Vatana
Ny tenan’ny olona na biby. Geviyah no teny hebreo nadika hoe vatana na tena. Mety ho vatana velona (Ge 47:18) izy io na maty. (1Sa 31:10; Sl 110:6) Nadika hoe ‘faty’ (Le 5:2; De 14:8; Is 26:19) ny teny hebreo hoe nevelah, izay avy amin’ny matoanteny fototeny hoe navel. (“malazo”, Sl 1:3) Ampiasaina hilazana ny vatana manontolo koa ny teny hebreo hoe basar, izay midika hoe nofo. (Ampit. Sl 16:9; jereo NOFO, HENA.) Sôma no teny grika adika matetika hoe ‘vatana.’ (Mt 5:29) Manondro ny vatana koa ilay teny grika hoe krôs, izay hita ao amin’ilay hoe “teny aminy” [a.b.t.: teny an-kodiny], ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:12. “Faty” no dikan’ilay teny grika hoe ptôma, izay avy amin’ny matoanteny fototeny hoe piptô (lavo). (Mt 14:12) Misy karazam-batana samihafa ary samy hafa koa ny karaza-nofon’izy ireny, fa samy manana fofonaina daholo izy rehetra.—1Ko 15:39; Jk 2:26; Ge 7:22; jereo ZAVAMANANAINA.
Vatana ara-panahy. Misy ny vatana ara-nofo, hita maso sy azo tsapain-tanana. Misy koa ny vatana ara-panahy, tsy hitan’ny maso sy tena tsy azo tsapaina. (1Ko 15:44) Fanahy Andriamanitra sy Kristy ary ny anjely, ka be voninahitra ny vatan’izy ireo. “Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy.” (1Jn 4:12) Tsy misy olona afaka mahita an’Andriamanitra ka mbola ho velona ihany. (Ek 33:20) Nahita kely ny voninahitr’i Jesosy Kristy ny apostoly Paoly taorian’ny nitsanganan’i Jesosy. Lavo tamin’ny tany i Paoly ka lasa jamba noho ilay hazavana, ary tsy afaka nahita indray raha tsy nisy fahagagana. (As 9:3-5, 17, 18; 26:13, 14) Tena mahery lavitra noho ny olona koa ny anjely. (2Pe 2:11) Be voninahitra sy manjelanjelatra izy ireny, ary efa nisy fotoana nisehoany toy izany. (Mt 28:2-4; Lk 2:9) Afaka mahita sady mahatanty ny famirapiratan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ireny zanak’Andriamanitra ireny.—Lk 1:19.
Toy ny olona no ilazan’Andriamanitra ny tenany mba hanampiana antsika hahatakatra ny momba azy, satria tsy afaka mahita azy isika. Lazain’ny Baiboly, ohatra, hoe manana maso izy (Sl 34:15; He 4:13), sady manana sandry (Jb 40:9; Jn 12:38), tongotra (Sl 18:9; Za 14:4), fo (Ge 8:21; Oh 27:11), tanana (Ek 3:20; Ro 10:21), rantsantanana (Ek 31:18; Lk 11:20), orona sy vavorona (Ezk 8:17; Ek 15:8), ary sofina (2Ta 6:40; Sl 10:17). Tsy hoe manana taova toy ny antsika anefa i Jehovah. Hoy ny apostoly Jaona tamin’ireo hiara-mandova aminy an’ilay fiainana any an-danitra: “Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho hoe hanao ahoana moa isika. Izao no fantatsika: Ho tahaka azy isika rehefa haseho izy, satria ho hitantsika hoe manao ahoana izy.” (1Jn 3:2) Hahazo vatana toa an’ilay ‘vatana be voninahitra’ ananan’i Kristy izy ireo. (Fi 3:21) “Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” sady “taratry ny voninahiny” mantsy i Jesosy, ary “mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy.” (Kl 1:15; He 1:3) Hahazo vatana tsy mety lo sy tsy mety maty koa àry izy ireo, ka hiavaka amin’ny anjely amin’ny ankapobeny sy amin’ny olombelona izay samy mety maty.—1Ko 15:53; 1Ti 1:17; 6:16; Mr 1:23, 24; He 2:14.
