Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavahady

Vavahady

Miresaka vavahady isan-karazany ny Baiboly: 1) Vavahadin’ny toby (Ek 32:26, 27), 2) vavahadin’ny tanàna (Je 37:13), 3) vavahadin’ny tokotanin’ny tranolay masina (Ek 38:18), 4) “vavahadin’ny Lapan’ny tempoly” (Ne 2:8), 5) vavahadin’ny tempoly (As 3:10), ary 6) vavahadin’ny trano (As 12:13, 14).

Ny endriky ny vavahady. Mazàna no natao faran’izay vitsy ny vavahadin’ny tanàna, ary iray monja aza izany indraindray. Ny vavahady mantsy no mora notafihina indrindra teo amin’ny manda. Raha nanana manda anatiny sy ivelany ny tanàna iray, dia samy nasiana vavahady ireo manda ireo. Toy ny L ny endriky ny vavahady fahiny mba ho sarotra hidiran’ny fahavalo. Niova anefa izany rehefa lasa nisy ny kalesy (t. taonjato faha-18 T.K.): Natao nahitsy ny vavahady mba hahafahana miditra avy hatrany. Nisy tilikambo efamira teo amin’ny andaniny roa tamin’ny vavahadin’ny tanàna efa rava sasany, ary nisy lalantsara nirefy 15 na 20 m teo ho eo nitohy tamin’ilay vavahady. Nisy andry enina tao amin’ilay lalantsara, ka telo teo amin’ny andaniny ary telo teo amin’ny ankilany. Nihatery ny lalana nifanitsy tamin’ireny andry ireny. Indraindray dia nila nandalo varavarana roa na telo nifanesy (samy kopa-droa) ireo niditra teo amin’ireny vavahady lalina ireny. Nisy efitrefitra ny rindrin’ilay lalantsara ka ireny no natao efitra fiambenana. Nisy efitra fiambenana, ohatra, ny vavahadin’ilay tempoly tao amin’ny fahitana azon’i Ezekiela. (Ezk 40:6, 7, 10, 20, 21, 28, 29, 32-36) Nitafo ny lalantsaran’ny vavahady sasany. Ny hafa kosa nisy rihana, satria nahitana tohatra tao anatiny.​—Ampit. 2Sa 18:24, 33.

Rehefa nofongarina ny tanàna sasany, dia nahitana vavahady kely tany ambadiky ny tanàna ka teo am-pototry ny manda izy ireny indraindray. Teo no nivezivezy ny mponina tao an-tanàna tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady. Tamin’ny andro nisian’ny fahirano kosa dia teo no nivoaka ny mpiaro ny tanàna mba hanafika, ka afaka niaro azy ny naman’izy ireo teny ambony manda.

Hazo nofonosina takelaka metaly mazàna ny varavaran’ny vavahadin’ny tanàna, raha tsy izany dia nodoran’ny fahavalo mora foana. Vavahady vy kosa ny sasany, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly. (As 12:10) Voalaza fa varahina ny vavahadin’i Babylona ary bara vy ny hidiny. (Is 45:2; ampit. Sl 107:2, 16.) Toa bara hazo ny hidin’ny vavahady sasany. (Na 3:13) “Tanàna lehibe enimpolo nisy manda sy bara hidiny varahina” no tany amin’ny faritr’i Argoba, any Basana, tamin’ny andron’i Solomona. (1Mp 4:13) Tokotokony ho 3 m ny haavon’ny vavahadin’ny tanàna sasany hita tany Syria. Takela-bato iray lehibe izy io, ary afaka nihodina noho ny savily teo ambony sy teo ambany. Tsy zavatra tsotsotra mihitsy àry ilay nataon’i Samsona tamin’ny vavahadin’ny tanànan’i Gaza: Nongotany niaraka tamin’ny bara hidiny ilay vavahady ka nataony teny an-tsorony, ary nentiny niakatra ho any an-tampon’ny “tendrombohitra tandrifin’i Hebrona.” Tsy maintsy ho ny fanahin’i Jehovah no nahatonga azy hatanjaka be ka hahavita izany.​—Mpts 16:3.

Zava-nitranga teny am-bavahady. Mety ho ilay tanàna ihany no tiana holazaina amin’ny hoe “vavahadin’ny” tanàna, satria teo no natao ny ankamaroan’ny raharaham-panjakana ary teo no noraketina ny varotra. (De 16:11, 14; Rt 4:10; Sl 87:2; 122:2) Matetika no teo amin’ny vavahadin’ny lapan’ny mpanjaka no natao ny fifampiraharahana tany an-drenivohitra. (Es 3:2, 3; 5:9, 13; 6:10, 12) Raha lasa tsy nisy olona intsony teo amin’ny fidirana na ny vavahadin’ny tanàna, dia afa-boninahitra izy io. (Is 3:26; 14:31; Je 14:2; Ft 1:4) Ny vavahadin’ny tanàna no tena nokendren’ny mpanao fahirano. Afaka niditra tao an-tanàna mora foana mantsy izy ireo rehefa azony izany. Midika hoe mahazo an’ilay tanàna àry ny hoe ‘mahazo ny vavahadin’ny’ tanàna. (Ge 22:17; 24:60) Nipetraka teo amin’iray tamin’ireo vavahadin’i Jerosalema, ohatra, ny andrianan’ny mpanjakan’i Babylona rehefa voagorobaka ny mandan’ilay tanàna. Midika izany fa azon’ny Babylonianina i Jerosalema.​—Je 39:2, 3.

