Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavaka

Vavaka

Resaka atao amim-panajana amin’ilay tena Andriamanitra na amin’andriamanitra diso. Tsy voatery ho vavaka foana anefa izay resaka atao amin’Andriamanitra. Tsy vavaka mantsy ireo resaka natao nandritra ilay fitsarana tany Edena sy ilay resaka nataon’i Kaina. (Ge 3:8-13; 4:9-14) Tokony ho hita taratra ao amin’ny vavaka ny fitiavana, ny fatokisana, ny fanajana, ary ny fianteherana amin’ilay ivavahana. Ny teny hebreo sy grika mifandray amin’ny hoe mivavaka dia midika hoe mangataka, mitalaho, miangavy, mitalaho famindram-po, mitady, manontany, midera, ary misaotra.

Marina fa nampiasaina tamin’ny olona koa ny teny tany am-boalohany hoe mangataka sy mitalaho (Ge 44:18; 50:17; As 25:11), nefa tsy midika izany hoe ‘nivavahana’ ilay olona. Azo atao ny “mitalaho” na “miangavy” olona, nefa tsy midika izany hoe heverina ho Andriamanitra izy. Tsy hisy hitalaho anakampo amin’iny olona iny, na hanao izany rehefa tsy eo izy, toy ny ataon’ireo mivavaka amin’Andriamanitra.

Ilay “Mpihaino vavaka.” Hamafisin’ny Soratra Masina iray manontolo fa i Jehovah irery no tokony hivavahana (Sl 5:1, 2; Mt 6:9), fa “Mpihaino vavaka” izy (Sl 65:2; 66:19) ary manan-kery hanao zavatra ho an’izay mitalaho aminy. (Mr 11:24; Ef 3:20) Hadalana ny mivavaka amin’ireo andriamani-diso sy ny sampy mampiseho ny sarin’izy ireo, satria tsy afaka mandre na manao zavatra izy ireny, sady tsy afaka mifampitaha amin’ilay tena Andriamanitra. (Mpts 10:11-16; Sl 115:4, 6; Is 45:20; 46:1, 2, 6, 7) Hita fa hadalana ny mivavaka amin’izy ireny, rehefa noporofoina teo amin’ny Tendrombohitra Karmela hoe iza no tena Andriamanitra: I Bala sa Jehovah.​—1Mp 18:21-39; ampit. Mpts 6:28-32.

Misy milaza fa azo atao koa ny mivavaka amin’ny Zanak’Andriamanitra na amin’olon-kafa. Tena tsy mitombina anefa izany. Marina fa nisy resaka navantana tamin’i Jesosy Kristy tany an-danitra, nefa tena naningana izany. Niangavy an’i Jesosy toy izao, ohatra, i Stefana, taloha kelin’ny hahafatesany: “Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.” (As 7:59) Asehon’ny teny manodidina anefa ny nahatonga an’i Stefana hiteny toy izany. Nahazo fahitana i Stefana tamin’izay. Nahita “an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra” izy, ary nihevitra fa teo mihitsy i Jesosy ka azony nitalahoana satria nekeny hoe i Jesosy no lohan’ny fiangonana kristianina. (As 7:55, 56; Kl 1:18) Hoy koa ny apostoly Jaona any amin’ny faran’ny Apokalypsy: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!” (Ap 22:20) Asehon’ny teny manodidina koa fa nahazo fahitana i Jaona tamin’izay (Ap 1:10; 4:1, 2), ka nandre an’i Jesosy niresaka momba ny fiaviany amin’ny hoavy. Valin-tenin’i Jaona àry ilay teny etsy aloha satria tiany ho tonga i Jesosy. (Ap 22:16, 20) Nitovitovy tamin’ireo zava-nitranga tamin’i Stefana sy Jaona ireo ilay fahitana hafa azon’i Jaona ka nifampiresahany tamin’ny zavaboary iray tany an-danitra. (Ap 7:13, 14; ampit. As 22:6-22.) Tsy nisy mihitsy toe-javatra hafa niresahan’ny mpianatr’i Jesosy toy izany tamin’i Jesosy efa tany an-danitra. Hoy àry ny apostoly Paoly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”​—Fi 4:6.