Vatana ara-nofo nananan’i Kristy. Notoloran’i Jesosy mofo tsy misy lalivay ireo apostoly 11 tsy nivadika, rehefa nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo. Hoy izy: “Ity no vatako izay homena ho anareo.” (Lk 22:19) Hoy ny apostoly Petera tatỳ aoriana: “Izy [Jesosy] no nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo.”—1Pe 2:24; He 10:10; jereo SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO.
Tsy maintsy ho tena vatan’olombelona, fa tsy fanahy nitafy nofo, ny vatan’i Jesosy matoa izy lazaina hoe “Adama farany” (1Ko 15:45) sy “vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.” (1Ti 2:5, 6; Mt 20:28) Tsy maintsy ho vatana lavorary koa ny vatany, mba ho azo atao sorona ho vidim-panavotana atolotra an’i Jehovah Andriamanitra. (1Pe 1:18, 19; He 9:14) Tsy lavorary daholo ny olona ka tsy misy afaka manome an’io vidim-panavotana io. (Sl 49:7-9) Rehefa niseho mba hatao batisa àry i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny Rainy: “Nanomana vatana ho ahy ianao.” Tsy maintsy hiafara amin’ny fanaovana sorona ny ainy mantsy ny fiainany.—He 10:5.
Tsy navela ho lo sy ho lasa vovoka ny vatan’i Jesosy Kristy rehefa maty izy. Tsy mba toy izany kosa ny vatan’i Mosesy sy Davida, na dia nisy zavatra maro aza nitovizan’i Kristy tamin’izy ireo. (De 34:5, 6; As 13:35, 36; 2:27, 31) Efa nanjavona ny fatin’i Jesosy rehefa nankany am-pasana vao maraina ny mpianany, tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro. Ny fehim-paty namonosana ny vatany sisa no tao am-pasana. Azo antoka fa mbola tsy lo mihitsy ny vatany dia efa nofoanana tanteraka.—Jn 20:2-9; Lk 24:3-6.
Niseho tamin’ny olona tamin’ny vatana samy hafa i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Noheverin’i Maria fa mpanao zaridaina, ohatra, izy. (Jn 20:14, 15) Niditra tao amin’ny trano iray nihidy koa izy, ary niseho tamin’ny mpianany. Nisy mariky ny ratra ny vatany tamin’izay. (Jn 20:24-29) Imbetsaka izy no niseho tamin’ny mpianany ary fantatr’izy ireo tamin’ny zavatra nolazainy sy nataony izy, fa tsy tamin’ny paoziny. (Lk 24:15, 16, 30, 31, 36-45; Mt 28:16-18) Indray mandeha kosa, dia ny fahagagana nasainy natao no nahafantaran’ny mpianany azy. (Jn 21:4-7, 12) Marina fa fanahy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty (1Pe 3:18), nefa afaka nitafy nofo izy indraindray toy ny nataon’ireo anjely fahiny rehefa nirahina izy ireo ka niseho tamin’ny olona. (Ge 18:2; 19:1, 12; Js 5:13, 14; Mpts 13:3, 6; He 13:2) Talohan’ny Safodrano, dia nitafy nofo sy naka vady olombelona “ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy.” Tsy tena olombelona ireny anjely ireny fa nitafy nofo fotsiny, matoa izy ireny tsy ringana tamin’ny Safodrano fa niverina ho anjely indray ary nankany an-danitra.—Jd 6; Ge 6:4; 1Pe 3:19, 20; 2Pe 2:4.
Heviny an’ohatra. Voalaza fa i Jesosy Kristy no Lohan’ny “fiangonana, izay tsy inona fa ny vatany.” (Ef 1:22, 23; Kl 1:18) Tsy nisara-bazana ireo Kristianina anisan’io fiangonana io, na dia samy hafa foko sy firenena aza, ary na dia nisy zavatra hafa tsy nitovizany aza. Nisy Jiosy sy olona avy tamin’ny firenena rehetra mantsy anisan’ilay fiangonana. (Ga 3:28; Ef 2:16; 4:4) Ny fanahy masina no nanaovana batisa azy rehetra ho amin’i Kristy sy ho amin’ny fahafatesan’i Kristy. Natao batisa mba ho vatana iray ihany àry izy rehetra. (1Ko 12:13) Noho izany, dia manaraka ny loha ny vatana manontolo, ka mitovy amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ilay loha ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ilay vatana.—Ro 6:3-5; jereo BATISA (Batisa ho amin’i Kristy Jesosy, sy ho amin’ny fahafatesany).
