Vatosanga
Fitaovana fasiana menaka manitra, ary mitovy bika amin’ny vazy kely. Vato avy any Alabastron, any Ejipta, no nanamboarana azy tamin’ny voalohany. Nanjary nantsoina hoe alabastara àry io vato io, ao amin’ny Baiboly sasany. Karazana karbonatana kalsioma izy io. Nanangona “vatosanga [heb.: shayish] be dia be” i Davida mba hanorenana ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema.—1Ta 29:2.
Tsy toy ilay vatosanga fahiny, na avy any Atsinanana, ny vatosanga ankehitriny, izay solfatana kalsioma miharo rano ary mora kiaka. Mazàna no fotsy ny vatosanga fahiny ary indraindray nisy loko mitsipitsipika isan-karazany. Andry vatosokay mantsy izy io, ary niforona sy nitombo teo amin’izay nisy rano nitete tao anaty lava-bato. Mafy mitovitovy amin’ny marbra izy io nefa tsy tena mety halama sy hangirana toy ny marbra. Nolavahana na natao sokitra ny bolongana vatosanga, mba ho lasa fitaovana azo asiana ranoka nilanja hatramin’ny iray livatra romanina (0,33 kg). (Jn 12:3) Matetika no natao tery ny tendan’ny tavoahangy vatosanga (gr.: alabastrôn) mba ho azo hidiana tsara, ka tsy ho verivery fotsiny ny fofon’ny menaka manitra ao anatiny.
Mety hoe vatosanga tsy dia lafo vidy no nanamboarana ny tavoahangy sasany toy ireny. Mbola nantsoina hoe vatosanga na alabastara ihany anefa izy ireny, satria samy fasiana menaka manitra. Vatosanga tena izy kosa no nanaovana tavoahangy fasiana menaka fanosorana sy zava-manitra lafo vidy kokoa. Indroa i Jesosy no nohosorana tamin’ny menaka toy izany: Tao an-tranon’ny Fariseo iray tany Galilia (Lk 7:37), sy tao an-tranon’i Simona boka tany Betania.—Mt 26:6, 7; Mr 14:3.