Resahin’ilay lahatsoratra hoe FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA fa tokony hatao amin’ny alalan’ny Kristy Jesosy ny vavaka. Noho ny ran’i Jesosy natao sorona ho an’Andriamanitra dia “manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina isika”, izany hoe fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka, “amin’ny fo mahitsy sy fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana.” (He 10:19-22) I Jesosy Kristy irery àry no hany “lalana” ahafahana mihavana sy mivavaka amin’Andriamanitra.​—Jn 14:6; 15:16; 16:23, 24; 1Ko 1:2; Ef 2:18; jereo JESOSY KRISTY (Manana anjara asa lehibe ao amin’ny fikasan’Andriamanitra).

Iza no henoin’Andriamanitra? Afaka manatona an’i Jehovah Andriamanitra “Mpihaino vavaka” ny “karazan’olona rehetra.” (Sl 65:2; As 15:17) Marina fa nofidin’Andriamanitra ho ‘fananany manokana’ ny Israely, izay vita fifanekena taminy, nefa afaka nivavaka tamin’i Jehovah foana ny hafa firenena raha niaiky fa ny Israely no fitaovana nampiasain’Andriamanitra, ary ny tempoly tao Jerosalema no toerana nofidiny hanaovana sorona. (De 9:29; 2Ta 6:32, 33; ampit. Is 19:22.) Tsy nasiana fiavahany intsony ny Jiosy sy ny hafa firenena rehefa maty i Kristy. (Ef 2:11-16) Niaiky i Petera tamin’izy tao an-tranon’ilay Italianina atao hoe Kornelio fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (As 10:34, 35) Ny tena zava-dehibe àry dia ny fon’ilay mivavaka sy izay ampirisihin’ny fony. (Sl 119:145; Ft 3:41) Ireo mankatò ny didin’Andriamanitra sy manao “izay ankasitrahana eo imasony” dia matoky fa hihaino azy ireo ny “sofiny.”​—1Jn 3:22; Sl 10:17; Oh 15:8; 1Pe 3:12.

Tsy henoin’Andriamanitra kosa ireo tsy miraharaha ny Teniny sy ny lalàny, ka mandatsaka ran’olona na manao zava-dratsy hafa. “Maharikoriko” Azy ny vavaka ataon’izy ireo, (Oh 15:29; 28:9; Is 1:15; Mi 3:4) ary “lasa fahotana” mihitsy aza. (Sl 109:3-7) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony, ohatra, i Saoly Mpanjaka satria sahisahy ratsy sy nikomy. “Nanontany an’i Jehovah i Saoly, nefa tsy namaly azy mihitsy i Jehovah, na tamin’ny nofy na tamin’ny Orima, na tamin’ny alalan’ny mpaminany.” (1Sa 28:6) Eo koa ireo mpihatsaravelatsihy tia sehoseho rehefa mivavaka. Nilaza i Jesosy fa efa nahazo ny “valisoany rehetra” avy tamin’ny olona izy ireny fa tsy avy amin’Andriamanitra. (Mt 6:5) Niseho ho mpivavaka be ny Fariseo ka nanao vavaka lava be sy nirehareha hoe nanao ny tsara. Nomelohin’Andriamanitra anefa izy ireo satria nihatsaravelatsihy. (Mr 12:40; Lk 18:10-14) Am-bava fotsiny no nanatonan’izy ireo an’Andriamanitra fa ny fon’izy ireo kosa lavitra Azy sy ny fahamarinana ao amin’ny Teniny.​—Mt 15:3-9; ampit. Is 58:1-9.

Tsy maintsy mino ny olona iray hoe misy Andriamanitra sady “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (He 11:6) Porofoiny izany finoany izany ka manatona an’Andriamanitra amin’ny “fatokisana tanteraka avy amin’ny finoana” izy. (He 10:22, 38, 39) Tokony hiaiky ny olona iray hoe mpanota izy, ary raha nisy fahotana lehibe vitany dia ilainy ny ‘mampitony an’i Jehovah’ (1Sa 13:12; Da 9:13), ka ny fony mihitsy aloha no tena tokony hibebaka sy hanetry tena ary hanenina. (2Ta 34:26-28; Sl 51:16, 17; 119:58) Mety hanaiky ny fiangaviany àry Andriamanitra, ka hamela ny helony sy hihaino azy. (2Mp 13:4; 2Ta 7:13, 14; 33:10-13; Jk 4:8-10) Ho tsapany amin’izay fa tsy eo intsony ilay ‘rahona matevina nataon’Andriamanitra sakana tsy nahafahana nanatona azy, ka nanakana ny vavaka’ nataon’ilay olona. (Ft 3:40-44) Mety tsy ho tapaka tanteraka ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra, nefa mety ho “voasakana” ny vavaka ataony raha tsy manaraka ny torohevitr’Andriamanitra izy. (1Pe 3:7) Tsy maintsy mamela ny heloky ny hafa ireo rehetra te ho voavela heloka.​—Mt 6:14, 15; Mr 11:25; Lk 11:4.

