Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vata Misy ny Fifanekena

Vata Misy ny Fifanekena

Vata masina tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay masina sy ny tempolin’i Solomona. Nandidy ny hanaovana azy io araka ny modely nomeny i Jehovah.

Maherin’ny 20 ny anarana iantsoan’ny Baiboly an’ilay Vata, fa ireto no tena mahazatra: “Ny Vata misy ny fifanekena [heb.: ʼarôhn habberit; gr.: kibôtôs tes diatekes]” (Js 3:6; He 9:4) sy “ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona” (Ek 25:22). Azo ampifamadihana ireo anarana ireo, ary tsy misy hoe ny iray no tena fampiasa kokoa.

Drafitra sy modely. Ny drafitra sy ny modelin’ilay Vata no nomen’i Jehovah an’i Mosesy aloha, rehefa nasainy nanorina ny tranolay masina izy. Ilay Vata mantsy no zava-dehibe indrindra tao amin’ilay tranolay sy ny tobin’ny Israely. Nirefy 2,5 hakiho ny lavany, 1,5 hakiho ny sakany, ary 1,5 hakiho ny haavony (111 x 67 x 67 sm teo ho eo). Vita tamin’ny hazo akasia ilay izy, ary nopetahana takela-bolamena tsy misy fangarony ny atiny sy ivelany. Nisy “sisiny volamena” natao haingony tsara tarehy “manaraka ny molony.” Volamena ranofotsiny fa tsy hazo nopetahana takela-bolamena ny sarony, izay mitovy amin’ny an’ilay Vata ny lavany sy ny sakany. Nisy kerobima volamena roa notefena tamin’ny marotoa teo amin’ny sisiny roa tamin’ilay sarony. Nifanatrika izy ireo sady niondrika, ary nivelatra niakatra teo ambonin’ilay Vata ny elany. (Ek 25:10, 11, 17-22; 37:6-9) Nantsoina koa hoe “sarony fampihavanana” ilay sarony.​—1Ta 28:11; He 9:5; jereo SARONY FAMPIHAVANANA.

Bao no nilanjana an’ilay Vata. Vita tamin’ny hazo akasia ireo bao, nopetahana takela-bolamena, ary natsofoka tao amin’ireo tahony boribory volamena teo amin’ny lafiny roa tamin’ilay Vata. Samy nisy tahony roa ny lafiny tsirairay. Tsy tokony hotsoahana eo amin’ny tahony ireo bao, ka tsy nila nikasika an’ilay Vata mihitsy ireo nitondra azy. Nisy tongony efatra “somary miforitra toy ny hoe mandeha” teo amin’ny zoron’ilay Vata, saingy tsy fantatra ny haavony. (Fanazavana ny Testamenta Taloha, nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch, 1973, Boky 1, Ny Boky Faharoan’i Mosesy, p. 167) Mety ho teo ambony kelin’ny tongotr’ilay Vata ireo tahony, na teo amin’ireo tongony mihitsy.​—Ek 25:12-16; No 4:5, 15; 1Mp 8:8; 1Ta 15:15.

Fitokanana sy fampiasana azy. Ireo fanomezana nomen’ny vahoaka no nanaovan’i Bezalila sy ireo nanan-talenta an’ilay Vata. Narahin’izy ireo tsara koa ilay modely nomena. (Ek 35:5, 7, 10, 12; 37:1-9) Nataon’i Mosesy tao anatin’ilay Vata ny takela-bato roa nisy ny Lalàna rehefa voatsangana sy notokanana ny tranolay masina, herintaona taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (Resahin’ny Deoteronomia 10:1-5 fa natao tao amin’ny vata hafa vita tamin’ny hazo akasia ireo takela-bato nomena an’i Mosesy teny an-tendrombohitra, mandra-pahavitan’ilay Vata nataon’i Bezalila volana vitsivitsy tatỳ aoriana.) Natsofony tao amin’ny tahon’ilay Vata ireo bao, nosaronany ilay Vata, nentiny tao amin’ny tranolay, ary napetany ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra. Nohosorany menaka avy eo ilay Vata sy ny fitaovana rehetra, nandritra ilay fitokanana. Nosaronana an’ilay ridao sy hoditra faoky ary lamba manga ilay Vata, isaky ny noravan’ny mpisorona ny tranolay masina rehefa hiainga ny toby. Tsy tokony ho hitan’ny vahoaka mantsy izy io, “na dia indray mipy maso aza, sao ho faty” izy ireo.​—Ek 40:3, 9, 20, 21; No 3:30, 31; 4:5, 6, 19, 20; 7:9; De 10:8; 31:9; jereo TRANOLAY MASINA.

