Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vava

Vava

Taova nataon’Andriamanitra hampidirana sy hitsakoana sakafo mba ho azo atelina, ary natao mba hahafahan’ny olona hiteny. Tokony hidera Azy àry ny olona rehefa miteny. (Sl 34:1; 51:15; 71:8; 145:21) Hidera an’i Jehovah ny zavamiaina rehetra, hoy ny mpanao salamo. Tsy maintsy mampiasa ny vavany mba hiderana Azy àry izay te ho velona. Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy ampy mba hahazoana famonjena ny hoe mino an’Andriamanitra sy ny Zanany, eny fa na dia mino azy ireo amin’ny fo manontolo aza. Tsy maintsy manao fanambarana ampahibemaso koa ny olona.​—Sl 150:6; Ro 10:10.

Manana fikasana sy zo ary hery i Jehovah satria Mpamorona. Afaka mampiteny ny mpanompony àry izy. Azony atao eo am-bavan’izy ireo izay teny tokony holazain’izy ireo. Nanao izany tamin’ny fomba mahagaga tamin’ireo mpaminany izy, ka ny fanahy masina no nampitenenany azy ireo. (Ek 4:11, 12, 15; Je 1:9) Vitany mihitsy aza ny nampiteny biby tsy miteny (ampondra). (No 22:28, 30; 2Pe 2:15, 16) Azony atao eo am-bavan’ny mpanompony ankehitriny koa ny teniny. Tsy hoe ampitenenin’ny fanahy masina amin’ny fomba mahagaga toy ny nataony tamin’ny mpaminaniny fahiny anefa izy ireo. Manana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra teo ambany herin’ny fanahy masina kosa izy ireo, ary io no manampy azy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. (2Ti 3:16, 17) Tsy voatery hiandry an’i Kristy ho tonga hanome an’ilay vaovao tsara hotorina izy ireo, ary tsy mila mitady izany any an-toeran-kafa. Efa eo amin’izy ireo mantsy izany ary tonga dia azony ambara. Nilazana izy ireo hoe: “Eo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao ny teny.”​—Ro 10:6-9; De 30:11-14.

Mety hahavelona na hahafaty. Mazava ho azy fa tena iankinan’ny aina ny fahaizana mampiasa ny vava, ary nilaza izany mihitsy i Jehovah. Hoy izy: “Loharanon’aina ny vavan’ny olo-marina.” (Oh 10:11) Tena tokony hitandrina mafy an’izay lazain’ny vavany àry ny olona (Sl 141:3; Oh 13:3; 21:23), satria manimba tena izy raha tsy manao izany. (Oh 10:14; 18:7) Ataon’Andriamanitra ampamoaka ny olona noho izay lazain’ny vavany. (Mt 12:36, 37) Mety hisy olona ho faingam-bava ka ho maimaika hivoady. (Mpto 5:4-6) Mety handoka olona koa izy, nefa manimba an’ilay olona izy amin’izany sady mahatonga fanamelohana ho an’ny tenany. (Oh 26:28) Tena mila mitandrina mafy an’izay lazainy ny mpanompon’Andriamanitra rehefa eo anatrehan’ny ratsy fanahy. Raha tafateny zavatra kely tsy araka ny fahendren’Andriamanitra mantsy izy, dia mety hanala baraka ny anaran’Andriamanitra, ary mety hahafaty azy izany. (Sl 39:1) Modely i Jesosy satria nanaiky hanao ny sitrapon’i Jehovah, ary tsy nitaraina sady tsy nanevateva an’ireo ratsy fanahy nanohitra azy.​—Is 53:7; As 8:32; 1Pe 2:23.

Tsy maintsy mailo foana ny Kristianina satria tsy lavorary, ka mila tandremany tsara ny fony. Nilaza mantsy i Jesosy fa “izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany”, ary “tsy izay miditra amin’ny vavany no mandoto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vavany.” (Mt 12:34; 15:11) Mila mieritreritra tsara sy mijery izay ho vokany àry ny olona vao miteny. Midika izany fa mila mitadidy sy mampihatra an’ireo zava-tsoa nianarany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy.​—Oh 13:3; 21:23.