Toerana fanaovana fivoriam-bahoaka sy falehan’ny besinimaro eny am-bavahady. Mazàna no nasiana tany malalaka teo akaikin’ny vavahady, toy ilay tandrifin’ny Vavahadin-drano tao Jerosalema. (Ne 8:1) Teo amin’ny vavahady no nandrenesana ny vaovao satria teo no nivezivezy ny mpivarotra sy izay avy lavitra. Nivezivezy teo isan’andro koa ny mpiasa, indrindra fa ny tantsaha. Teny àry ny olona no nihaona. (Rt 4:1; 2Sa 15:2) Teo koa no nisy ny tsena. Indraindray, dia toa avy amin’ny anaran’ny entana namidy teo no nanaovana ny anaran’ny vavahady tao Jerosalema (ohatra hoe Vavahadin-trondro).​—Ne 3:3.

Teo amin’ny vavahadin’ny tanàna ny anti-panahy no nipetraka mba hitsara. (De 16:18; 21:18-20; 22:15; 25:7) Na ny mpanjaka aza namory vahoaka na nitsara teny koa indraindray. (2Sa 19:8; 1Mp 22:10; Je 38:7) Be olona matetika teny am-bavahady, ary teny koa ny mpitsara, ny olona ambony tao an-tanàna, ny mpivarotra, ary ny mpandraharaha. Teny am-bavahady àry mazàna ny mpaminany no nanambara ny hafatra nentiny, mba hielezan’izany haingana kokoa. (1Mp 22:10; Je 17:19) Teny koa no nampahafantarina ny fanambarana lehibe sy ny didim-panjakana. (2Ta 32:6-8) Teo amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano, ohatra, i Ezra no namaky ny Lalàna. (Ne 8:1-3) Ny fahendrena dia toy ny olona miantsoantso eny amin’ny vavahady fidirana ao an-tanàna mba handrenesan’ny rehetra ny toroheviny. (Oh 1:20, 21; 8:1-3) Teny am-bavahady no nandrenesana vaovao, ka teny no nahalalana izay zavatra tsara na ratsy nataon’ny olona tao an-tanàna.​—Oh 31:31.

Toa teny am-bavahadin’ny tanàna ny mpanompo sampy no nanao sorona. (As 14:13) Lasa nanaraka an’io fanao ratsy io koa ny tao Joda, saingy nofoanan’i Josia Mpanjaka izany.​—2Mp 23:8.

Nentina novonoina tany ivelan’ny vavahadin’ny tanàna ireo nomelohin’ny mpitsara ho faty. (1Mp 21:10-13; As 7:58) Tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, dia nentina tany ivelan’ny tanàna ny fatin’ny biby natao sorona ary tany no nodorana. (Le 16:27, 28) Tany ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema àry i Jesosy Kristy no novonoina, satria izy no fanatitra noho ny ota ho fandrakofam-pahotana ho an’ny olombelona.​—He 13:11, 12.

Zava-dehibe maro no nitranga teo am-bavahady, ka voninahitra ny niara-nipetraka tamin’ny anti-panahy teo. (Jb 29:7; Oh 31:23) Tsy sahaza ny adala ny toerana toy izany. (Oh 24:7) Tamin’i Davida, dia fahadisoana lehibe ny nataon’ireo nipetraka teo am-bavahady noho izy ireo niresaka momba azy sy nanaratsy azy, tamin’izy nisy nanenjika. (Sl 69:12) Teo am-bavahady no natao ny fitsarana, ka fanaovana kolikoly amin’ny fitsarana no dikan’ny hoe ‘mampahory ny ory eo am-bavahady.’ (Jb 5:4; Oh 22:22; Am 5:12) Ny hoe ‘mankahala mpananatra teo am-bavahady’, dia midika hoe mankahala ny mpitsara izay nananatra na nanameloka. (Am 5:10) “Ireo mamandrika an’izay mananatra eo am-bavahady”, dia ireo manome tsolotra ny mpitsara na manery azy hamadika ny rariny. Mety ho ireo mitady hamandrika ny mpaminany te hananatra azy ireo eo am-bavahady koa anefa no tiana holazaina.​—Is 29:19-21.

