Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy

Vehivavy

Olombelona vavy efa lehibe; avy amin’ny teny hebreo hoe ʼish·shah (a.b.t.: lehilahy vavy), izay adika koa hoe “vehivavy manambady.” Adika koa hoe “vehivavy” na “vehivavy manambady” ny teny grika hoe gyne.

Ny namoronana azy. Nomen’Andriamanitra Mpamorona namana olombelona i Adama raha mbola tsy nangataka akory. Hoy mantsy i Jehovah, rehefa avy nametraka an’i Adama tao amin’ny zaridainan’i Edena sy nanome azy lalàna momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Ge 2:18) Tsy notereny haka biby ho namana i Adama, fa nentiny teo aminy kosa ireny mba homeny anarana. Tsy te hanao firaisana tamin’ny biby i Adama, satria hitany hoe tsy nisy nifanentana taminy ireny. (Ge 2:19, 20) “Koa nataon’i Jehovah Andriamanitra renoky ny torimaso lalina ralehilahy, ary raha mbola natory izy, dia nalain’Andriamanitra ny taolan-tehezany iray. Ary nakatony ny nofo teo amin’ilay nisy azy. Ary i Jehovah Andriamanitra nanao vehivavy tamin’ilay taolan-tehezana nalainy tamin-dralehilahy. Dia nentiny ho any amin-dralehilahy ravehivavy. Ary hoy ralehilahy: ‘Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe Vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.’”​—Ge 2:21-23.

Toerana tanana sy andraikitra. Noforonina avy tamin’ny lehilahy ny vehivavy ka tsy nisy izy raha tsy teo ny lehilahy. “Nofo iray ihany” izy sy ny lehilahy. Famenon’ny lehilahy sy mpanampy ho azy izy ka tokony hanaiky azy ho lohany. Tokony harahiny koa ilay lalàna nomen’Andriamanitra an’i Adama momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Andraikiny ny nanasoa ny vadiny. Tokony hiteraka izy ireo ary hanjaka amin’ny biby.​—Ge 1:28; 2:24.

Nanambady ny ankamaroan’ny vehivavy tamin’ny andro fahiny. Ny andraikitry ny vehivavy manambady àry no tena resahin’ny Baiboly. Voalohany, tokony hanompo an’i Jehovah Andriamanitra sy hanaraka ny fivavahana marina ny vehivavy rehetra tany Israely. Izany no nataon’i Abigaila, izay lasa vadin’i Davida rehefa maty i Nabala vadiny. Lehilahy tsy manjary izy io ary tsy nety nanampy an’i Davida voahosotr’i Jehovah. Takatr’i Abigaila anefa fa tsy voatery hanohitra ny sitrapon’i Jehovah hoatran’ny vadiny izy. Nanampy an’ilay voahosotr’i Jehovah sy nanohana ny fivavahana marina foana àry izy ka notahin’i Jehovah.​—1Sa 25:23-31, 39-42.

Faharoa, tokony hankatò ny vadiny ny vehivavy. Andraikiny ny miezaka mafy mikarakara ny ankohonany sy manome voninahitra ny vadiny. Voninahitra lehibe indrindra ho an’ny vehivavy izany. “Manamafy orina ny ankohonany ny vehivavy tena hendry, fa manimba izany kosa ny vehivavy adala.” (Oh 14:1) Tokony hilaza zavatra tsara momba ny vadiny foana izy, mba hanajan’ny olona bebe kokoa an’ilay lehilahy. Ho afaka hirehareha ny aminy ilay vadiny amin’izay. “Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara toetra, fa toy ny lo mikiky ny taolan-dralehilahy kosa izy raha manao izay mahamenatra.” (Oh 12:4) Resahin’ny Ohabolana toko faha-31 ny toerana mendri-kaja tanan’ny vehivavy manambady, ary ny fitahiana azony noho izy tsy mivadika sy mazoto miasa ary hendry.​—Jereo VEHIVAVY MANAMBADY.