Fitehirizana zava-masina mampahatsiahy zava-nitranga niavaka ilay Vata, ka ireo takela-bato roa misy ny tenin’ny vavolombelona na ny Didy Folo no tena tao foana. (Ek 25:16) Natao tao koa “ny siny volamena nisy ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka”, saingy nesorina tao talohan’ny nanorenana ny tempolin’i Solomona. (He 9:4; Ek 16:32-34; No 17:10; 1Mp 8:9; 2Ta 5:10) Nomen’i Mosesy an’ireo Levita mpisorona ny “boky misy ny Lalàna”, taloha kelin’ny nahafatesany. Tsy nasainy natao tao amin’ilay Vata anefa izy io, fa ‘teo anilan’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitra, ho vavolombelona eo hiampanga azy ireo.’​—De 31:24-26.

Nanatrika teo Andriamanitra. Nanatrika teo amin’ilay Vata foana i Jehovah. Hoy mantsy izy: “Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho, eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona.” ‘Ao anaty rahona no hisehoako eo ambonin’ilay sarony.’ (Ek 25:22; Le 16:2) “Mipetraka eo amin’ny kerobima” i Jehovah, hoy i Samoela. (1Sa 4:4) ‘Sary mampiseho ny kalesin’i’ Jehovah àry ireo kerobima. (1Ta 28:18) “Isaky ny niditra tao amin’ny tranolay fihaonana mba hiresaka tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia nandre an’ilay feo niresaka taminy avy teo ambonin’ny saron’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, avy teo anelanelan’ny kerobima roa. Ary niresaka taminy Andriamanitra.” (No 7:89) Nanontany an’i Jehovah teo anoloan’ilay Vata koa i Josoa sy Finehasa Mpisoronabe, tatỳ aoriana. (Js 7:6-10; Mpts 20:27, 28) Ny mpisoronabe ihany anefa no niditra tao amin’ny Masina Indrindra sy nahita an’ilay Vata, indray mandeha isan-taona, mba hanao fandrakofam-pahotana fa tsy hiresaka amin’i Jehovah akory.​—Le 16:2, 3, 13, 15, 17; He 9:7.

Nitondra fitahiana ho an’ny Israely ny fanatrehan’i Jehovah teo amin’ilay Vata. Nitari-dalana azy ireo mantsy ilay Vata sy ilay rahona teo amboniny, isaky ny nifindra toby izy ireo. (No 10:33, 34) Nataon’i Jehovah nijanona tsy nikoriana ny Reniranon’i Jordana raha vao niroboka tao ireo mpisorona nilanja an’ilay Vata, ka afaka niampita ny Israely. (Js 3:1–4:18) Rehefa nihodidina an’i Jeriko izy ireo, dia teo aloha ny tafika voaomana hiady, narahin’ny mpisorona fito nitsoka anjombona, ny Vata, ary ny vodilaharana mpiaro. Nandresy ireo Israelita tamin’izay. (Js 6:3-13) Resy kosa ireo mpikomy sahisahy ratsy nanafika ny Tany Nampanantenaina, satria efa noraran’Andriamanitra ary ‘tsy niala teo an-toby i Mosesy sy ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.’ (No 14:44, 45) Na ireo Filistinina aza niaiky fa nanatrika teo amin’ilay Vata i Jehovah rehefa nentina tany an’ady izy io. Raiki-tahotra izy ireo, ka nilaza hoe: “Tonga ao [an-tobin’ny Israely] Andriamanitra!” “Hahita loza isika, fa mbola tsy nisy toy izao mihitsy hatramin’izay! Hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan’izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an’i Ejipta tamin’ny fandripahana isan-karazany tany an-tany efitra.”​—1Sa 4:6-8.