Tena manan-kery ny lela ka mahavita manao soa na ratsy. Tena tsara àry ny vokany, raha ny teny avy amin’i Jehovah no lazain’ny vavan’ny olona. Nataon’i Jehovah “toy ny sabatra maranitra”, ohatra, ny vavan’i Isaia, ary nataony toy ny “afo” tao am-bavan’i Jeremia ny teniny. Nampiasa ny heriny mantsy izy mba hampitenenana an’ireo mpaminany ireo, hany ka tanteraka ny faminanian’izy ireo. (Is 49:2; Je 5:14) Tena mampidi-doza kosa ny mihaino ny mpivadi-pinoana, satria ny tenin’ny vavany no animbany ny hafa.​—Oh 11:9.

Heviny an’ohatra. Asehon’ny Baiboly toy ny hoe manana vava i Jehovah. Misy antony daholo ny zavatra lazainy, ary ho tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika kely izy ireny. (Is 55:10, 11) Ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah àry no tsy maintsy iveloman’izay te hahazo ny fiainana. (De 8:3; Mt 4:4) Tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany, dia nampifanarahany tamin’ny tenin’ny Rainy ny fiainany manontolo. Efa manana fahefana eo amin’izao rehetra izao àry izy ankehitriny. Mpanjaka voatendrin’i Jehovah izy, ka hikapoka ny tany amin’ny “tehin’ny vavany.” (Is 11:4) Asehon’ny fahitana fa mamely an’ireo firenena amin’ny sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany izy. (Ap 19:15, 21) Azo inoana fa fitenenana an’ohatra izany, ary ilazana ny fahefana hampihariny rehefa hibaiko ny tafika rehetra any an-danitra izy sy hanara-maso ny ady handringanana an’ireo fahavalon’Andriamanitra.

Hita amin’ny andininy sasany voalaza etsy aloha fa matetika koa ny hoe “vava” no ampiasaina hilazana teny na fahaizan’ny vava miteny. Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa tamin’ny tenin’ny (na “vavan’ny”) vavolombelona roa na telo no nanamelohana olona iray. Mbola narahina teo anivon’ny fiangonana kristianina koa izany fitsipika izany, rehefa nisy raharaha notsaraina. (De 17:6; Mt 18:16; ampit. 2Ko 13:1, f.a.p.) Misy hevitra mitovy amin’izany koa ao amin’ny Salamo 10:7; 55:21; 78:36; Ezekiela 24:27; 29:21; Lioka 21:15; Romanina 15:6.

Ilazana zavatra misokatra koa ny hoe “vava”, ohatra hoe lavadrano (Ge 29:2), gony (Ge 43:12; 44:1, 2), lava-bato (Js 10:22), ny tany misokatra (No 16:32), ary fahafahan’ny tany mitroka ranon-javatra nararaka (Ge 4:11). Voalaza fa mitanatana vava ny Sheôl (na ny fasana misy ny maty rehetra), ka vonona handray olona maty be dia be.​—Is 5:14.

Lanilany. Ny lanilany dia ny faritra ambony amin’ny ativava, ary manasaraka ny vava amin’ny atiorona. Mbola anisan’ny lanilany ny faritra kely malemilemy manasaraka ny vava sy ny tendakely. Indraindray, dia “vava” no tian’ny Soratra Masina holazaina amin’ny hoe ‘lanilany.’​—Jb 33:2; Ho 8:1.

Samy niresaka momba ny “lanilany” i Joba sy Eliho. Nampitovin’izy ireo amin’ny fahaizan’ny lanilany mamantatra tsiro ny fahaizan’ny olona mamantatra an’izay mahitsy sy misy fahendrena. (Jb 12:11; 34:3) Misy anefa milaza fa tsy mahay mamantatra tsiro ny lanilany. Tsy marina izany, satria rehefa mitelin-kanina ny olona dia poretin’ny lela hipaka amin’ny lanilany ny sakafo ka lasa henon’ny orona ny fofon’ilay sakafo ary amin’izay no andrenesana tsara ny tsiron’ilay sakafo. Izany no mitranga alohan’ny andalovan’ilay sakafo any amin’ny tendakely sy eo amin’ny faritry ny atiorona ary hidinany any amin’ny vavony.