Vavahadin’ny toby tany an-tany efitra. Ireo fidirana tao an-tobin’ny Israely no nantsoina hoe ‘vavahadin’ny’ toby. Azo antoka fa voambina tsara izy ireny. Teo afovoan’ny toby no nisy ny tranolay masina, ka ny Levita no nitoby teo akaikin’izy io. Ny foko 12 hafa kosa nitoby lavitra kokoa nanodidina, ka nitoby tsitelotelo teo amin’ny lafiny tsirairay. Voaro tsara ilay toby noho izany.​—Ek 32:26, 27; No 3; jereo MPIANDRY VAVAHADY.

Vavahadin’i Jerosalema. Nihanandroso sy nitatra ny tanànan’i Jerosalema taorian’ny nahazoan’i Davida azy io. Nisy manda vaovao na ampahana manda namboarina. Manome lisitra feno kokoa momba ireo vavahadin’i Jerosalema ny bokin’i Nehemia, ka ireo no tena horesahina ato, satria izy ireo efa teo amin’ilay manda izay naorina talohan’ny taonjato fahavalo T.K., sy teo amin’ilay mandan’ny “tanàna vaovao.” (2Mp 22:14; 2Ta 34:22; Ze 1:10) Teo avara-tanàna no nisy an’io “tanàna vaovao” io, ka ny mandan’i Hezekia no namefy azy io teo amin’ny ilany andrefana sy namefy ny ampahany avaratra (2Ta 32:5), ary ny mandan’i Manase no teo avaratratsinanana sy atsinanana. (2Ta 33:14) Teo avaratry ny tanàna tranainy àry izy io, nefa tsy nihoatra an’ilay manda tranainy teo andrefana kosa ny habeny.

SARITANY: Vavahadin’i Jerosalema

Manda namboarina tamin’ny andron’i Nehemia. Ny Vavahadin’ondry no notononin’i Nehemia voalohany, rehefa mitantara ny nanamboarana indray ny mandan’i Jerosalema izy (Ne 3), ary tanisainy avy any ankavanana mihodina miankavia ireo vavahady avy eo. Io filaharana io no harahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity, ary horesahina ato koa ireo vavahady tsy noresahin’i Nehemia tamin’izy nitantara ny nanorenana indray ny manda saingy notononiny tamin’izy nitantara ny fitokanana. (Ne 12) Ho hita ato koa ireo vavahady resahin’ny andinin-teny hafa, ka misy amin’izy ireny anisan’ireo efa voalazan’i Nehemia ihany, saingy nomena anarana hafa fotsiny.

Vavahadin’ondry. I Eliasiba Mpisoronabe sy ireo mpisorona niaraka taminy no nanorina indray ny Vavahadin’ondry. (Ne 3:1, 32; 12:39) Teo akaikin’ny faritra nisy ny tempoly àry izy io, azo inoana fa teo amin’ny mandan’ny tanàna vaovao, teo amin’ilay ampahany naorin’i Manase (jereo ilay lohatenikely hoe “Vavahadin-trondro”), teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny tanàna na teo akaikin’izy io. Nandalo teo amin’io vavahady io ny ondry sy osy hatao sorona, na ireo nentina tany amin’ilay tsena teo akaiky teo, ka izany angamba no nahatonga ilay anarana. Toa io ihany ilay “vavahadin’ondry” resahin’ny Jaona 5:2, na mety ho vavahady naorina tatỳ aoriana kokoa, satria samy teo akaikin’ny dobon’i Betesda no nisy azy ireo.

Vavahadin-trondro. Toa i Hezekia no nanorina ny ampahan’ilay manda namefy ny tanàna vaovao hatrany amin’ny Vavahadin-trondro. (2Ta 32:5; 33:14) Teo andrefan’ny Vavahadin’ondry no nisy ny Vavahadin-trondro, angamba teo akaikin’ny tendrony avaratra amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona, araka ny fitantaran’i Nehemia momba ny nanorenana indray ny manda sy ny nitokanana azy io. (Ne 3:3; 12:39) Voaresaka miaraka amin’ilay tanàna vaovao izy io ao amin’ny Zefania 1:10. Nivarotra trondro tao amin’ilay tsena teo akaiky teo ny olona avy any Tyro, ka izay angamba no nahatonga an’ilay anarana.​—Ne 13:16.