Mbola nanatrika teo amin’ilay Vata foana i Jehovah, na dia azon’ny Filistinina aza ilay izy ary napetrany teo akaikin’ny sarivongan’i Dagona tao Asdoda. Nianjera nihohoka tamin’ny tany i Dagona ny alin’iny. Nianjera teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah indray izy ny ampitson’iny, sady tapaka ny lohany sy ny felatanany roa. Navezivezy fito volana tany Filistia ilay Vata taorian’izay, ka voan’ny hemoroida ny mponina tany. “Nisahotaka [koa] ny olona” tao Ekrona, “ka maro no maty.” Farany, naterina tany Israely ilay Vata niaraka tamin’ny fanatitra.​—1Sa 5:1–6:12.

Tokony hohajaina sy hoheverina ho sarobidy ilay Vata satria nanatrika teo amin’izy io i Jehovah. Nidera an’i Jehovah àry i Mosesy, isaky ny niainga na nijanona izy io. (No 10:35, 36) Taitra be i Ely Mpisoronabe nahare hoe lasan’ny Filistinina izy io, ka nianjera sy nidaboka nankany aoriana izy ary tapaka ny vozony. Nitaraina toy izao ny vinantovaviny rehefa ho faty: “Niala tamin’ny Israely ho any an-tsesitany ny voninahitra, fa lasa babo ny Vata masin’Andriamanitra.” (1Sa 4:18-22) Niaiky i Solomona Mpanjaka fa “masina ny toerana nidiran’ny Vata masin’i Jehovah.”​—2Ta 8:11.

Tsy ody fiaro. Tsy ody fiaro akory ilay Vata, ka hoe nahomby daholo izay natao rehefa teo izy io. Nila nifandray tsara tamin’i Jehovah sy nankatò azy ary tsy nivadika taminy ireo nanana an’ilay Vata, vao notahiny. Resy tao Ay, ohatra, ny Israelita tamin’ny andron’i Josoa satria nivadika tamin’i Jehovah, na dia tao an-toby aza ilay Vata. (Js 7:1-6) Nentin’ny Israelita tany an’ady ilay Vata, nefa mbola nahafaty 30 000 ihany ny Filistinina ary lasany babo ilay Vata. (1Sa 4:1-11) Rehefa naverin’izy ireo ilay izy, dia faly be ny Israelita ka nanolotra sorona sy fisaorana. “Namely ny olona [anefa] i Jehovah ka be dia be no maty”, satria nodikain’izy ireo ny didiny rehefa “nojerijeren’izy ireo ny Vata masin’i Jehovah.” (1Sa 6:11-21; No 4:6, 20) Tsy fantatra hoe firy marina no maty tamin’izay. Hoy ny soratra nataon’ny Masoreta: “Koa namono olona fitopolo​—sy dimy alina​—teo amin’ny vahoaka izy.” Mety ho natsofoka tatỳ aoriana ilay hoe “sy dimy alina.” Ny Peshitta syriàka sy ny dikan-teny arabo kosa milaza fa “olona fitopolo sy dimy arivo” no novonoina. Hoy ny Targoman’i Jonatana: “Ary namono olona fitopolo teo amin’ny anti-panahin’ny vahoaka izy, ary dimy alina teo amin’ny fiangonana.” Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo indray milaza fa “olona fitopolo teo amin’izy ireo, sy olona dimy alina” no novonoina. I Josèphe kosa nilaza fa fitopolo monja no novonoina.​—Rakitry ny Ela Jiosy, VI, 16 (i, 4).

Toerana nisy azy. Niovaova ny toerana nisy an’ilay Vata mandra-pahavitan’ny tempolin’i Solomona. Nafindra tao Silo izy io rehefa azon’ny Israelita ny ampahany lehibe tamin’ny tany Kanana (t. 1467 T.K.), ary toa nijanona tao (afa-tsy tamin’izy io tao Betela) mandra-pahalasan’ny Filistinina azy. (Js 18:1; Mpts 20:26, 27; 1Sa 3:3; 6:1) Rehefa tafaverina tany Israely ilay Vata, dia natao tao Beti-semesy ary najanona 70 taona teo ho eo tao Kiriata-jearima.​—1Sa 6:11-14; 7:1, 2; 1Ta 13:5, 6.

Milaza ny 1 Samoela 14:18, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa nasain’i Saoly Mpanjaka nentin’i Ahia Mpisoronabe tao an-toby ilay Vata, tamin’izy niady tamin’ny Filistinina. Hoy anefa i Saoly tamin’i Ahia, araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: “Ento etỳ ny efoda! (Nitondra ny efoda teo anatrehan’ny Israely mantsy izy tamin’izany andro izany.).”

