Vatolampy
Teny hebreo samy hafa no anavahan’ny Soratra Masina ny vatolampy (bolongam-bato ngezabe) (tsor) sy ny harambato (selaʽ). Samy ampiasaina ara-bakiteny sy an’ohatra ireo teny ireo. Mitovitovy ny hevitr’izy ireo ao amin’ny 2 Samoela 22:2, 3 sy ny Salamo 18:2, manao hoe: “I Jehovah no harambatoko ... Andriamanitro no vatolampiko.”
Manana anarana ny harambato sy vatolampy sasany, ary voatahiry ao amin’ny Baiboly izany. Teo amin’ny harambaton’i Oreba, ohatra, no novonoin’ny miaramilan’i Gideona i Oreba andrianan’ny Midianina. Azo inoana fa izany no antony niantsoana an’io harambato io hoe Oreba. (Mpts 7:25; Is 10:26) Tany amin’ny harambaton’i Etama koa no nonina kelikely i Samsona. (Mpts 15:8) Bozeza sy Sene no anaran’ny harambato roa miendrika nify, izay toerana nanafihan’i Jonatana sy ny mpitondra fiadiany ny toby mpitilin’ny Filistinina. (1Sa 14:4, 5) Tany Meriba, tany akaikin’i Kadesy (tsy ilay Meriba tany akaikin’i Refidima, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Horeba [Ek 17:7]) no tezitra be i Mosesy sy Arona ka tsy nanamasina an’i Jehovah, tamin’izy ireo namoaka rano avy tamin’ny vatolampy mba hosotroin’ny Israelita.—No 20:11-13; Sl 106:32, 33; jereo MASA; MERIBA No. 1 sy 2.
Heviny an’ohatra. Ampiasaina an’ohatra ny hoe “vatolampy” mba hilazana an’i Jehovah hoe Rain’ny Israely (De 32:18), fiarovana mafy (2Sa 22:32, 33; Is 17:10), fialofana sy tendrombohitra fandosirana ho an’ny olony (Sl 62:7; 94:22), ary famonjena azy ireo (De 32:15; Sl 95:1). Noheverin’ny olona sasany hoe “vatolampy” azo nitokisana ny andriamani-diso nivavahany. (De 32:37) Toerana nahitana fiarovana sy niafenana tamin’ny loza ary nialokalofana ny “vatolampy”, any amin’ny andininy sasany. (Is 2:10, 19, 21) I Kristy Jesosy no lazaina hoe “vatolampy mahalavo ho an’ny fanjakana roan’ny Israely.”—Is 8:14; ampit. Mt 21:42-44.
Nilaza fanoharana momba ny mpamafy i Jesosy, ary ilay teny grika, mpamaritra anarana, hoe petrôdes (iray tarika amin’ilay anarana hoe petrôs) no nampiasainy mba hilazana an’ilay toerana be vato nilatsahan’ny voa sasany. (Mt 13:3-5, 20) Anaran’olona koa ny hoe Petrôs, izany hoe “Petera.” (Jn 1:42) Hoy ny diksionera iray: “Midika hoe sila-bato, izany hoe vato niendaka avy tamin’ny bolongam-bato be ny petrôs. Tsy mitovy amin’ny petra, izay midika hoe vatolampy, izy io.” (Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-4, p. 76) Hoy ny Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao momba ny petrôs: “Midika hoe sila-bato io teny io amin’ny teny grika tranainy. Nampiasain’i Homère, ohatra, izy io tamin’izy nitantara fa nitoraka vato an’i Hector i Ajax, ... na tamin’ izy nilaza fa nandray vato maranidranitra i Patrocle ary nanafina izany tao amin’ny tanany.”—Nataon’i M. Vincent, 1957, Boky I, p. 91.
Trakys no teny grika ilazana an’ireo harambato maranidranitra any an-dranomasina resahin’ny Asan’ny Apostoly 27:29. Midika koa hoe “mikitoantoana” io teny io.—Lk 3:5.