Vavahadin’ilay Tanàna Taloha. Teo avaratrandrefan’ny tanàna no nisy ny Vavahadin’ilay Tanàna Taloha, teo anelanelan’ny Vavahadin-trondro sy ny Vavahadin’i Efraima. (Ne 3:6; 12:39) ‘Vavahady Taloha’ fotsiny no niantsoana azy io tamin’ny teny hebreo, fa vao nampian’ny mpandika teny tatỳ aoriana ilay hoe “tanàna.” Voalaza fa teo no tena fidirana tany avaratr’ilay tanàna tranainy. Toa teo amin’ny fihaonan’ny Manda Lehibe (manda avaratr’ilay tanàna tranainy) sy ny manda andrefan’ilay tanàna vaovao no nisy azy io. Misy mihevitra hoe io ihany ilay “Vavahady Voalohany” resahin’i Zakaria. Toa notononin’i Zakaria avy any atsinanana miankandrefana ireo vavahady rehefa nilaza izy hoe “manomboka any amin’ny [1] Vavahadin’i Benjamina ka hatrany amin’ny [2] Vavahady Voalohany sy hatrany amin’ny [3] Vavahady An-jorony”, ary notononiny avy any avaratra mianatsimo kosa ilay hoe “manomboka eo amin’ny Tilikambon’i Hananela ka hatrany amin’ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.” (Za 14:10) Ny hafa indray milaza fa ilay “Vavahady Afovoany” resahin’ny Jeremia 39:3 no Vavahadin’ilay Tanàna Taloha. Misy miantso an’io Vavahadin’ilay Tanàna Taloha io hoe “Vavahady Mishneh.” Milaza izy ireo fa izy io dia teo amin’ny ilany andrefana tamin’ny mandan’ilay tanàna vaovao.

Vavahadin’i Efraima. Teo amin’ny Manda Lehibe no nisy ny Vavahadin’i Efraima, any amin’ny 400 hakiho (178 m) atsinanan’ny Vavahady An-jorony. (2Mp 14:13; 2Ta 25:23) Teo amin’io vavahady avaratra io ny lalan’izay te ho any amin’ny tanin’i Efraima. Misy mpikaroka milaza fa io ihany ilay Vavahady Afovoany. (Je 39:3) Ny hafa kosa milaza azy io ho ny Vavahady Voalohany. (Za 14:10) Misy mihevitra azy io ho ilay Genata na Vavahadin’ny Zaridaina, izay noresahin’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 146 [iv, 2]) Nisy tany malalaka teo akaikin’ny Vavahadin’i Efraima, ary teo ny olona no nanao trano rantsankazo nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 8:16) Tsy niresaka an’io vavahady io i Nehemia tamin’izy nitantara ny fanorenana indray ny manda satria tsy nila fanamboarana firy angamba izy io.

Vavahady An-jorony. Toa vavahady teo amin’ny zorony avaratrandrefan’ny mandan’ny tanàna izy io, teo andrefan’ny Vavahadin’i Efraima. (2Mp 14:13; 2Ta 25:23) Teo atsinanan’ny Lohasahan’i Hinoma no nisy azy io, toa teo amin’ny manda andrefana amin’ny tanàna tranainy, teo amin’ny fihaonan’io manda io tamin’ny Manda Lehibe. Nanorina tilikambo teo akaikin’io vavahady io i Ozia. Tsy voalaza raha io ihany ilay Tilikambon’ny Lafaoro na tsia. (2Ta 26:9) Na i Jeremia na i Zakaria dia toa samy nilaza hoe teo amin’ny sisiny andrefan’ny tanàna no nisy ny Vavahady An-jorony.​—Je 31:38; Za 14:10.

Tsy nisy vavahady hafa voalaza hoe teo amin’ny manda andrefana, teo anelanelan’ny Vavahady An-jorony sy ilay Vavahadin-dohasaha teo amin’ny manda atsimoandrefana. Nitsatoka be mantsy ny tevana teo amin’ny Lohasahan’i Hinoma, ka tsy nisy nilana vavahady. Tsy niresaka momba ny Vavahady An-jorony i Nehemia, satria angamba tsy nila fanamboarana firy koa izy io. Noresahiny kosa ny nanamboarana indray ny Tilikambon’ny Lafaoro, izay toa anisan’ny Vavahady An-jorony na teo akaikin’izy io.​—Ne 3:11.

Vavahadin-dohasaha. Teo amin’ny ilany atsimoandrefan’ny mandan’ny tanàna no nisy ny Vavahadin-dohasaha, izay nankao amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Mety ho io ilay “vavahadin’ny Esenianina” noresahin’i Josèphe, na mety ho teo akaiky teo. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 145 [iv, 2]) Nanorina tilikambo teo akaikin’io vavahady io i Ozia tamin’izy nanamafy an’ilay tanàna. (2Ta 26:9) Avy teo amin’ny Vavahadin-dohasaha i Nehemia no niainga tamin’izy nizaha ny manda. Nandeha niantsinanana izy, namakivaky ny Lohasahan’i Hinoma, niakatra ny Lohasahan’i Kidrona, ary niverina niditra teo amin’ny Vavahadin-dohasaha ihany avy eo. (Ne 2:13-15) Toa avy teo amin’ny Vavahadin-dohasaha no niainga ny filaharam-be tamin’ny fitokanana, na dia tsy voalaza aza izany. Ny antokony iray niainga avy teo ary niankavanana nanaraka ny manda, ka nandalo teo amin’ny Vavahadin’ny Antontan-davenona, fa ny antokony iray kosa nandeha niankavia ka nandalo teo amin’ny Vavahady An-jorony sy teo amin’ny Tilikambon’ny Lafaoro.​—Ne 12:31-40.