Tsara ny fanirian’i Davida hitondra an’ilay Vata tany Jerosalema, saingy nitera-doza ny fomba nitondrany azy. Tsy nasainy nolanjain’ny Levita Kehatita tamin’ny bao mantsy ilay izy (nefa izay ny toromarika), fa nentina teo ambony sarety ka saika nazeran’ny omby. Nanatsotra ny tanany hihazona an’ilay Vata àry i Oza, ka novonoin’i Jehovah izy satria nandika ny lalàny.​—2Sa 6:2-11; 1Ta 13:1-11; 15:13; No 4:15.

Nasaina nolanjain’ny Levita ilay Vata tatỳ aoriana ka tonga tany Jerosalema ihany. (1Ta 15:2, 15) Napetraka tao amin’ny tranolay izy io mandra-pifaran’ny fanjakan’i Davida. (2Sa 6:12-19; 11:11) Saika nentin’ny mpisorona ilay Vata tamin’izy ireo nandositra an’i Absaloma mpikomy, fa tsy nety i Davida. Nasainy navela tao Jerosalema izy io, satria natoky izy fa hampodian’i Jehovah soa aman-tsara ao izy ireo. (2Sa 15:24, 25, 29; 1Mp 2:26) Te hanorina trano hasiana an’ilay Vata i Davida, saingy nilaza i Jehovah fa amin’ny andron’i Solomona vao haorina ilay izy. (2Sa 7:2-13; 1Mp 8:20, 21; 1Ta 28:2, 6; 2Ta 1:4) Nalaina tao amin’ilay tranolay tao Ziona ilay Vata rehefa notokanana ny tempolin’i Solomona teo an-tendrombohitra Moria, ary nafindra tao amin’ny Masina Indrindra, teo ambany elatry ny kerobima roa lehibe. Io irery no fanaka tao amin’ny tranolay masina nentina tao amin’ilay tempoly.​—1Mp 6:19; 8:1-11; 1Ta 22:19; 2Ta 5:2-10; 6:10, 11; jereo TEMPOLY (Tempolin’i Solomona); KEROBIMA.

Ny 2 Tantara 35:3 no hany miresaka momba an’ilay Vata, taorian’ny tantaran’i Solomona. Nasain’i Josia Mpanjaka naverina tao amin’ny tempoly izy io tamin’ny 642 T.K., efa ho 900 taona taorian’ny nahavitan’izy io. Tsy hay hoe nahoana ilay Vata no tsy tao. Mety ho ny iray tamin’ireo mpanjaka nivadi-pinoana nodimbiasan’i Josia no nanala azy io tao (ny iray aza nametraka sary sokitra tao an-tranon’i Jehovah mihitsy). (2Ta 33:1, 2, 7) Na mety ho nesorina tao amin’ny tempoly koa izy io sao simba, satria nisy fanamboarana be nataon’i Josia tao. (2Ta 34:8–35:19) Tsy misy firesahana hoe anisan’ireo fanaky ny tempoly nentina tany Babylona ilay Vata, na hoe nentina niverina sy napetraka tao amin’ny tempoly naorin’i Zerobabela izy io, na hoe nosoloana. Tsy fantatra àry hoe oviana ilay Vata no nanjavona, ary tamin’ny fomba ahoana.​—2Mp 25:13-17; 2Ta 36:18; Ezr 1:7-11; 7:12-19.

Naminany i Jeremia fa tsy ho eo intsony ilay Vata misy ny fifanekena, nefa tsy hanembona azy io ny mpanompon’i Jehovah ary tsy hiharan-doza. ‘I Jerosalema [kosa] no hantsoina hoe ny seza fiandrianan’i Jehovah.’​—Je 3:16, 17.

Nilaza i Jaona ao amin’ny Apokalypsy fa “tazana tao [amin’ny toerana masin’ny tempoly tany an-danitra] ilay Vata misy ny fifanekena.” Misy ifandraisany amin’ny fifanekena vaovao nataon’Andriamanitra tamin’ny olona ilay Vata, ary porofo fa manjaka indray amin’ny alalan’ilay Voahosony i Jehovah.​—Ap 11:15, 19.