Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vato

Vato

Fitaovam-panorenana be mpampiasa. Mafy sy mateza ny vato ka tena nanampy an’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany, mba hahafantarany momba ny tantara. Nampiasa vato ny Ejipsianina, ny Asyrianina, ary ny firenen-kafa mba hanorenana tempoly, lapa, tsangambato, ary trano hafa. Nasian’izy ireo sary sy soratra ny maro tamin’ireny, mba hitantarana ny zava-nitranga sy ny fandresena azony ary ny fomba fanao taloha. Nanjary fantatra àry ny tantaran’ireny firenena ireny sy ny fiaimpiainan’ny olona tany. Nampiasa vato koa ve ny Hebreo? Tena nampiasa be izy ireo rehefa nanao trano (Le 14:40, 41), manda (Ne 4:3; Oh 24:31), alitara (Ek 20:25), vato fikosoham-bary (Mpts 9:53), sinibe (Jn 2:6), vatomizana (Oh 16:11), sarona lavadrano sy lava-bato ary fasana (Ge 29:8; Js 10:18; Jn 11:38), ary koa zavatra hafa maro. Tsy nanao tsangambato nisy sary sokitra, toy ny fanaon’ny firenena mpanompo sampy, ny Hebreo. Tsy fantatra firy àry ny paozipaozin’izy ireo, sy ny fomba fiakanjony, ary ny toy izany. Ny Baiboly kosa, fa tsy ny vato rakitry ny ela any amin’ny firenen-kafa, no tena ahafantarana momba ny firenen’Israely sy ny fomba fiainan’izy ireo ary ny toetrany.

Ny asan’ny mpipai-bato no asa tanana lasa lavitra indrindra, tamin’izany. (2Sa 5:11; 1Mp 5:18) Vato efa voapaika no nanaovana ny tempolin’i Solomona tany Jerosalema, ka tsy nila namboarina intsony ireny vato ireny fa tonga dia narafitra teo amin’ilay toeram-panorenana.​—1Mp 6:7.

Heviny an’ohatra. Oharina amin’ny tempoly ny Kristianina voahosotra rehetra eto an-tany, ary i Jesosy Kristy no ‘vato fehizoron’izy io.’ (Jereo VATO FEHIZORO.) ‘Vato velona aorina ho trano ara-panahy’, eo ambonin’io “vato fehizoro” io, ny Kristianina voahosotry ny fanahy. Azo lazaina hoe “mpanao trano” ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nolavin’izy ireo anefa ilay “vato fehizoro lehibe indrindra”, izany hoe i Jesosy. Nanjary ‘vato nahatafintohina’ azy ireo àry izy, noho izy ireo tsy nankatò ny Tenin’Andriamanitra.​—Ef 2:19-22; 1Pe 2:4-8; Mt 21:42; Mr 12:10; Lk 20:17; Ro 9:32, 33.

Nampitovina tamin’ny “vato nendahana, nefa tsy nendahan-tanana”, ny Fanjakan’Andriamanitra. Io vato io no hanorotoro sy hanafoana an’ireo fanjakana naseho an’ohatra tamin’ny faritra samihafa tamin’ny vatan’ilay sarivongana hitan’i Daniela. “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” kosa ilay Fanjakana.​—Da 2:34, 44, 45.

Mampanantena an’ireo Kristianina i Kristy Jesosy efa nahazo voninahitra hoe: “Izay mandresy dia ... homeko vatokilonjy fotsy. Ary eo amin’ilay vatokilonjy dia misy anaram-baovao voasoratra izay tsy misy mahafantatra afa-tsy ilay mahazo azy ihany.” (Ap 2:17) Ny teny grika hoe psefôn io nadika hoe “vatokilonjy” io. Nampiasa azy io ny apostoly Paoly rehefa nitantara an’izay nataony tamin’izy nanenjika an’ireo Kristianina. Hoy izy: “Rehefa hovonoina ho faty ireny, dia mba nandatsa-bato [psefôn; a.b.t.: (mandatsaka) vatokilonjy] nanaiky izany aho.” (As 26:10) Nampiasaina teo amin’ny fitsarana ny vatokilonjy taloha, rehefa namoaka didim-pitsarana na rehefa nanambara hoe meloka na tsia ny olona iray. Vatokilonjy fotsy no nampiasaina rehefa tsy nanan-tsiny izy ka afaka madiodio, fa vato mainty kosa raha meloka izy. Homen’i Jesosy vatokilonjy fotsy àry izay mandresy, satria efa notsarainy ka nambarany hoe tsy meloka izy ary madio ka ekeny ho mpianany.

Jereo FIRAVAKA SY VATOSOA; VATOLAMPY.