Inona avy no azo atao antom-bavaka?

Matetika ny vavaka no fibabohana (2Ta 30:22), fiangaviana na fangatahana (He 5:7), fiderana na fisaorana (Sl 34:1; 92:1), na voady (1Sa 1:11; Mpto 5:2-6). Modely ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany, satria tsy ny teny rehetra tao amin’izy io no naverin’i Jesosy sy ny mpianany rehefa nivavaka izy ireo tatỳ aoriana. (Mt 6:9-13) Izay tena zava-dehibe no ifantohan’ireo teny voalohany ao amin’io vavaka io: Ny fanamasinana ilay anaran’i Jehovah izay nolotoina efa hatramin’ny fikomiana tao Edena; sy ny fanatanterahana ny sitrapony amin’ny alalan’ilay Fanjakana nampanantenaina. Ny Mesia, na Taranaka voalazan’ny faminaniana, no ho mpitondra an’io Fanjakana io. (Ge 3:15; jereo JEHOVAH [Hohamarinina ny zony hitondra, ary hohamasinina ny anarany].) Tsy maintsy manohana tanteraka ny zon’i Jehovah hitondra ireo manao an’io vavaka io.

Asehon’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 19:11-27, fa rehefa ‘ho tonga ilay Fanjakana’ dia hampihatra didim-pitsarana sy handringana ny mpanohitra rehetra izy io ary hitondra famelombelomana sy valisoa ho an’ireo miandrandra azy io. (Ampit. Ap 16:14-16; 19:11-21.) Tsy ny fanaovan’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra àry no tena tiana holazaina amin’ilay hoe “hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” Andriamanitra kosa no hanatanteraka ny sitrapony momba ny tany sy momba ny mponina eo aminy, mba hampisehoana fa manan-kery hanatanterahana ny fikasany efa voalaza mialoha Izy. Rehefa mivavaka kosa ilay olona hoe ‘hatao anie ny sitraponao’ dia asehony amin’izany fa sady tiany ny sitrapon’Andriamanitra no te hanao izany izy. (Mt 6:10; ampit. Mt 26:39.) Asehon’ny olona iray fa te hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana izy matoa mangataka ny hanina sahaza azy isan’andro sy famelan-keloka, fiarovana amin’ny fakam-panahy, ary fanafahana amin’ilay ratsy. Tsy ho azy irery ihany no angatahany an’izany, fa ho an’ny mpiray finoana aminy koa.​—Ampit. Kl 4:12.

Tena zava-dehibe amin’izay rehetra manam-pinoana ireo zavatra voaresaka ao amin’ilay vavaka modely ireo, sady mampiseho fa mitovy ihany ny zavatra ilain’izy ireo. Maro ny zavatra mety hisy vokany eo amin’ny olona iray, ary asehon’ny Soratra Masina fa azony atao antom-bavaka ireny. Misy ifandraisany amin’ireo zavatra voaresaka ao amin’ilay vavaka modely ireny, na dia tsy voatonona tao aza. Saika ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana àry no azo atao antom-bavaka.​—Jn 16:23, 24; Fi 4:6; 1Pe 5:7.

Rariny raha te hahazo fahalalana sy fahiratan-tsaina ary fahendrena bebe kokoa ny rehetra. (Sl 119:33, 34; Jk 1:5) Misy anefa mila an’izany amin’ny toe-javatra manokana. Mety hangataka ny tari-dalan’Andriamanitra toa an’i Mosesy, ohatra, ireo mikarakara raharaha ara-pitsarana (Ek 18:19, 26; ampit. No 9:6-9; 27:1-11; De 17:8-13), na ireo hanendry olona hitana andraikitra lehibe eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. (No 27:15-18; Lk 6:12, 13; As 1:24, 25; 6:5, 6) Mety hangataka hery sy fahendrena izy ireo mba hiantsorohana andraikitra sasany na mba hiatrehana fitsapana na loza. (Ge 32:9-12; Lk 3:21; Mt 26:36-44) Tsy mitovy ny antony hiderana sy hisaorana an’Andriamanitra, satria tsy mitovy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny tsirairay.​—1Ko 7:7; 12:6, 7; 1Te 5:18.