Nanabe ny zanany hanao ny marina, hanaja olona, ary hazoto hiasa ny vehivavy hebreo. Matetika koa izy no nanoro hevitra sy nandrisika ny zanany lahy lehibe hanao ny tsara. (Ge 27:5-10; Ek 2:7-10; Oh 1:8; 31:1; 2Ti 1:5; 3:14, 15) Nobeazin-dreniny ho lasa vady tsara ny ankizivavy ka nampianariny hahay hahandro, hanenona, ary hikarakara tokantrano. Ny ankizilahy kosa nampiofanin-drainy hianatra asa. Afaka nilaza ny heviny tamin’ny vadiny ny vehivavy (Ge 16:5, 6), ary indraindray afaka nanampy azy hanapa-kevitra tsara.​—Ge 21:9-13; 27:46–28:4.

Matetika ny ray aman-dreny no nifidy vady ho an’ny zanany lahy. Afaka nilaza ny fihetseham-pony sy ny sitrapony anefa ny zazavavy teo ambanin’ny Lalàna, toy ny nataon’i Rebeka taloha. (Ge 24:57, 58) Azo natao ny nanambady maro, fa rehefa niorina ny fiangonana kristianina vao notakin’Andriamanitra indray hoe tokana ihany ny vadin’ny olona iray. (Ge 2:23, 24; Mt 19:4-6; 1Ti 3:2) Nisy fitsipika nifehy ny fananana vady maro anefa.

Niahy ny mpivady koa ny lalàna momba ny miaramila, satria nomena alalana tsy hanao miaramila herintaona ny lehilahy vao nampaka-bady. Nanan-jo hanan-janaka mantsy izy mivady. Ho fampiononana ho an’ilay reny koa ilay zanany rehefa lasa niantafika ny vadiny, na raha sanatria maty an’ady.​—De 20:7; 24:5.

Nitovy ny sazin’ny lehilahy sy vehivavy meloka ho nanitsakitsa-bady, nanao firaisana tamin’olom-pady na tamin’ny biby, ary nanao heloka hafa. (Le 18:6, 23; 20:10-12; De 22:22) Tsy tokony hanao fitafian-dehilahy ny vehivavy sao halaim-panahy haloto fitondran-tena sy hanao firaisana amin’ny vehivavy. Tsy tokony hanao fitafiam-behivavy koa ny lehilahy sao halaim-panahy toy izany. (De 22:5) Nandray soa tamin’ny lalàna nifehy ny Nazirita, ny lalàna momba ny Sabata sy ireo fety, ary ny lalàna hafa rehetra ny vehivavy. (Ek 20:10; No 6:2; De 12:18; 16:11, 14) Tokony hohajaina sy hankatoavina ny reny (sy ny ray koa).​—Le 19:3; 20:9; De 5:16; 27:16.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Samy antsoin’Andriamanitra ho any an-danitra (He 3:1) ho mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy na lehilahy na vehivavy. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Zanak’Andriamanitra ianareo rehetra noho ny finoanareo an’i Kristy. Tsy misy intsony na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.’ (Ga 3:26-28) Ho lasa “fanahy tahaka an’Andriamanitra” izy rehetra rehefa atsangana amin’ny maty, ka tsy hisy hoe vehivavy intsony satria tsy misy vavy ireo anjely any an-danitra. Ny zavaboary eto an-tany ihany no nataon’Andriamanitra hoe lahy sy vavy mba hiteraka.​—2Pe 1:4.

Mpitory ny vaovao tsara. Anisan’ireo nahazo ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 ny vehivavy, izay lazain’ny faminanian’i Joela hoe ‘zanakavavy’ sy ‘mpanompovavy.’ Niteny tamin’ny fiteny hafa mbola tsy fantany àry izy ireo nanomboka teo, ary ‘naminany.’ Tsy hoe nanambara ny hoavy akory izy ireo, fa nilaza ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.​—Jl 2:28, 29; As 1:13-15; 2:1-4, 13-18; jereo MPAMINANIVAVY.

Tsy ny mpiara-manompo taminy ihany no niresahany ny fahamarinana. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (As 1:8) Nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatra 120 teo ho eo (nisy vehivavy koa) tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nahazo hery hijoroana ho vavolombelon’i Jesosy. (As 1:14, 15; 2:3, 4) Niresaka momba ny vehivavy koa ilay faminanian’i Joela (2:28, 29) notononin’i Petera tamin’izay. Anisan’ireo nanana andraikitra ho vavolombelon’i Jesosy ‘tany Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany’ àry ny vehivavy. Nilaza i Paoly fa “niara-niasa mafy [taminy] teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara” i Eodia sy Syntyke tany Filipy. Nilaza koa i Lioka fa ‘nanazava ny lalan’Andriamanitra’ i Prisila niaraka tamin’i Akoila vadiny tany Efesosy.​—Fi 4:2, 3; As 18:26.

