Vatoafo
Karazam-bato tena mafy, ary mafy noho ny tsỳ (acier) mihitsy aza. Tena mafy izy io, hany ka miteraka afo rehefa ampifampikasohina. Ampiasaina an’ohatra ao amin’ny Baiboly izy io mba hilazana zavatra mafy sy mateza, na toetran’olona mahari-pery sy mahatanty fanoherana.—Is 5:28; 50:7; Ezk 3:9.
Ao anaty vatosokay sy sokay no ahitana vatoafo any Israely sy any amin’ny faritra avaratra amin’ny Saikinosin’i Sinay. Mora mitresaka ny vatoafo, ary mangilatra ny ao anatiny rehefa tapaka. Maranitra be ny sisin’ireny potipotiny ireny, ka mailaka erỳ ny olona nitady fomba hampiasana azy. Efa hatry ny ela ny vatoafo no nanaovana antsy, lelam-pamaky, fandraka, lohalefona, lohan-jana-tsipìka ary zavatra hafa sy fitaovam-piadiana hafa. Vatoafo, ohatra, no namoran’ny vadin’i Mosesy ny zanany lahy. Toy izany koa no nataon’ny Israely rehefa tonga tao Gilgala izy ireo, ary antsy vita tamin’ny vatoafo no nampiasainy. (Ek 4:25; Js 4:19; 5:2, 3, 8, 9) Namoaka rano ho an’ny vahoaka avy tamin’ny harambato i Jehovah, tany an-tany efitra, ary vatoafo ilay harambato.—De 8:15, jereo koa Prot.; Sl 114:8.