Teny grika hafa ilazana harambato koa ny hoe spilas, ary azo inoana fa harambato na haran-dranomasina voasaron-drano izy io. Nampiasa azy io i Joda mba hilazana ny olona sasany nitsofoka teo anivon’ny fiangonana, mba hitaona ny Kristianina hanao ratsy. Mety hanapotika sambo ireny harambato voasaron-drano ireny. Toy izany koa ireny olona ireny satria tena atahorana hanimba ny finoan’ny hafa. Hoy i Joda momba azy ireny: “Harambato voasaron-drano ireny olona ireny, rehefa miara-misakafo aminareo ao amin’ny fanasam-pifankatiavanareo.”—Jd 12.
Fototra iorenan’ny fiangonana. Samy hafa amin’ilay teny grika hoe petrôs (milaza lahy), izay midika hoe “sila-bato” na “vato”, ilay teny grika hoe petra (milaza vavy). (Mt 7:24, 25; 27:51, 60; Lk 6:48; 8:6, 13; Ap 6:15, 16) Porofon’izany ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera hoe: “Ianao no Petera [petrôs], ary eo ambonin’ity vatolampy [petra] ity no hanorenako ny fiangonako.” (Mt 16:18) Ahitana an’io tsy fitoviana io koa ny dikan-teny aramianina (syriàka), na dia ny teny hoe kiʼfaʼ ihany aza no ampiasainy ho an’ny hoe “Petera” sy “vatolampy.” Mpisolo tena milaza lahy (ho) mantsy no eo alohan’ilay hoe “Petera”, fa mpamaritra milaza vavy (hadeʼ) kosa no eo alohan’ilay hoe “vatolampy.”
Azon’ireo apostoly tsara fa tsy i Petera ilay vatolampy noresahin’i Jesosy, matoa izy ireo mbola nifanditra foana hoe iza no lehibe indrindra teo aminy. (Mr 9:33-35; Lk 22:24-26) Tsy ho nisy antony nifandirana intsony mantsy raha i Petera no ilay vatolampy hiorenan’ny fiangonana. Mitovy daholo anefa ny apostoly satria samy vato fototra izy ireo. Samy miorina eo ambonin’ilay vato fehizoro, dia i Kristy Jesosy, izy rehetra, anisan’izany i Petera. (Ef 2:19-22; Ap 21:2, 9-14) Na i Petera aza nilaza fa i Kristy Jesosy ilay vatolampy (petra) iorenan’ny fiangonana. (1Pe 2:4-8) Hoy koa ny apostoly Paoly: “Fa nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo [ny Israelita], ary Kristy izany vatolampy izany.” (1Ko 10:4) Indroa, fara fahakeliny, ny Israelita no nahazo rano nivoaka avy tamin’ny vatolampy tamin’ny fomba mahagaga, tany amin’ny toerana roa samy hafa. (Ek 17:5-7; No 20:1-11) Toy ny hoe nanaraka azy ireo àry ilay vatolampy nipoiran’ilay rano. Azo inoana fa i Kristy Jesosy no mifanitsy amin’io vatolampy io. Hoy mantsy izy tamin’ny Jiosy: “Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona ahy ka hisotro.”—Jn 7:37.
Nino i Augustin (taona 354-430), izay antsoina matetika hoe “Masindahy Augustin”, fa i Petera no ilay vatolampy. Niova hevitra anefa izy tatỳ aoriana. Izao no nolazainy, araka ny nosoratan’i Lange ao amin’ny Fanazavana ny Soratra Masina (Mt 16:18, f.a.p., p. 296): “Tsy avy amin’ny hoe Piera ilay hoe vatolampy, fa i Piera no avy amin’ilay vatolampy (non enim a Petro petra, sed Petrus a petra). Toy izany koa fa tsy avy amin’ny hoe Kristianina ny hoe Kristy, fa avy amin’i Kristy ny hoe Kristianina. Noho ny Tompo nilaza hoe: ‘Eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko’ no nahatonga an’i Piera hamaly hoe: ‘Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.’ Eo ambonin’io vatolampy nekenao io, hoy izy, no hanorenako ny egliziko. I Kristy mantsy ilay vatolampy (petra enim erat Christus), ary teo ambonin’izy io koa no nanorenana an’i Piera. Tsy misy olombelona afaka mametraka fototra hafa, ankoatra an’i Jesosy Kristy, izay fototra efa nisy teo.”—Nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976.