Fivorian’ny fiangonana. Afaka nivavaka na naminany ny vehivavy tany amin’ny fivoriana sasany, nefa tsy maintsy nisaron-doha. (1Ko 11:3-16; jereo SARON-DOHA.) Tokony “hangina” kosa izy ireo tany amin’ny fivoriana ho an’ny besinimaro, rehefa nivory teo amin’ny toerana iray “ny fiangonana manontolo” sy ireo “tsy mpino.” (1Ko 14:23-25) Raha ‘nisy zavatra tiany ho fantatra kosa, dia aoka izy hanontany ny vadiny any an-trano, fa mahamenatra raha miteny eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy.’​—1Ko 14:31-35.

Azon’ny vehivavy natao anefa ny nampianatra olona tany ivelan’ny fiangonana, raha naniry hahalala ny fahamarinana sy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy ilay olona. (Ampit. Sl 68:11.) Azony ‘nampianarina zavatra tsara’ koa ireo vehivavy tanora (sy ankizy) teo anivon’ny fiangonana. (Tit 2:3-5) Tsy nanana fahefana na nahazo niady hevitra tamin’ny lehilahy anefa izy, ohatra, nandritra ny fivorian’ny fiangonana. Tokony hotadidiny izay nanjo an’i Eva sy izay nolazain’Andriamanitra momba ny toeran’ny vehivavy taorian’ny nanotan’i Adama sy Eva.​—1Ti 2:11-14; Ge 3:16.

Lehilahy no mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana. Nanolotra “lehilahy ho fanomezana” ho an’ny fiangonana i Kristy. Tsy misy vehivavy amin’ireo, satria amin’ny endriny milaza lahy daholo ny teny grika nadika hoe “apostoly”, “mpaminany”, “mpitory ny vaovao tsara”, “mpiandry” ary “mpampianatra.” (Ef 4:8, 11) Toy izao no ilazan’ny Baiboly frantsay Teny Velona ny Efesianina 4:11: “Nanome antsika rahalahy sasany ho apostoly izy, ny sasany ho mpitondra tenin’Andriamanitra, ny sasany ho mpitory ny filazantsara, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra.”​—Ampit. TV; jereo koa Sl 68:18.

Mifanaraka tanteraka amin’izany koa ny nilazan’i Paoly tamin’i Timoty fa tokony ho lehilahy ny “mpiandraikitra” (episkôpôi) na “anti-panahy” (presbyterôi), sy “mpanampy amin’ny fanompoana” (diakônôi), ary tokony hoe “manambady tokana” raha manambady izy. Tsy nisy mihitsy apostoly nilaza hoe nisy vehivavy “diakona” (diakônissa).​—1Ti 3:1-13; Tit 1:5-9; ampit. As 20:17, 28; Fi 1:1.

Nilaza i Paoly hoe “mpanompo” (diakônôs, teny grika tsy misy mpanoritra voafaritra) i Foiby. (Ro 16:1) Tsy voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana anefa izy satria tsy natao ho an’ny vehivavy mihitsy izany andraikitra izany, raha jerena ny Baiboly. Tsy nilaza tamin’ny fiangonana i Paoly hoe tokony horaisin’izy ireo tsara ny toromarik’i Foiby, fa hoe tokony horaisiny tsara izy ary ‘hampiany amin’izay ilany azy ireo.’ (Ro 16:2) Mpanompo àry i Foiby satria nitory ny vaovao tsara niaraka tamin’ny fiangonan’i Kenkrea.​—Ampit. As 2:17, 18.

Ao an-trano. “Fanaka malemy kokoa” ny vehivavy, hoy ny Baiboly, ka tokony homen’ny vadiny voninahitra. (1Pe 3:7) Voninahitra ho azy, ohatra, ny mampianatra ny zanany sy mitantana ny tokantranony, mifanaraka amin’izay tian’ny vadiny sy ny tari-dalana omen’izy io. (1Ti 5:14; 1Pe 3:1, 2; Oh 1:8; 6:20; toko 31) Tokony hanaiky ny vadiny koa izy (Ef 5:22-24), ary hanao ny adidiny aminy.​—1Ko 7:3-5.

