Vatosokay
Karazam-bato miforona ao anaty tany rehefa mitsika sy mitambatra ny karbonatana kalsioma. Tena be karbonatana kalsioma àry izy io, sady tena malemy sy mora miparasaka. Ahitana azy io any amin’ny faritra maro any Palestina. Noho izy io tsy azo ampiasaina hanorenana trano fa mora potipotika sy lasa vovoka, dia nety tsara ny nilazan’i Isaia mpaminany hoe tsy maintsy hatao toy ny vatosokay nopotipotehina ny alitara nampiasain’ny Israelita tamin’ny fanompoan-tsampy, raha tian’izy ireo ny ho voavela heloka. (Is 27:9) Gir no teny hebreo nadika hoe sokay, ary hita ao amin’ny Daniela 5:5 ny teny aramianina mifanandrify aminy. Nadika hoe ‘lalotra’ izy ao.—Jereo LALOTRA; SOKAY.