Vavahadin’ny Antontan-davenona. Anarany koa ny hoe Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga, ary nantsoina hoe Vavahadin’ny Taim-biby koa izy io. (Ne 2:13; 12:31) Toa 1000 hakiho (445 m) any atsinanan’ny Vavahadin-dohasaha no nisy azy io, araka ny tenin’i Nehemia. (Ne 3:13, 14) Teo amin’ny zorony atsimoatsinanana tamin’ny mandan’ny tanàna no nisy an’io vavahady nankao amin’ny Lohasahan’i Hinoma io, teo akaikin’ny fihaonan’io lohasaha io tamin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. (Je 19:2) Nandalo an’io vavahady io ireo mpanompo sampy rehefa ho any Tofeta, any amin’ny Lohasahan’i Hinoma, mba handoro ny zanany hatao sorona ho an’i Bala. (Je 19:1-6) Nandalo teo amin’io vavahady io koa i Jeremia sy ny anti-panahy ary ny mpisorona teo amin’ny Israely, tamin’i Jeremia nanambara ny loza hanjo an’i Jerosalema. Nanapotika tavoara tanimanga i Jeremia tamin’izay mba hampisehoana ny fomba hanapotehan’Andriamanitra an’ilay vahoaka nanompo andriamani-kafa.​—Je 19:1-3, 10, 11.

Nantsoina hoe “Vavahadin’ny Vakim-bilany Tanimanga” io vavahady io, angamba satria teo no nariana ny vakim-bilany tanimanga, na teo no nototoina ny vakim-bilany mba hahazoana vovoka handalorana lavaka fanangonan-drano (nisy vovoka vakim-bilany toy izany tany akaikin’ny dobo iray tany amin’ny zorony atsimoandrefan’ny tanàna). Nisy mpanefy tanimanga koa angamba teo akaikin’io vavahady io, satria nisy tanimanga teo amin’ny Lohasahan’i Hinoma teo akaiky teo, ary nisy rano teo amin’ny loharanon’i En-rogela sy teo amin’ny fidirana nankao amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona. (Ampit. Je 18:2; 19:1, 2.) Efa hatramin’ny taonjato fahefatra no nolazain’ny lovantsofina fa teo amin’ny ilany atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma no nisy an’ilay nantsoina hoe “sahan’ny mpanefy tanimanga.”​—Mt 27:7, 8.

Vavahadin-doharano. Izany no niantsoana an’io vavahady io satria avy teo ny lalana mankany amin’ny loharano teo akaiky teo (angamba i En-rogela), izay teo atsimo kelin’ny fihaonan’ny Lohasahan’i Kidrona sy ny Lohasahan’i Hinoma. Toa teo amin’ny zorony atsimon’ilay ilan-kavoana atsinanana (izany hoe teo amin’ny sisiny atsimo tamin’ny “Tanànan’i Davida”) no nisy ilay vavahady. (Ne 2:14; 3:15; 12:37) Mora kokoa tamin’ny mponina tao amin’ny Tanànan’i Davida ny nankany En-rogela raha teo amin’io vavahady io ny lalany. Rehefa hankany En-rogela kosa ny mponina teo amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona sy ireo teo amin’ny havoana atsimoandrefana amin’ny tanàna, dia nety kokoa tamin’izy ireo ny nandalo ny Vavahadin’ny Antontan-davenona, izay teo atsimoandrefana kely teo.

Vavahadin-drano. Mety ho nahatonga io anarana io ny toerany teo akaikin’ny loharanon’i Gihona na satria io no vavahady mivoaka mankeo amin’ilay loharano, izay eo antsasa-dalana raha arahina ny ilany atsinanana amin’ny mandan’ny tanàna. Teo akaikin’i Ofela, tsy lavitra ny faritry ny tempoly no nisy an’io vavahady io. (Ne 3:26) Teo amin’ny Vavahadin-drano no niala teo amin’ny manda ilay antokony iray tamin’ireo nanao filaharam-be tamin’ny fitokanana, ary nankany amin’ny tempoly izy ireo mba hihaona tamin’ilay antokony iray hafa. Toa tsy nandeha teo amin’ilay mandan’ny tanàna teo atsinanan’ny tempoly izy ireo. (Ne 12:37-40) Teo amin’ilay tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano ny olona rehetra no nivory sy nihaino an’i Ezra namaky ny Lalàna. Nanangana trano rantsankazo teo izy ireo avy eo mba hankalazana ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.​—Ne 8:1-3, 16.