Ny fiasan’ny vatan’olombelona no nanoharan’ny apostoly Paoly ny fiasan’ny fiangonana kristianina. Ireo Kristianina anisan’ilay fiangonana, ka mbola eto an-tany, hoy izy, no vatana ary i Kristy no Loha tsy hita maso. (Ro 12:4, 5; 1Ko 12) Nasongadiny fa samy manana ny anjara asany ny rantsambatana tsirairay, nefa mifampiankina sy mifankatia, mifampiahy ary miara-miasa. Andriamanitra no nanome ny anjara asan’ny tsirairay anisan’ilay vatana. Samy hafa ny fomba fiasan’ny fanahy masina eo amin’izy ireo, ka mahavita an’izay asa tokony hatao ilay vatana. I Jesosy Kristy no Loha sady rantsana mampifandray foana an’ireo rantsambatana anisan’ilay vatana. Izy no manome izay ilain’ireo rantsambatana, ary “ny tonon-taolana sy hozatra” no ampiasainy mba hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny rantsambatana rehetra, sy mba hifandraisana amin’izy ireo, ary mba hampirindra tsara azy ireo. Amin’izay dia ho ampy sakafo ara-panahy tsara “ny vatana”, ary hahalala an’izay asa tokony hataony ny rantsambatana tsirairay.—Kl 2:19; Ef 4:16.
Mila karakaraina tsara. Tokony hankasitraka ny vatana nomen’Andriamanitra azy ny Kristianina, ka ho tia sy hikarakara tsara azy io mba ho afaka hampiasa azy io amin’ny fanompoana masina sy ankasitrahan’Andriamanitra. (Ro 12:1) Mila mampiasa ny sainy izy amin’izany, sady mikarakara an’io vatana io, ka misakafo sy manome izay ilain’ny vatany, ary koa miezaka hadio. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Tokony hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ny Kristianina, ary ho tsara fitondran-tena foana. (Mt 6:25, 31-33; Kl 2:20-23; 3:5) Hoy i Paoly: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena [na fampiasana vatana], fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra, satria izy io no misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy.”—1Ti 4:8.
Raha mijangajanga ny Kristianina voahosotra anisan’ny fiangonana na vatan’i Kristy, dia toy ny hoe alainy ny rantsambatan’i Kristy ary ataony rantsambatan’ny mpivaro-tena. Mandoto ny fiangonana izy sady “manota amin’ny vatany [ara-nofo] ihany.” Mitady loza izy satria mety ho voaroaka tsy ho anisan’ny vatan’i Kristy ary mety ho voan’ny aretina maharikoriko. (1Ko 6:13, 15-20; Oh 7:1-27) Mety ‘hanolotra azy ho an’i Satana’ koa ny fiangonana mba “handringanana ny nofo.”—1Ko 5:5.
Na ny Kristianina nateraky ny fanahy, anisan’ny vatan’i Kristy, na ny Kristianina hafa nanokan-tena ho an’Andriamanitra miaraka amin’izy ireo, dia samy tokony hifady ny fijangajangana, na ara-bakiteny izany na ara-panahy. “Mpanitsakitsa-bady” mantsy no ilazan’ny Baiboly an’izay minamana amin’izao tontolo izao. (Jk 4:4) Hoy i Jesosy momba ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jn 17:16) Tena iezahan’i Jesosy mba hadio fitondran-tena sy hanaraka fivavahana madio foana àry ireo anisan’ny vatany. (Ef 5:26, 27) Voalaza fa “efa voasasa tamin’ny rano madio” ny vatan’izy ireo. (He 10:22) Hoy i Paoly: “Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana, satria anisan’ny vatany isika. ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.’ Lehibe izany zava-miafina masina izany. I Kristy sy ny fiangonana izany lazaiko izany.”—Ef 5:28-32.
Jereo ireo lahatsoratra momba ny rantsambatana tsirairay.