Haingo. Tsy raran’ny Baiboly ny miakanjo tsara sy manao firavaka. Tokony ho maotina anefa izany. Nilaza koa i Paoly fa tokony hilamina tsara ny fitafian’ny vehivavy, ary tokony hihaingo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” izy. Tsy ny taovolo iangaliana fatratra, na firavaka, na akanjo lafo vidy no tokony himatimatesany fa izay hahatsara toetra azy, dia ny “asa tsara” sy “ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika.”​—1Ti 2:9, 10; 1Pe 3:3, 4; ampit. Oh 11:16, 22; 31:30.

Hoy ny apostoly Petera momba ireo vehivavy manaiky sy manaja vady ary madio fitondran-tena: “Zanak’i Saraha ianareo raha manao ny tsara foana, sady tsy matahotra an’izay mampihorohoro.” Tsy taranak’i Saraha ara-bakiteny akory izy ireo, fa manahaka azy. Voninahitra tokoa izany! Niteraka an’i Isaka i Saraha ka lasa razamben’i Jesosy Kristy, ilay voalohany amin’ny ‘taranak’i Abrahama.’ (Ga 3:16) Azo antoka àry fa homen’Andriamanitra valisoa lehibe koa ny vehivavy kristianina miezaka ho zanak’i Saraha, na dia tsy mpino aza ny vadiny.​—1Pe 3:6; Ge 18:11, 12; 1Ko 7:12-16.

Vehivavy nikarakara an’i Jesosy. Nanana tombontsoa ireo vehivavy niaraka tamin’i Jesosy tamin’izy nanompo teto an-tany, saingy tsy toy ny an’ireo apostoly 12 na ireo 70 lahy mpitory ny vaovao tsara. (Mt 10:1-8; Lk 10:1-7) Maromaro ny vehivavy nampiasa ny fananany hikarakarana an’i Jesosy. (Lk 8:1-3) Nanosotra menaka azy ny vehivavy iray, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Hoy àry i Jesosy: “Na aiza na aiza itoriana ity vaovao tsara ity eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.” (Mt 26:6-13; Jn 12:1-8) Nisy vehivavy koa nisehoan’i Jesosy tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty, sy tatỳ aoriana kokoa.​—Mt 28:1-10; Jn 20:1-18.

Heviny an’ohatra. Resahin’ny andininy maromaro ho toy ny vehivavy ny fiangonana na ny fitambaran’olona na ny tanàna. Lazaina hoe ‘ampakarin’i Kristy’ ny fiangonany be voninahitra, izay antsoina koa hoe “ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao.”​—Jn 3:29; Ap 21:2, 9; 19:7; ampit. Ef 5:23-27; Mt 9:15; Mr 2:20; Lk 5:34, 35.

Nantsoin’i Jehovah hoe “vehivavy” koa ny fiangonana na ny firenen’Israely, ka izy no ‘vadiny sy tompony’ noho izy nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’izy ireo. Nantsoin’i Jehovah hoe “vehivavy” koa i Jerosalema, foiben’ilay firenena, ao amin’ny faminaniana momba ny fampodiana ny Israelita. Ireo Israelita no ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavin’io’ vehivavy io.​—Is 43:5-7; 51:17-23; 52:1, 2; 54:1, 5, 6, 11-13; 66:10-12; Je 3:14; 31:31, 32.

Oharina amin’ny vehivavy koa ny firenena na tanàna hafa, ao amin’ny andininy maro. Anisan’izany i Moaba (Je 48:41), Ejipta (Je 46:11), Babylona (Je 51:13), ary Babylona Lehibe.​—Ap 17:1-6; jereo BABYLONA LEHIBE; ZANAKAVAVY.

Ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy 3:15. Nampanantena Andriamanitra rehefa nanameloka an’i Adama sy Eva razamben’ny olombelona, fa hisy taranaky ny “vehivavy” hanorotoro ny lohan’ny menarana. (Ge 3:15) Io ilay “zava-miafina masina” nokasain’Andriamanitra hampahafantarina amin’ny fotoana voatondrony. (Kl 1:26) Azo fantarina ihany avy tamin’izay nitranga tamin’ny fotoana nilazana ilay faminaniana anefa hoe iza ilay “vehivavy.” Tsy olombelona ilay taranany hanorotoro ny lohan’ny menarana, satria tsy menarana ara-bakiteny ilay nomelohin’Andriamanitra. Milaza kosa ny Apokalypsy 12:9 fa i Satana Devoly ilay “menarana.” Tsy olombelona toa an’i Maria renin’i Jesosy àry ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy. Nohazavain’i Paoly ao amin’ny Galatianina 4:21-31 hoe iza izy io.​—Jereo TARANAKA No. 2.