Vavahadin-tsoavaly. Mety ho teo akaikin’ny tempoly no nisy azy io, satria ny mpisorona no nanamboatra ny simba taminy. (Ne 3:28) Misy mihevitra fa ny Vavahadin-tsoavaly no nampifandray ny tempoly sy ny lapa satria milaza ny fitantarana momba ny namonoana an’i Atalia fa raha vao navoakan’ny miaramila avy tao amin’ny tempoly izy dia ‘tongan’izy ireo teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly teo amin’ny tranon’ny mpanjaka.’ (2Ta 23:15; 2Mp 11:16) Azo inoana anefa hoe vavahady nankao an-dapan’ny mpanjaka fotsiny io voaresaka io fa tsy ilay Vavahadin-tsoavaly nivezivezen’ireo soavaly tao an-tanàna. Teo amin’ny mandan’ny tanàna no nisy ny Vavahadin-tsoavaly satria niresaka momba azy io i Nehemia tamin’izy nitantara momba ny nanamboarana indray ny simba tamin’ny manda. Toa teo atsimoatsinanan’ny faritra nisy ny tempoly izy io. (Ne 3:28; Je 31:40) Tsy voatonona kosa izy io ao amin’ny fitantarana momba ny lalan’ireo nanao fitokanana, satria niala teo amin’ny manda ny antokony iray rehefa teo amin’ny Vavahadin-drano ary ny antokony iray kosa niala teo amin’ny manda rehefa teo amin’ny Vavahadin’ny Mpiambina. Tsy nandeha tamin’ny ilan’ny manda atsinanan’ny tempoly àry izy ireo, dia ilay ilany misy ny Vavahadin-tsoavaly sy ny Vavahady Fanaraha-maso.​—Ne 12:37-40.

Vavahady Fanaraha-maso. Misy miantso ny Vavahady Fanaraha-maso (heb.: hammifkad) hoe vavahady Mifikada. (Ne 3:31, Prot.; DIEM) Ahitana an’ilay teny hoe mifkad (teny hebreo mitovy ihany fa tsy misy an’ilay mpanoritra ha), ao amin’ny Ezekiela 43:21, ary nadika hoe “toerana voatokana” izy io. Misy milaza hoe ny Vavahady Fanaraha-maso ihany no Vavahadin’ny Mpiambina. Asehon’ny fitantaran’i Nehemia momba ny nanamboarana indray ny manda fa toa teo amin’ny manda atsinanana nifanandrify tamin’ny faritry ny tempoly no nisy ny Vavahady Fanaraha-maso, izany hoe teo avaratry ny Vavahadin-tsoavaly. (Ne 3:27-31) Nilaza i Nehemia fa nisy zorony ilay manda rehefa afaka an’ilay Vavahady Fanaraha-maso. Teo amin’ny manda atsinanana àry no nisy an’io vavahady io, teo atsimon’izay nisy kihony na zorony (azo inoana fa nivily nankany avaratrandrefana).

Milaza ilay fitantarana fa namboarina ny simba “teo akaikin’ny Vavahady Fanaraha-maso.” Misy àry mihevitra fa vavahadin’ny tempoly teo akaiky teo ny Vavahady Fanaraha-maso, fa tsy teo amin’ny mandan’ny tanàna. Toa tsy mitombina anefa izany satria voalaza koa fa namboarina ny simba hatreo amin’ny (na teo akaikin’ny) Vavahadin-drano, nefa ekena fa teo amin’ny mandan’ny tanàna io vavahady io. (Ne 3:26, 31) Tsy resahin’ny fitantarana momba ny fitokanana ny Vavahady Fanaraha-maso, satria toa tsy nandeha nanaraka ny manda teo atsinanan’ny tempoly ilay filaharam-be.

Vavahadin’ny Mpiambina. Teo amin’io vavahady io (“vavahadin-trano-maizina”, Prot.) no niala teo amin’ny manda ny antokony iray tamin’ireo filaharam-be tamin’ny fitokanana ka nankany amin’ny tempoly.​—Ne 12:39, 40.

Vavahady Afovoany. Nipetraka teo amin’ny Vavahady Afovoany ny manamboninahitra babylonianina, rehefa voagorobaka ny mandan’i Jerosalema. (Je 39:3) Azo inoana fa io vavahady io ihany ilay antsoina hoe Vavahadin’ilay Tanàna Taloha. Tsara toerana izy io, toy ny hoe teo afovoany satria teo no nihaona ny Manda lehibe (manda teo avaratry ny tanàna tranainy) sy ny manda teo andrefan’ny tanàna vaovao. Misy anefa mihevitra ny Vavahady Afovoany ho ny Vavahadin’i Efraima na ny Vavahadin-trondro.

