Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vaovao Tsara

Vaovao Tsara

Vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny famonjena avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy izy io. Antsoina koa izy io hoe “ny vaovao tsaran’ilay fanjakana” (Mt 4:23), “ny vaovao tsaran’Andriamanitra” (Ro 15:16), “ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy” (Mr 1:1), “ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra” (As 20:24), “ny vaovao tsaran’ny fihavanana” (Ef 6:15), ary ny “vaovao tsara mandrakizay” (Ap 14:6).

Ny teny grika hoe eoaggeliôn no nadika hoe “vaovao tsara” (“filazantsara” ao amin’ny Prot. sy ny Baiboly hafa). Mpitory ny vaovao tsara kosa no dikan’ilay hoe “evanjelista” (Prot.), izay teny grika nogasina.​—As 21:8; 2Ti 4:5.

Ny votoatiny. Fantatsika ny votoatin’ilay vaovao tsara sy ny fielezany, rehefa jerena ireo fomba samihafa ilazan’ny Baiboly azy etsy aloha. Anisan’ny vaovao tsara ny fahamarinana rehetra noresahin’i Jesosy sy nosoratan’ny mpianany. Efa nanantena sy nino an’Andriamanitra ny olona fahiny nahalala Azy. Tsy “natao mazava tsara” anefa ny fikasan’Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, raha tsy “tamin’ny alalan’ny fisehoan’i Kristy Jesosy Mpamonjy antsika. Izy no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.”​—2Ti 1:9, 10.

Efa nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny vaovao tsara sy ny fomba nokasainy hanomezana azy io. Hoy izy: “Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra.” (Ga 3:8) Nilaza tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany koa i Jehovah fa hotorina ny vaovao tsara. Rehefa avy namaky an’ilay faminanian’i Isaia i Jesosy Kristy tao amin’ny synagogan’i Nazareta, dia hoy izy: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lk 4:16-21) Nohazavain’i Isaia ny zava-kendren’ilay vaovao tsara sy ny ho vokatr’izy io, indrindra fa nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Mesia.​—Is 61:1-3.

Ny fielezany. Hoy ny anjely iray tamin’ireo mpiandry ondry, rehefa teraka i Jesosy: “Aza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra.” (Lk 2:10) Nanomana ny lalana ho an’i Jesosy Kristy, izay hitory ny vaovao tsara, i Jaona Mpanao Batisa. Hoy àry izy tamin’ny Jiosy: “Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 3:1, 2) Hoy kosa i Jesosy momba ny fitorian’i Jaona: “Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona, ary mandrombaka azy izay misesika ho amin’izany.”​—Mt 11:12.

Ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ihany no nitorian’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy nirahina afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely aho.” (Mt 15:24) Nirahiny hitory koa ireo apostoly 12 ary nodidiany hoe: “Aza mandeha any amin’ny lalan’ny hafa firenena, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha.” (Mt 10:5, 6) Marina fa nitory tamin’ny vehivavy samaritanina (havan’ny Israelita ny Samaritanina) i Jesosy, indray mandeha. Tsy hoe hitory anefa no anton-diany tao amin’ilay tanànan-dravehivavy. Liana be anefa ilay vehivavy sy ny olona tao an-tanàna, ka nijanona roa andro tao i Jesosy.​—Jn 4:7-42.

Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Mt 28:19, 20) Nilaza koa izy fa hitory hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izy ireo. (As 1:8) Notarihin’ny fanahy masina hitory tamin’ny Jiosy sy ny Samaritanina anefa aloha ireo mpianatra, nandritra ny telo taona sy tapany teo ho eo taorian’izay. Avy eo i Petera vao nirahin’Andriamanitra hitory ny vaovao tsara tamin’i Kornelio, manamboninahitra romanina. (As toko 10, 11; 15:7) Nezahina notorina hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra ny vaovao tsara nanomboka hatreo.

Ny maha zava-dehibe azy io. Tena resy lahatra ny apostoly Paoly fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy no hamonjen’Andriamanitra ny olombelona. Nilaza tamin’ny Galatianina àry izy fa “ho voaozona” izay mitory sy mampianatra zavatra hafa ankoatra an’izay efa nianaran’izy ireo. Nohazavainy avy eo hoe avy tamin’iza ilay vaovao tsara notoriny. Hoy izy: “Tsy noraisiko avy tamin’olona izy io sady tsy nampianarina ahy, fa nahariharin’i Jesosy Kristy tamiko kosa.” (Ga 1:8, 11, 12) Voatery nilaza izany i Paoly satria nisy olona nitory ‘vaovao tsara hafa’, ka nitaona ny Kristianina handa ny tena finoana. (2Ko 11:4; Ga 1:6, 7) Nampitandrina izy fa hisy mpivadi-pinoana, ary nilaza fa efa niasa sahady ‘ilay zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna.’ Nampirisika ny Kristianina àry izy hahatsiaro ny zava-kendren’ilay vaovao tsara, sy hiorina mafy ary hihazona ny fampianarana nampitain’ireo apostoly notarihin’ny fanahy.​—2Te 2:3, 7, 14, 15; jereo FOMBAN-DRAZANA.