Niresaka momba ny vavaka “ho an’ny karazan’olona rehetra sy ho an’ny mpanjaka ary ho an’izay rehetra mitana toerana ambony” ny apostoly Paoly, ao amin’ny 1 Timoty 2:1, 2. Tamin’ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany, dia nivavaka izy hoe: “Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao aho fa ho an’ireo nomenao ahy ... Halan’izao tontolo izao anefa izy, satria tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jn 17:9, 14) Voafetra ihany àry ny vavaka azon’ny Kristianina atao ho an’ny manam-pahefana. Izay hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra no tena anton’izany vavaka izany, araka ny tenin’i Paoly hoe: “Mba hananantsika fiainana tony sy milamina hatrany, ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sy ny fahamendrehana tanteraka.” (1Ti 2:2) Taloha, ohatra, dia nivavaka i Nehemia mba hataon’Andriamanitra ‘hiantra azy’ i Artaksersesy Mpanjaka. (Ne 1:11; ampit. Ge 43:14.) Hoy koa i Jehovah tamin’ny Israelita: “Katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna [Babylona] nandefasako sesitany anareo. Mivavaha ... ho an’ilay tanàna, satria raha miadana io dia hiadana koa ianareo.” (Je 29:7) Nivavaka momba ny fandrahonan’ny mpitondra tamin’ny androny koa ny Kristianina (As 4:23-30), ary rehefa nivavaka ho an’i Petera tany am-ponja izy ireo, dia azo antoka fa niresaka momba an’ireo nanana fahefana hanafaka azy. (As 12:5) Nivavaka ho an’izay nanenjika azy koa izy ireo, araka ny torohevitr’i Kristy.​—Mt 5:44; ampit. As 26:28, 29; Ro 10:1-3.

Efa ela ny olona no nisaotra an’Andriamanitra noho ny sakafo sy ny zavatra hafa nomeny. (De 8:10-18; jereo koa Mt 14:19; As 27:35; 1Ko 10:30, 31.) Tokony hankasitraka ny hatsaran-toetran’Andriamanitra ny olona, tsy noho ireny fitahiana ireny ihany fa noho ny “zava-drehetra” koa.​—1Te 5:17, 18; Ef 5:19, 20.

Tokony hahalala ny sitrapon’Andriamanitra àry izay mivavaka satria tsy maintsy mifanaraka amin’izany ny tonom-bavaka ataony vao hankasitrahana. Tsy tian’Andriamanitra ireo ratsy toetra sy ireo tsy miraharaha ny Teniny ka tsy azo atao ny mangataka zavatra mifanohitra amin’ny fahamarinana sy ny sitrapon’Andriamanitra voasoratra, anisan’izany ny fampianaran’ny Zanak’Andriamanitra sy ny an’ireo mpianany notarihin’ny fanahy. (Jn 15:7, 16) Ny hoe “na inona na inona angatahinareo” àry (Jn 16:23) dia tsy midika hoe azo angatahina daholo izay rehetra fantatra sy inoana, nefa tsy mampifaly an’Andriamanitra. Hoy i Jaona: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1Jn 5:14; ampit. Jk 4:15.) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha misy roa aminareo etỳ an-tany, mifanaraka fa hangataka amim-bavaka momba ny raharaha lehibe iray, dia hotanterahin’ny Raiko izay any an-danitra izany.” (Mt 18:19) Marina fa azo atao ny mangata-javatra toy ny sakafo, nefa tsy mety ny mangataka harena sy voninahitra, araka ny Matio 6:19-34 sy 1Jaona 2:15-17. Tsy mety koa ny mivavaka ho an’ireo nomelohin’Andriamanitra.​—Je 7:16; 11:14.

