Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vato Fikosoham-bary

Vato Fikosoham-bary

Vato roa mifanaingina fotsiny matetika, ary eo anelanelany no itotoana ny voamadinika. Ilay nahodin-tanana no tena fampiasa tany Palestina fahiny, na dia nampiasaina koa aza ny laona sy fanoto. Nisy koa voamadinika nokosehina tamin’ny vato teo ambony vato fisaka. Efa tamin’ny andron’i Abrahama no nampiasaina ireo fitaovana ireo, matoa afaka nanao mofo boribory tamin’ny “lafarinina tsara toto” i Saraha vadiny. (Ge 18:6) Nototoin’ny Israelita “tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona” ny mana nomen’Andriamanitra azy tamin’ny fomba mahagaga, tany an-tany efitra.​—No 11:7, 8; jereo LAONA.

Nanao mofo isan’andro ny fianakaviana, izay samy nanana vato fikosoham-bary ahodin-tanana. Raharaha fanaon’ny vehivavy isan’andro ny nitoto koba. (Mt 24:41, f.a.p.; Jb 31:10; Ek 11:5, f.a.p.; Is 47:1, 2) Nifoha maraina izy nanomana ny koba hanaovana ny mofo hatao sakafo. Ilazan’ny Baiboly toe-piainana milamina àry ny hoe re “ny feon’ny vato fikosoham-bary.” Rava sy aolo kosa ny tanàna iray matoa tsy re ao intsony ilay feo.​—Je 25:10, 11; Ap 18:21, 22; ampit. Mpto 12:3, 4.

Vato fikosoham-bary fampiasan’ny Hebreo fahiny ny vato voapaika anankiroa, ka lavalava kokoa ilay vato ambany ary kely kokoa ilay vato ambony. (De 24:6; Jb 41:24) Nandohalika ilay olona nampiasa an’ilay izy. Napetrany teo anoloany ilay izy, ary notazoniny tamin’ny tanany roa ilay vato ambony, dia iny no nikosehany voa teo ambonin’ilay vato ambany. Nilempona ny sisin’ny vato ambany sasany dia afaka nikosoka mafy kokoa ilay olona nampiasa azy. Vato roa nifanaingina no nampiasaina tatỳ aoriana. Nisy lavaka teo afovoan’ilay vato ambony, dia teo no nararaka ny voa. Mahitsizoro na efajoro ilay vato fikosoham-bary, ary lehibe ilay vato ambany fa kely kokoa ilay ambony. Nisy tahony nipetaka tamin’ilay vato ambony dia iny no nanosehana azy handroso hihemotra. Natao teo amin’ny toerana ambony ilay vato indraindray, dia amin‘izay azon’ilay olona nampiasaina na nitsangana aza izy. Nisy indray boribory ireo vato ambony sy ambany, ary teo afovoany nisy tahony fanodinana an‘ilay vato ambony. Natao nifanitsy tsara ireo vato roa dia afaka nihodina ilay vato ambony. Nilempona ny fanambanin’ilay vato ambony, ary nivohitra ny tampon’ilay vato ambany, dia nikorisa nankany amin’ny sisiny ny voa voatoto. Mbola ampiasaina hatramin’izao io vato fikosoham-bary io. Amin’izao, vatovy (bazalta) ilay vato ambany matetika, ka 46 sm eo ho eo ny savaivony ary 5 ka hatramin’ny 10 sm ny hateviny.

Vehivavy roa matetika no nanodina vato fikosoham-bary. (Lk 17:35) Nipetraka nifanatrika izy ireo, ary samy nihazona tamin’ny tanan’ila an’ilay hazokely fanodinana ny vato ambony. Ny tanana ilan’ilay iray kosa nandrotsaka tsikelikely ny voa tao amin’ny lavaka teo amin’ny vato ambony, ary ny an’ilay faharoa nanangona izay lafarinina nivoaka tamin’ny sisiny ka niraraka teo amin’ny vilia na lamba teo ambanin’ilay vato fikosoham-bary.

Nanao mofo isan’andro sy nitoto voa matetika ny Israelita, ka voararan’ny Lalàna ny naka vato fikosoham-bary ho antoka, na dia ny vato amboniny fotsiny aza. Nila vato fikosoham-bary ny fianakaviana vao nahavita mofo isan’andro, ka toy ny hoe ny “aina” na ny antom-pivelomana mihitsy no nalain’izay naka azy io na ny vato amboniny fotsiny aza.​—De 24:6.

Miresaka vato lehibe fikosoham-bary koa ny Baiboly. Mety ho nitovitovy tamin’ilay “vato lehibe fikosoham-bary toy ilay ahodin’ny ampondra” noresahin’i Jesosy Kristy (Mt 18:6, f.a.p.), ilay nasain’ny Filistinina nahodin’i Samsona jamba, tamin’izy “lasa mpanodina vato lehibe fikosoham-bary tao am-ponja”, na dia misy mihevitra aza hoe vato kely fikosoham-bary nampiasaina teo ambony vato fisaka lehibebe nasiana lempona ilay izy.​—Mpts 16:21.

Haringana tampoka i Babylona Lehibe, hoatran’ny “vato lehibe fikosoham-bary” hatsipy any anaty ranomasina.​—Ap 18:21.