Vavahadin’i Benjamina. Misy milaza azy io ho ny Vavahadin’ondry, ary mifanaraka tsara amin’ny fitantaran’i Jeremia izany, satria teo i Jeremia no nandeha tamin’izy ho any Anatota, any amin’ny faritanin’i Benjamina, any avaratratsinanan’i Jerosalema. (Je 37:11-13) Nipetraka teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina i Zedekia Mpanjaka tamin’i Ebeda-meleka niangavy ny hanafahana an’i Jeremia. (Je 38:7, 8) Ny Vavahadin’ondry tany avaratry ny tanàna no tena nila narovana indrindra, ka rariny raha teo ny mpanjaka no nipetraka nandritra ny fahirano nataon’ny Babylonianina. Misy anefa milaza hoe ny Vavahady Fanaraha-maso ihany no Vavahadin’i Benjamina.

Vavahady hafa. Nanaraka ny “lalana mankany amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, izay teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka” i Zedekia Mpanjaka, tamin’izy nandositra ny Babylonianina. (Je 52:7, 8; 39:4) Tsy tena fantatra izay nisy an’io “manda roa sosona” io. Heverina ankehitriny fa mety ho ny Vavahadin’ny Antontan-davenona na ny Vavahadin-doharano ilay vavahady nivoahan’i Zedekia, satria samy teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka izy ireo.​—2Mp 25:4, 5.

Milaza ny 2 Mpanjaka 23:8 fa nisy “toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna. Eo ankavia no misy an’io vavahadin’i Josoa io, raha miditra eo am-bavahadin’ny tanàna ny olona.” Vavahady tao anaty tanàna io “vavahadin’i Josoa” io, fa tsy teo amin’ny mandan’ny tanàna. Io no vavahady nankao amin’ny tranon’ny governora, ary teo ankavian’izay olona niditra teo am-bavahadin’ny tanàna izy io.

Vavahadin’ny tempoly. Vavahady Atsinanana. Nilaza i Nehemia fa nanamboatra ny simba koa ny mpiandry ny Vavahady Atsinanana. (Ne 3:29) Na dia misy aza milaza fa teo amin’ny mandan’i Jerosalema io vavahady io, dia tsy milaza izany ny fitantarana. Mety ho nifanandrify tamin’ny Vavahady Fanaraha-maso teo amin’ny mandan’ny tanàna kosa izy io. Azo inoana fa io ilay “vavahadin’ny mpanjaka teo atsinanana” resahin’ny 1 Tantara 9:18. Teo ny mpanjaka no niditra sy nivoaka rehefa nankao amin’ny tempoly.

Vavahadin’ny Fototra. Vavahadin’ny tempoly izy io, saingy tsy fantatra izay tena nisy azy.​—2Mp 11:6; 2Ta 23:5.

“Vavahady ambony tamin’ny tranon’i Jehovah.” Mety ho vavahady nankao amin’ny tokotany anatiny izy io. Io angamba ilay “vavahady vaovao tamin’ny tranon’i Jehovah”, izay toerana nitsarana an’i Jeremia sy namakian’i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia ny horonam-boky teo anatrehan’ny vahoaka. (Je 26:10; 36:10) Nantsoin’i Jeremia hoe “vavahady vaovao” izy io, satria mety ho vao haingana kokoa no namboarina raha oharina amin’ny vavahady hafa. Mety ho io ilay “vavahady ambony tamin’ny tranon’i Jehovah”, izay naorin’i Jotama Mpanjaka.​—2Mp 15:32, 35; 2Ta 27:3.

“Vavahadin’i Benjamina, dia ilay vavahady ambony mankao amin’ny tranon’i Jehovah. Azo inoana hoe vavahady mankao amin’ny tokotany anatiny izy io, teo amin’ny ilany avaratry ny tempoly.​—Je 20:2; ampit. Ezk 8:3; 9:2.

Vavahady Kanto. Vavahady tao amin’ilay tempoly naorin’i Heroda Lehibe. Teo i Petera no nanasitrana an’ilay lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. (As 3:1-10) Misy lovantsofina milaza fa io vavahady io ilay antsoina ankehitriny hoe Vavahady Volamena eo amin’ny mandan’ny tanàna, kanefa mety ho vavahady tao amin’ny faritry ny tempoly izy io, mety ho ilay nantsoina fahiny hoe “Vavahady Atsinanana.” Misy milaza fa mety ho iray amin’ireo vavahadin’ny tempoly teo amin’ny ilany atsinanana izy io, ary mankao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy. Nilaza i Josèphe fa 50 hakiho (22 m) ny haavon’izy io ary varahina avy any Korinto no nanaovana azy.

Vavahady hafa: Voaresaka koa ny “vavahady ao ambadik’ireo mpihazakazaka” sy ny “vavahadin’ny mpihazakazaka.” Vavahadin’ny tempoly ireo, saingy tsy fantatra izay tena nisy azy.​—2Mp 11:6, 19.

