Vato Lesema
(lesèma).
Vato voalohany teo amin’ny laharana fahatelo tamin’ireo vato teo amin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’ny mpisoronabe. Vatosoa sarobidy izy io, saingy tsy fantatra hoe inona izy io ankehitriny.—Ek 28:15, 19; 39:12.
Maro ny vato nolazaina hoe “vato lesema”, anisan’izany ny hiasinta, opala, torimalinina, ary ilay ditin-kazo lasa vato fanao firavaka. Tsy voaporofo anefa izany. Naleon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry nihazona ny teny hebreo ary nandika azy hoe vato lesema.