Niresaka momba an’i Saraha vadin’i Abrahama sy Hagara vadikeliny i Paoly. Mifanitsy amin’i Hagara, hoy izy, i Jerosalema teo ambanin’ny Lalàna, ary ireo Jiosy ny “zanany.” Vehivavy afaka kosa i Saraha, ary mifanitsy aminy ilay “Jerosalema any ambony” izay reny ara-panahin’i Paoly sy ireo voahosotra namany. ‘Renin’i Kristy’ koa io ‘reny’ any an-danitra io, satria i Kristy no lahimatoa amin’ireo rahalahiny ara-panahy, izay samy naterak’Andriamanitra Rain’izy ireo.​—He 2:11, 12; jereo VEHIVAVY AFAKA.

“Vehivavy” an’ohatra àry ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy 3:15. Tsy vehivavy iray ilay ‘ampakarin’i Kristy’ na ‘vadiny’, fa Kristianina voahosotra maro. (Ap 21:9) Tsy vehivavy iray koa ilay “vehivavy” na ‘vadin’Andriamanitra’ (resahin’ireo faminanian’i Isaia sy Jeremia etsy aloha), izay niteraka an’ireo zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy, fa ireo rehetra anisan’ilay fandaminany any an-danitra.

Miresaka momba an’io “vehivavy” io ny Apokalypsy toko faha-12, izay fahitana hitan’i Jaona. Tera-dahy ravehivavy, dia mpitondra “hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by.” (Ampit. Sl 2:6-9; 110:1, 2.) Ela be taorian’ny nahaterahan’i Jesosy teto an-tany sy nanosorana azy ho Mesia anefa no nahazoan’i Jaona an’io fahitana io. Miharihary fa ilay “vehivavy” resahin’ny Genesisy 3:15 ihany io “vehivavy” io. Tsy ny nahaterahan’i Jesosy teto an-tany àry no hita tao amin’ilay fahitana, fa ny nahazoany fahefana hanjaka, izany hoe ny niorenan’ilay Fanjakan’ny Mesia.

Manenjika an’ilay “vehivavy” i Satana ary miady amin’ny “sisa amin’ny taranany.” (Ap 12:13, 17) Any an-danitra anefa ilay “vehivavy”, ary efa natsipy tetỳ an-tany i Satana. (Ap 12:7-9) Tsy afaka manenjika an’ireo anisan’ilay fandaminana na “vehivavy” any an-danitra àry izy, ka ireo sisa amin’ny “taranany” na zanany, dia ireo rahalahin’i Jesosy Kristy mbola eto an-tany no enjehiny. Toy izany no fomba anenjehany an’ilay “vehivavy.”

Vehivavy hafa. Hoy Andriamanitra momba ny mosary hanjo ny Israely raha tsy mankatò azy sy mivadika amin’ny fifanekeny izy ireo: “Ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany.” Ho mafy be ilay mosary ka lafaoro iray monja dia ho ampy ho an’ny vehivavy folo, nefa samy manana lafaoro izy ireo rehefa tsy misy mosary.​—Le 26:26.

Hoy koa i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, rehefa avy nilaza ny loza hanjo ny Israely nivadika: “Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, ka hiteny hoe: ‘Ny sakafonay ihany no hohaninay, ary ny lamba fitafinay ihany no hanaovanay, fa avelao fotsiny izahay hantsoina amin’ny anaranao, mba tsy ho afa-baraka intsony.’” (Is 4:1) Ho faty any an’ady mantsy ny lehilahy. (Is 3:25, 26) Ho tena vitsy àry ny lehilahy eo amin’ilay firenena ka aleon’ny vehivavy maromaro miaraka amin’ny lehilahy iray, hitondra ny anarany, ary hanehoany fiahiana kely na dia voatery hikambanana amin’ny vehivavy hafa aza ilay lehilahy. Tsy mampaninona azy ireo raha ho vadikeliny daholo izy ireo, mba tsy ho afa-baraka intsony hoe maty vady na tsy manambady na tsy manan-janaka.

