Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vantotr’ombivavy

Vantotr’ombivavy

[Heb.: ʽeglah; gr.: damalis].

Ombivavy tanora mbola tsy niteraka.

Anisan’ny biby norasain’i Abrahama roa ny vantotr’ombivavy iray, rehefa nanao fifanekena taminy Andriamanitra. Nahita “fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra, nandalo teo anelanelan’ireo biby” izy avy eo.​—Ge 15:9-18.

Naloto izay Israelita nikasika fatin’olona na taolam-paty na fasana, na nankao amin’ny tranolay nisy faty. Tsy maintsy nanaraka fombafomba fidiovana àry izy, sao “haringana tsy ho eo amin’ny fiangonana.” Nalaina ny lavenon’ny ombivavy mena tsy nisy kilema sady mbola tsy nitondra zioga, ary nafangaro tamin’ny rano ka nafafy tamin’ilay olona. Nanamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo fotsiny anefa izany, hoy i Paoly, fa ny soron’i Jesosy Kristy, izay mifanitsy amin’izany, no tena manadio ny feon’ny fieritreretana.​—No 19:1-22; He 9:13, 14.

Nilaina koa ny vantotr’ombivavy rehefa nisy tanàna nivesatra trosan-dra, vokatry ny vonoan’olona nataon’olona tsy fantatra. Biby mbola tsy niasa no tokony halain’ny anti-panahin’ny tanàna akaiky indrindra an’ilay faty, ary niaraka taminy ny mpisorona sasany taranak’i Levy. Tokony hoveleziny eo amin’ny lohasaha falehan-driaka tsy misy voly nefa misy rano ny hatok’izy io. Hanasa tanana eo ambonin’ilay vantotr’ombivavy avy eo ireo anti-panahy, ary hiangavy an’Andriamanitra mba tsy hanameloka ny tanànany ho nandatsaka ran’ny tsy manan-tsiny. Hihaino ny fiangaviany Andriamanitra ka tsy hanameloka azy io. Nahoana no tsy novonoina hatao fanatitra noho ny ota ilay vantotr’ombivavy, fa ny hatony no novelezina? Satria tiana haseho hoe ilay biby no nosazina teo amin’ny toeran’ilay namono olona. Tsy midika anefa izany hoe voaonitra ny helok’ilay namono. Anjaran’i Jehovah Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra, kosa ny mitsara azy. Raha fantatra tatỳ aoriana hoe iza ilay olona, dia notakin’ny Lalàna ny hamonoana azy. Natao anefa ilay fombafomba tamin’ny vantotr’ombivavy mba ho fantatry ny rehetra izay nitranga, sy hanamorana ny fanatratrarana ilay namono olona.​—De 21:1-9; No 35:30-33.

Niadana sady nanana ny ampy i Ejipta ka toy ny “ombivavy kely tena tsara tarehy”, kanjo ho resy izy. (Je 46:20, 21) Faly erỳ koa ny Babylonianina rehefa nandresy an’ny Israely vahoakan’Andriamanitra, ka toy ny ombivavy kely nifalihavanja teo amin’ny ahi-maitso. (Je 50:11) Noharin’i Hosea tamin’ny vantotr’ombivavy efa voafolaka kosa i Efraima, na ny fanjakan’ny foko folo, tamin’izy nampianarin’Andriamanitra sy notahiny. Ampoky ny soa mantsy izy, toy ny biby niasa teny am-pamoloana navela hihinana ny vokatry ny asany, izay tsy dia tena mafy loatra.​—Ho 10:11; De 25:4.