenin-tsofina ny feon’ny sasany rehefa helingelenina na faly izy.

Vorondrano ny vano, ka tazana eny amin’ny honahona, heniheny, renirano, ary farihy. Lava ny tendany sy ny tongony, izay manify kely sy tsy misy volo. Lava koa ny rantsantongony, anisan’izany ilay rantsany aoriana lehibe. Manao dingan-dava izy mitady foza kely, biby mandady madinika, na sahona anaty rano. Mety hitsangana tsy mihetsika miandry trondro kely hanatona koa izy, ka mailaka erỳ ny vavany maranitra manatrobaka an’izay tratrany. Manampy azy hanidina moramora ny elany lehibe. Atsotrany mankany aoriana ny tongony ary ataony miforitra ny tendany rehefa manidina izy, ka lasa eo anelanelan’ny sorony ny lohany. Ny tenda sy tongotry ny vano misy sangany sy ny voronosy kosa samy mitsotra rehefa eny am-panidinana.

Misy vanokasira (Ardea cinerea) sy vano ngezabe (Ardea goliath) ary vanomena (Ardea purpurea) any Palestina. Mety hahatratra 1,5 m ny lavan’ireny, ary ahitana azy manodidina ny Ranomasin’i Galilia, amoron’i Jordana sy Kisona, ary eny amin’ny honahona sy morontsiraka.

Anisan’ny mahafatifaty sy tsara tarehy indrindra ny vanofotsy, izay fotsy ranoray matetika. Mirefy 50-90 sm ny lavany, ary fahita any Palestina izy io. Ny vorompotsy (Bubulcus ibis) kosa miaraka matetika amin’ny omby miraoka ahitra, ka mihinana an’izay bibikely hitany.

Vano botabota mivolontsôkôlà ny fiandrivoditatatra, izay fahita eny amin’ny honahona any Palestina. Tokotokony ho 75 sm ny lavan’ilay karazana fiandrivoditatatra any Eoropa sy Azia (Botaurus stellaris). Misy soritra mainty sy volontany ary fotsy ny volony, volontany misy tsipika volontsôkôlà ny kibony, ary maitso somary mavo ny tongony. Mitovy loko amin’ny honahona fonenany izy. Mitsangana tsy mihetsika àry izy rehefa tandindomin-doza, ary mitraka ka ataony manondro ambony ny vavany. Io paoziny io sy ny tsipika mijidina amin’ny vatany no mahatonga azy ho tsy mora tazana. Misy fiandrivoditatatra kely (Ixobrychus minutus) koa any Palestina. Mampiavaka ny fiandrivoditatatra ny feo migoboka avoakany rehefa mandrezatra izy sady miolanolana be ny lohany sy tendany.