Vavahady dimy ihany no lazain’ny Mishnah Jiosy (Middôt 1:3) fa teo amin’ny tendrombohitra nisy an’ilay tempoly naorina indray tamin’ny andron’ny mpanjaka Heroda Lehibe, izany hoe vavahady teo amin’ny manda nanodidina ny faritry ny tempoly. Ireto avy izany: Ireo Vavahadin’i Holda eo atsimo (anankiroa), ny Vavahadin’i Kiponosy eo andrefana, ny Vavahadin’i Tadi (Todi) eo avaratra, ary ny Vavahady Atsinanana, izay misy ny sarin’ny Lapan’i Sosana. Milaza anefa i Josèphe fa nisy vavahady efatra tany andrefana. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 410 [xi, 5]) Hitan’ny mpikaroka ireo vavahady efatra ireo. Ireto avy izany (tononina avy any atsimo mianavaratra): Vavahady mivoaka eo ambonin’ny Andohalambon’i Robinson (eo ny lalana mankeo amin’ny tohatohatra midina mankany amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona); ny Vavahadin’i Barclay mitovy haavo amin’ny arabe; ny vavahady mankeo ambonin’ny Andohalambon’i Wilson, io vavahady io no manohana ny tetezana miampita ny Lohasahan’i Tyropoeona; ary ny Vavahadin’i Warren, izay mitovy haavo amin’ny arabe koa. Mety ho ny Vavahadin’i Barclay na ilay vavahady teo ambonin’ny Andohalambon’i Wilson ilay Vavahadin’i Kiponosy.

Milaza koa ny Mishnah fa nisy vavahady fito nankao amin’ilay tokotany tena nifanila tamin’ny tempoly.​—Middôt 1:4; jereo TEMPOLY.

Vavahady an’ohatra. Miresaka momba “ny vavahadin’ny fahamarinana” sy “ny vavahadin’i Jehovah” ny Salamo 118:19, 20. Voalaza ao fa ny marina no hiditra eo.​—Ampit. Mt 7:13, 14.

Lazaina hoe miditra eo amin’ny “vavahadin’ny fahafatesana” ny olona iray rehefa maty. (Sl 9:13; 107:18) Lasa any amin’ny fasana misy ny maty rehetra izy, izany hoe niditra teo amin’ny vavahadin’ny Fasana. (Isa 38:10; Mt 16:18) Manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana i Jesosy Kristy (Ap 1:18), ka matoky ny fiangonany fa tsy hihazona azy ireo mandrakizay ny fahafatesana sy ny Fasana. Nilaza ny apostoly Paoly fa maty daholo ireny rehetra ireny, lasa any amin’ny fahafatesana sy ny Fasana izy ireo, toa an’i Kristy. Nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana anefa i Kristy, sady tsy nafoiny tao amin’ny Fasana. (As 2:24, 31) Amin’ny farany, dia tsy hanan-kery eo amin’ny fiangonan’i Kristy ny fahafatesana sy ny Fasana, satria mbola hatsangana ny maty.​—1Ko 15:29, 36-38, 54-57.

Haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina rehefa hody any Ziona ny vahoakan’Andriamanitra. Hantsoina hoe Fiderana ny vavahadiny amin’izay. Hisokatra foana ny vavahadin’i Ziona, mba hampidirana ny fananan’ny firenena. Tsy atahorana ho azon’ny fahavalo mihitsy anefa izy io.​—Is 60:11, 18.

Izao no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana: Tanàna iray nantsoina hoe “Jehovah Mihitsy no Ao.” (Ezk 48:30-35) Manana vavahady 12 mitondra ny anaran’ny foko 12 teo amin’ny Israely izy io. Niresaka momba ny tempoly iray koa i Ezekiela, ka nanome tsipiriany momba azy io sy ny vavahadiny.​—Ezk 40–44.

Izao no voalaza momba an’i “Jerosalema Vaovao” ilay tanàna masina: Perla ny tsirairay amin’ireo vavahadiny 12, misy anjely (azo inoana hoe miambina) eo amin’ny vavahady tsirairay. Misokatra foana ireo vavahady ireo satria tsy misy alina ao, ary hampidirina eo amin’izy ireo ny voninahitra sy ny hajan’ireo firenena. Na dia avela hivoha foana aza ny fidirana ao amin’ilay tanàna dia tsy havela hankao izay manao zavatra ratsy, tsy madio, maharikoriko. Ireo mpandresy izay miezaka ny hadio foana, izany hoe ireo lasa mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy ihany no avelan’ny anjely hiditra. (Ap 21:2, 12, 21-27; 22:14, 15; 2:7; 20:4, 6) Hotahina ny vahoakan’ireo firenena eto an-tany izay mandeha amin’ny fahazavan’ilay tanàna.