Vay
Fivontosana eo amin’ny hoditra. Tsy vokatry ny ratra izy io fa vokatry ny bakteria mamely ny fihary volo, na fihary dinitra, na fihary menaka mahamandina ny hoditra. Shehin no teny hebreo ho an’ny vay. Mibontsina kely menamena ny vay amin’ny voalohany, ary avy eo mamoaka nana. Mivoaka ny akalam-bay amin’ny farany. Mety hisy vay maromaro miaraka eo amin’ny vatana. Misy karazana vay tena ratsy satria ngezabe, ary indraindray manaintaina kokoa. Mety hiteraka aretina andoha sy fanaviana ary harerahana be izy io, ary indraindray mahafaty.
Feno ‘vay namoro-nana’ sy nanaintaina ny Ejipsianina sy ny biby eran’i Ejipta, rehefa nandefa ny loza fahenina i Jehovah. (Ek 9:8-11) Mety ho fivontosana feno nana izany, ary mety ho nisy vay maromaro teo amin’ny faritra iray tamin’ny vatan’izy ireo. Tsy tena fantatra anefa izay aretina maoderina mifanitsy aminy, satria fohy ny fitantaran’ny Baiboly momba ilay izy.
Nilaza mialoha i Jehovah fa raha tsy mankatò ny Israelita, dia hisy aretina hanjo azy ireo, anisan’izany ny “vain’i Ejipta.” Voalaza koa hoe: “Hasian’i Jehovah amin’ny vay mampanaintaina be [heb.: bishhinraʽ] ianao eo amin’ny lohalikao roa sy ny tongotrao roa, ary hatrany an-tampon-dohanao ka hatrany am-paladianao. Tsy ho sitrana amin’izany mihitsy ianao.”—De 28:15, 27, 35.
Milaza ny Lalàna fa mety hisy hibontsimbontsina na tasy eo amin’izay avy nisy vay. Mety ho habokana izany. Mety holazain’ny mpisorona avy hatrany hoe maloto sy boka àry ilay olona, na tsy maintsy atokan-toerana fito andro. Raha tsy nitatra ilay izy taorian’izay, dia “vay masaka” fotsiny, ka nambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona.—Le 13:18-23.
Nasian’i Satana ‘vay nampanaintaina be’ (heb.: bishhinraʽ) i Joba “hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.” (Jb 2:7) Tsy fantatra marina ny anaran’io aretina nanjo azy io. Mafy ny nahazo azy ka naka vakim-bilany tanimanga izy mba hikikisany ny tenany. (Jb 2:8) Rakotra olitra sy nisy takopery ny hodiny (Jb 7:5), ary naharikoriko ny fofonainy (Jb 19:17). Nanaintaina mafy sy nivalomainty izy, ary nihofakofaka koa ny hodiny (Jb 30:17, 30).
Nisy vay i Hezekia mpanjakan’ny Joda, ka “narary efa ho faty.” Nasain’i Isaia nalaina ny mofo vita tamin’ny aviavy maina noporetina ka natao petagilasy teo amin’ilay vay. Nihasitrana àry i Hezekia. (2Mp 20:1, 7; Is 38:1, 21) I Jehovah anefa no nanasitrana azy, raha ny marina.—2Mp 20:5.