Vavony
Kitapo lehibe anisan’ny lalan-kanin’ny olombelona sy ny biby. Misy efitrefitra efatra ny vavonin’ny biby sasany. Voalazan’ny Lalàna fa rehefa nisy biby natao sorona, dia tsy maintsy nomena ho an’ny mpisorona ny vavoniny (heb.: kevah). (De 18:3) Milaza ny Soratra Grika Kristianina fa nampirisihin’ny apostoly Paoly hisotro divay kely i Timoty noho ny vavoniny (gr.: stômakôs).—1Ti 5:23.
Rehefa miresaka ny Soratra Hebreo hoe ‘kibo’, dia anisan’izany koa ny vavony indraindray. (Oh 13:25; Jo 1:17) Toy izany koa ny hoe “kibo” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, toy ilay ao amin’ny Romanina 16:18 sy 1 Korintianina 6:13.—Jereo KIBO.