Nilaza i Jesosy fa zava-dehibe noho ny aina ny mitory foana ny vaovao tsara. Niaiky koa i Paoly fa ilaina ny tsy mitsahatra mitory azy io. (Mr 8:35; 1Ko 9:16; 2Ti 1:8) Mety hamoy ny zavatra tiany indrindra ilay mpitory ary mety henjehina mihitsy aza, kanefa hahazo ‘trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha’ avo zato heny izy dieny izao, “ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.”​—Mr 10:29, 30.

Arakaraka ny fandraisan’ny olona ny vaovao tsara no hitsarana azy: Ho voavonjy izay manaiky sy mankatò azy io, fa ho ringana kosa izay mandà sy tsy mankatò. (1Pe 4:5, 6, 17; 2Te 1:6-8) Tokony ho tsara àry ny antony manosika ny mpitory tsirairay hanambara ny vaovao tsara. Tokony hanao izany amin’ny fo izy, ary ho tia ny mpiara-belona aminy. Fantatr’ireo apostoly fa mamonjy aina ny vaovao tsara, ka narehitry ny fanahin’Andriamanitra sy be fitiavana izy ireo. Tsy ny vaovao tsara ihany àry no nomeny ho an’ny olona nitoriany, fa ny ‘ainy’ mihitsy koa. (1Te 2:8) Nilaza Andriamanitra fa zon’ny mpitory ny hahazo fanampiana avy amin’ireo olona itoriany. (1Ko 9:11-14) Tena sarobidy tamin’i Paoly sy ny namany anefa ny fitoriana ny vaovao tsara, ka nitandrina izy ireo tsy hanararaotra izany mba hahazoana tombony na hanao izay hahatonga ny olona hieritreritra hoe mpanararaotra izy ireo. Noresahin’i Paoly ny nataony, ao amin’ny 1 Korintianina 9:15-18 sy ny 1 Tesalonianina 2:6, 9.

Ny fahavalony. Nisy nanohitra mafy ny fielezan’ny vaovao tsara. Hoy i Paoly momba ny tena fahavalon’izy io: “Koa raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin’izay ho ringana izany no tsy mazava. Eo amin’izy ireny ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” (2Ko 4:3, 4) Ny mpitondra fivavahana jiosy no voalohany nanohitra ny vaovao tsara. Lasa nomena an’ilay “fampanantenana” ny hafa firenena vokatr’izany, ka “ho tafaray amin’i Kristy Jesosy” koa, “noho ny vaovao tsara.”​—Ro 11:25, 28; Ef 3:5, 6.

Nijaly be ny Kristianina noho ny nafitsok’ireo fahavalon’ny vaovao tsara. Tsy maintsy niady mafy teo anatrehan’ny mpitondra àry ireo apostoly, mba hiarovana ny vaovao tsara sy hanamafisana orina azy io araka ny lalàna, ka tsy hisy hanakantsakana loatra ny fielezany.​—Fi 1:7, 16; ampit. Mr 13:9-13; As 4:18-20; 5:27-29.

Ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany sy ny fiverenany. Nitory toy izao i Jaona Mpanao Batisa, enim-bolana teo ho eo talohan’ny batisan’i Jesosy: “Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Nantsoiny hoe “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jesosy. (Mt 3:1, 2; Jn 1:29) Nisarika ny sain’ny olona ho amin’ilay Mesia Mpanjaka efa nandrasana hatry ny ela àry izy.​—As 19:4.

Nitory i Jesosy sy ny mpianany hoe: “Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 4:17; 10:7) Hoy i Jesosy, izay voahosotra ho Kristy Mpanjaka, tamin’ireo Fariseo nanohitra azy: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lk 17:20, 21) Izany no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe rehefa maty izy, dia mbola nitory ihany ireo mpianany hoe “manakaiky” ilay Fanjakana. Izao kosa no vaovao tsara notorin’izy ireo: Niakatra tany an-danitra i Jesosy rehefa avy nanome ny ainy ho vidim-panavotana, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Nitory momba ny fiverenan’i Jesosy sy ny fahatongavan’ny Fanjakany koa izy ireo.​—He 10:12, 13; 2Ti 4:1; Ap 11:15; 12:10; 22:20; ampit. Lk 19:12, 15.

Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Nitanisa zavatra maromaro tsy maintsy hitranga i Jesosy. Nilaza izy, ohatra, hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mt 24:3, 14; Mr 13:10; ampit. Kl 1:23.) Nahazo fahitana ny apostoly Jaona tamin’ny taona 96 tany ho any. Nahita anjely “iray nanidina teny afovoan’ny lanitra” izy. “Nanana vaovao tsara mandrakizay [ilay anjely], dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary nanao tamin’ny feo mafy izy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.’” (Ap 14:6, 7) Hiely be àry ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny “andro farany.”