Milaza ny Romanina 8:26, 27 fa tsy fantatry ny Kristianina indraindray, izay holazaina ao anaty vavaka. Fantatr’Andriamanitra anefa izay ‘mampitoloko’ azy ao am-pony tsy miloaka ao. Amin’ny alalan’ny fanahiny no ahalalany izany, hoy ilay apostoly. Tsara hotadidina fa nampiasa ny fanahiny Andriamanitra rehefa nosoratana ny Soratra Masina. (2Ti 3:16, 17; 2Pe 1:21) Tantaraina ao ny zava-nitranga sy toe-javatra mitovitovy amin’izay hitranga amin’ny mpanompon’Andriamanitra atỳ aoriana. Voalaza ao koa ny fomba itarihan’Andriamanitra sy anampiany ny mpanompony. (Ro 15:4; 1Pe 1:6-12) Efa tao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny zavatra tokony ho nangatahin’ilay Kristianina (fa tsy hainy nolazaina), saingy mety tsy ho takany izany raha tsy rehefa azony ny fanampiana nilainy.​—Ampit. 1Ko 2:9, 10.

Mamaly vavaka Andriamanitra. Nifampiresaka nivantana tamin’ny olona sasany Andriamanitra fahiny. Tsy nanao izany afa-tsy tamin’ireo solontena manokana toa an-dry Abrahama sy Mosesy anefa izy. (Ge 15:1-5; Ek 3:11-15; ampit. Ek 20:19.) Na tamin’izany aza, dia nampiasa anjely foana Izy mba hampita ny teniny, afa-tsy tamin’Izy niresaka tamin’ny Zanany sy niresaka momba io Zanany io teto an-tany. (Ampit. Ek 3:2, 4; Ga 3:19.) Mahalana koa vao nisy anjely nitafy vatana nampita hafatra, satria mazàna no taitaitra be ihany ireo naharay an’ilay hafatra. (Mpts 6:22; Lk 1:11, 12, 26-30) Maro àry ny valim-bavaka nampitaina tamin’ny alalan’ny mpaminany, na koa tonga dia nomena na tsy nomena ilay zavatra nangatahina. Matetika no mora fantatra ny valim-bavaka avy amin’i Jehovah, rehefa afahany amin’ny fahavalony ny mpanompony (2Ta 20:1-12, 21-24) na omeny izay ilain’izy ireo amin’ny fotoan-tsarotra. (Ek 15:22-25) Tsy mora hita anefa ny ankamaroan’ny valim-bavaka, satria mety ho fahalalana sy hery anaovana izay tsara no azon’ilay olona, ka manampy azy handeha foana amin’ny lalan’ny fahamarinana sy hamita ny asa nanendren’Andriamanitra azy. (2Ti 4:17) Na dia tsy miavaka be toy ny fahagagana fahiny aza ny valim-bavaka ho an’ny Kristianina, dia tsy latsa-danja satria mahakasika ny fifandraisany amin’Andriamanitra.​—Mt 9:36-38; Kl 1:9; He 13:18; Jk 5:13.

Toy izao ny vavaka henoin’Andriamanitra: Tsy maintsy avantana amin’ilay tokony hivavahana ilay vavaka, izany hoe amin’i Jehovah; tsy maintsy mifanaraka amin’ny fikasany efa nolazainy; tsy maintsy atao amin’ny alalan’ilay nofidiny, dia i Kristy Jesosy; tsy maintsy atao amim-pahatsorana sy amin’ny fo madio. (Ampit. Jk 4:3-6.) Ilaina koa ny fikirizana. Hoy i Jesosy: ‘Mangataha foana, mitadiava foana, dondòny foana’, fa aza mitsahatra. (Lk 11:5-10; 18:1-7) Nanontany koa izy raha mbola hisy olona mino ny herin’ny vavaka eto an-tany, rehefa ho “tonga” izy amin’ny hoavy. (Lk 18:8) Asehon’ny Soratra Masina fa tsy hoe tsy mahay na tsy te hamaly Andriamanitra matoa toa ela vao mivaly ny vavaka sasany. (Mt 7:9-11; Jk 1:5, 17) Tsy maintsy nandrasana kosa indraindray ny “fotoana voatondrony.” (Lk 18:7; 1Pe 5:6; 2Pe 3:9; Ap 6:9-11) Amin’ny ankapobeny anefa dia tian’Andriamanitra ho hita hoe tena zava-dehibe amin’ilay mivavaka ve ny zavatra angatahiny, tena iriny ve ilay izy, ary inona no tena antony ivavahany. (Sl 55:17; 88:1, 13; Ro 1:9-11) Tsy maintsy mitolona ela be toa an’i Jakoba indraindray ireo mivavaka mba hahazoana fitahiana.​—Ge 32:24-26.

