Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Varevaka

Varevaka

[Heb.: shahaf].

Anisan’ny vorona mpihaza na mpihinana fatim-biby noraran’ny lalàn’Andriamanitra tsy hohanin’ny Israelita.​—Le 11:13, 16; De 14:12, 15.

Misy Baiboly (JM) mandika an’ilay shahaf (heb.) hoe “toloho.” Ny ankamaroany anefa nandika azy io hoe varevaka an-dranomasina. (Jereo TAONTAONKAFA.) Avy amin’ny fototeny midika hoe “manify, na matsoraka” izy io, hoy ny mpanao diksionera sasany. Manifinify tokoa ny varevaka, ary matsoraka ny vatany raha oharina amin’ny elany lava izay maranitra ny tendrony. Ny hafa indray milaza fa mitovy amin’ny feo maranitr’io vorona mpitabataba io ny fanononana ny hoe shahaf. Nadikan’ny Baiboly tranainy (LXX, Vg) koa hoe varevaka an-dranomasina ny hoe shahaf. Mety ho anarana iombonan’ireo vorona hoatran’ny varevaka izay manana tongotra toy ny an’ny ganagana izy io, ka anisan’izany ny samby, samby manana vava toy ny hety, ary vorondreky.

Matanjaka ny elatry ny varevaka, izay anisan’ny fianakaviamben’ny Laridae. Mahay rano koa izy, ary miala sasatra sy matory eny ambony rano mihitsy aza. Mikopak’elatra, misidina avo, mihodinkodina, ary misosa midina izy rehefa hisambotra trondro, bibikely, ary taovan-kena sy fakofako (toy ny manao ny asan’ny mpaka fakon’ny seranana). Entin’ny varevaka mivolombolafotsy manidina ny betsimitsitekiteky sy sifodranomasina, avy eo alatsany eny amin’ny harambato mba ho vaky. Hohaniny ny ao anatiny avy eo. Mahavariana fa madio ny varevaka, na dia tia mihinana fatim-biby aza.

Misy varevaka mivolombolafotsy (Larus argentatus), sy varevaka samihafa mainty loha (Larus ridibundus), ary karazany maro hafa any Palestina eny amoron’i Mediterane sy manodidina ny Ranomasin’i Galilia. Fotsy izy ireny mazàna, fa mety hiloko volondavenona kosa ny lamosiny sy ny elany (tapany ambony). Mafy sy somary mifaingoka ny vavany. Manao andiany izy ireny matetika, ary eny amin’ny harambato sy eny amoron-tsiraka ny akaniny. Mitovy habe amin’ny voromailala izy, nefa misy koa mirefy 76 sm eo ho eo ny lavany, ary mety ho 1,5 m ny elany raha mivelatra. Tsy mipetrapetraka sy toa tsy mety reraka ny varevaka, satria afa-manidina foana na dia misy tafiotra aza. Betsaka sy mifanaingina ny volon’elany (mety ho 6544 ny an’ny varevaka lehibe iray), ka mafana sy maina foana ny vatany, na dia mijanona ela anaty rano aza.

Betsaka samby, anisan’ny fianakaviamben’ny Sternidae, koa eny amoron-tsirak’i Palestina. Manify noho ny an’ny varevaka ny vatany, ary tsy mpihinana fatim-biby izy. Misampana roa ny rambony, ary lava manify kokoa noho ny an’ny varevaka ny tendron’ny elany. Fotsy ny ankamaroan’ny samby, fa mainty na mivolondavenona ny lohany. Trondro kely no fihinany. Misidintsidina ambony rano àry izy, avy eo mitsoraka haingana ka ny vavany lava manify no isamborany ny hazany. Ny samby no vorona mpifindra monina mandeha lavitra indrindra. Mahavita 35 400 km isan-taona, ohatra, ny samby avy any amin’ny Tendrontany Avaratra (Sterna paradisaea). Misy koa anefa tia morontsiraka mafana kokoa. Haingana sy mahafinaritra toy ny an’ny sidintsidina ny fanidiny.

Vorona masina toy ny hitsikitsika lehibe sy voronosy ny varevaka, tamin’ny Ejipsianina fahiny.