Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vato Fehizoro

Vato Fehizoro

Vato apetraka eo amin’ny zoron’ny trano aorina, eo amin’izay hihaonan’ny rindrina roa mba hampitambatra tsara an’ireo rindrina. Vongam-bato voapaika mahitsizoro apetraka mifanaingitaingina hatreny amin’ny tafo na tampon-trano ireo vato fehizoro, ka eo ambony na eo ambanin’ny sakan’ny vato iray ny lavan’ny vato iray hafa.

Ny vato fehizoro natao fototra no lehibe indrindra, ary izay mafy tsara no nofidina ho an’ny tranom-panjakana sy mandan’ny tanàna. Natao nanaraka ny hitsin’ilay vato fototra ireo vato hafa napetraka teo amboniny mba hahitsy tsara ilay trano, ka pilao no nanamarinana an’izany. Nisy tena lehibe ny vato fehizoro natao fototra. Nampitambatra an’ireo rindrin’ny trano koa ilay vato fototra.

Toa ilay vato fehizoro farany ambony napetraka teny an-tampon’ny rindrina ilay “vato fehizoro” resahin’ny Salamo 118:22. Io no nampitambatra an’ireo rindrina roa nihaona teo an-jorony, mba tsy hirodana ireo rindrina ka tsy hianjera ilay trano.

Faly ny Jiosy ka nidera an’i Jehovah rehefa nalatsaka ny fototry ny tempoly, tamin’ny andron’i Zerobabela. (Ezr 3:10, 11) Nihoby toy izao koa ny olona rehefa ‘nitondra ny vato fametraka eny an-tampony’ i Zerobabela: “Tena tsara tarehy izy izany! Tena tsara tarehy mihitsy!” (Za 4:6, 7) Halahelo sy ho lao kosa i Babylona, satria naminany i Jehovah hoe: “Tsy hakan’ny olona vato hanaovana vato fehizoro na vato fototra ianao, satria ho lao mandritra ny fotoana tsy voafetra.”​—Je 51:26.

Heviny an’ohatra. Hoy Andriamanitra tamin’i Joba: ‘Iza no nametraka ny vato fehizoron’ny tany?’ Nohariny tamin’ny trano goavam-be misy vato fehizoro ny tany onenan’ny olona sy anorenany trano maro. Nihoby ny “zanak’Andriamanitra” any an-danitra rehefa napetraka ilay vato. Tsy olombelona no nametraka azy io satria mbola tsy noforonina izy ireo tamin’izany.​—Jb 38:4-7.

Adikan’ny Baiboly sasany hoe “vato fehizoro” ny teny hebreo hoe pinnah, izay midika hoe “fehizoro” nefa koa ilazana an’ohatra lehilahy mpiaro na mpanohana, izany hoe lehibe. Misy àry mandika an’io teny io hoe ‘vato fehizoro’ (Kat.) sy ‘fehizoro’ (Prot.) ao amin’ny Isaia 19:13, fa misy kosa manao hoe ‘filoha’ (DIEM), mitovitovy amin’ny an’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe ‘lehibe.’ (Jereo koa Mpts 20:2; 1Sa 14:38; Za 10:4, izay mampiasa teny hebreo midika ara-bakiteny hoe “tilikambo fehizoro” fa nadika hoe “lehibe.”) Tsy mahagaga àry raha ilazana an’ohatra ny Mesia koa ny hoe “vato fehizoro” ao amin’ny faminaniana.

Oharina amin’ny trano ara-panahy ny fiangonana kristianina, ary i Jesosy Kristy no ‘vato fehizorony.’ Nilaza mialoha i Jehovah fa hametraka “vato” fototra ao Ziona izy, dia “vato voasedra, eny, ilay vato fehizoro sarobidy izay fototra azo antoka.” (Is 28:16) Namerina an’io faminaniana io i Petera ka nilaza fa i Jesosy Kristy ilay “vato fehizoro”, ary eo amboniny ny “vato velona” na ny Kristianina voahosotra tsirairay no aorina ho trano ara-panahy na tempoly ho an’i Jehovah. (1Pe 2:4-6) Nilaza koa i Paoly fa aorina ‘eo ambony fototra, dia ny apostoly sy ny mpaminany’ ny Kristianina, “fa i Jesosy Kristy kosa no vato fehizoro.” Tafaray amin’i Kristy ilay rafitra manontolo izay tafakambana mirindra tsara, ‘ka amin’izany no isondrotan’ilay rafitra mba ho tonga tempoly masina ho an’i Jehovah’, na toerana onenany amin’ny alalan’ny fanahiny.​—Ef 2:19-22.

Milaza ny Salamo 118:22 fa ho lasa “vato fehizoro” fametraka eny an-tampon’ny rindrina (heb.: rôʼsh pinnah) ilay vato nolavin’ny mpanao trano. Namerina an’io faminaniana io i Jesosy ka nilaza fa ny tenany no “vato fehizoro lehibe indrindra” (gr.: kefale gônias, vato fehizoro). (Mt 21:42; Mr 12:10, 11; Lk 20:17) Ny vato fehizoro natao teo an-tampon’ny rindrina no nisongadina teo amin’ny trano iray. I Jesosy Kristy koa no vato ambony indrindra amin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra oharina amin’ny tempoly ara-panahy. Nilaza koa i Petera fa tanteraka amin’i Kristy ny Salamo 118:22. I Kristy, hoy izy, ilay “vato” nolavin’ny olona nefa nofidin’Andriamanitra ho “vato fehizoro.”​—As 4:8-12; jereo koa 1Pe 2:4-7.