Tsy voatery hamaly vavaka iray i Jehovah Andriamanitra satria fotsiny hoe maro be no indray mangataka azy io. Manao zavatra anefa izy rehefa hitany fa tena mampanahy ny mpanompony maromaro ny raharaha iray ka miara-mangataka an’izany izy ireo. (Ampit. Ek 2:23-25.) Raha tsy dia miraika kosa izy ireo, dia tsy hanao zavatra indray Andriamanitra. Tsy nanohana tsara ny asa, ohatra, ny olona rehefa naorina indray ilay tempoly tao Jerosalema (Ezr 4:4-7, 23, 24; Hg 1:2-12), ka tapatapaka sy taraiky be ilay asa. Tao anatin’ny 52 andro monja anefa dia voaorina indray ny mandan’ilay tanàna tamin’ny andron’i Nehemia, satria sady nivavaka no nanohana tsara an’ilay asa ny olona. (Ne 2:17-20; 4:4-23; 6:15) Nanoratra ho an’ny fiangonana tany Korinto i Paoly ary nilaza fa nanafaka azy Andriamanitra tamin’izy saika maty. Hoy izy: “Ianareo koa afaka manampy rehefa mitalaho amim-bavaka ho anay. Amin’izay dia hanao fisaorana noho ny aminay ny maro, noho izay omena anay amin-katsaram-panahy, vokatry ny vavaka ataon’ny maro.” (2Ko 1:8-11; Ampit. Fi 1:12-20.) Zava-dehibe foana ny mivavaka ho an’ny hafa, na olon-tokana no manao izany na maromaro. Nampirisika ny olona ‘hifampivavaka’ i Jakoba ka hoy izy: “Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.”​—Jk 5:14-20; ampit. Ge 20:7, 17; 2Te 3:1, 2; He 13:18, 19.

Zava-dehibe koa ny “miangavy” imbetsaka an’i Jehovah Mpanjakan’izao rehetra izao. Lazain’ilay olona mivavaka ireo antony mahatonga azy hihevitra fa mety ny fangatahany fa tsy tia tena izy, ary asehony fa misy zavatra hafa mafonja kokoa tafiditra, toy ny voninahitry ny anaran’Andriamanitra na izay hahasoa ny vahoakany, na izay mety ho vokany raha mamaly ilay vavaka Andriamanitra na tsia. Azo atao ny miangavy an’Andriamanitra mba hanao ny rariny, ho tsara fanahy sy ho be fitiavana, ary hamindra fo. (Ampit. Ge 18:22-33; 19:18-20; Ek 32:11-14; 2Mp 20:1-5; Ezr 8:21-23.) Eo koa i Kristy Jesosy mba ‘hiangavy’ ho an’ireo mpanara-dia azy tsy mivadika.​—Ro 8:33, 34.

Vavaka sy hira fiderana an’Andriamanitra no ao amin’ny bokin’ny Salamo iray manontolo, ka ahalalantsika ny fomba fivavaka mety. Maro be ny vavaka miavaka, anisan’ireny ny vavaka nataon’i Jakoba (Ge 32:9-12), Mosesy (De 9:25-29), Joba (Jb 1:21), Hana (1Sa 2:1-10), Davida (2Sa 7:18-29; 1Ta 29:10-19), Solomona (1Mp 3:6-9; 8:22-61), Asa (2Ta 14:11), Josafata (2Ta 20:5-12), Elia (1Mp 18:36, 37), Jona (Jo 2:1-9), Hezekia (2Mp 19:15-19), Jeremia (Je 20:7-12; bokin’ny Fitomaniana), Daniela (Da 9:3-21), Ezra (Ezr 9:6-15), Nehemia (Ne 1:4-11), Levita sasany (Ne 9:5-38), Habakoka (Ha 3:1-19), Jesosy (Jn 17:1-26; Mr 14:36), ary ny mpianatr’i Jesosy (As 4:24-30).​—Jereo EMBOKA MANITRA (Heviny an’ohatra); FIHETSIKA SY FANAO.