Hoy i Jehovah tamin’izy nampionona ny Israely: “Mandra-pahoviana ianao no mbola hivily etsy sy eroa, ry zanakavavy mpivadika? Fa namorona zava-baovao eto an-tany i Jehovah, dia vehivavy iray hihodinkodina eo amin’ny lehilahy tomady mba hahazoana ny fony.” (Je 31:22) ‘Nivily tetsy sy teroa’ ny Israely, izany hoe nivadika tamin’Andriamanitra izay toy ny vady vita fifanekena taminy. Nasain’i Jehovah nanangana marika famantaran-dalana sy takelaka manondro lalana àry ny “Israely virjiny”, mba hiverenany amin’ilay lalambe nialany. (Je 31:21) Homen’Andriamanitra ny fanahiny izy ka tsy ho andriny ny hiverina. Toy ny vehivavy mihodinkodina eo amin’ny vadiny mba hifandray am-po aminy indray àry, no hihodinkodinan’ny Israely eo amin’i Jehovah Andriamanitra mba hifandray tsara aminy indray.

“Izay irin’ny vehivavy.” Hoy i Daniela mpaminany momba ny “mpanjakan’ny avaratra”: “Tsy hiraharaha an’ilay Andriamanitry ny razany izy, sady tsy hiraharaha izay irin’ny vehivavy na izay andriamanitra hafa na iza na iza, fa hanandra-tena ho ambonin’ny rehetra kosa. Ary hanome voninahitra an’ilay andriamanitry ny fiarovana mafy izy, amin’izany toerana tanany izany.” (Da 11:37, 38) Fanaka malemy kokoa ny vehivavy, ka mety ho firenena tsy dia matanjaka izay lasa mpanompon’ny “mpanjakan’ny avaratra” ireo “vehivavy” ireo. Manana ny andriamanitra iriny sy tompoiny izy ireo, nefa tsy raharahain’ny “mpanjakan’ny avaratra” ireny fa aleony manome voninahitra ny andriamanitry ny tafika.

“Valala” an’ohatra. Manana ‘volo tahaka ny volom-behivavy’ ireo “valala” ao amin’ilay fahitana resahin’ny Apokalypsy 9:1-11. Mariky ny faneken’ny vehivavy ny vadiny ny volony lava, araka ny toro lalan’ny Soratra Masina. Mariky ny faneken’ireo “valala” an’ohatra an’ilay lohany sy mpanjakany koa àry ny volon’izy ireo.​—Jereo ABADONA.

“Tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy” ireo 144 000. Hoy ny Apokalypsy 14:1-4 momba ireo 144 000 mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry: “Novidina avy teto an-tany [izy ireo]. Izy ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy raha ny marina.” Mifandray akaiky amin’ny Zanak’ondry izy ireo matoa izy ireo ihany no mahay an’ilay “hira vaovao.” (Ap 14:1-4) Izy ireo àry ilay ‘ampakarin’ny’ Zanak’ondry. (Ap 21:9) Fanahy izy ireo satria miara-mitsangana aminy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. “Tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy” izy ireo ary “virjiny.” Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy nanambady ireo 144 000, satria tsy raran’ny Soratra Masina tsy hanambady ireo mbola eto an-tany nofidina ho mpiara-mandova amin’i Kristy. (1Ti 3:2; 4:1, 3) Tsy midika koa izany hoe lehilahy daholo izy ireo, satria ‘tsy misy intsony na lahy na vavy’ amin’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. (Ga 3:28) Vehivavy an’ohatra àry ireo “vehivavy” tsy nandotoany tena, dia ireo fivavahan-diso antsoina hoe Babylona Lehibe sy ireo ‘zanany vavy.’ Lasa maloto mantsy izay anisan’ireny sy miara-miasa aminy. (Ap 17:5) Notakin’ny Lalàna teo amin’ny Israely fahiny koa hoe virjiny ihany no azon’ny mpisoronabe nalaina ho vady. Nofidin’i Jehovah ho Mpisoronabe koa anefa i Jesosy Kristy.​—Le 21:10, 14; 2Ko 11:2; He 7:26.

Jereo ny lahatsoratra hoe MARIA No. 1 (Nohajain’i Jesosy sady tiany), izay manazava ny antony niantsoan’i Jesosy an’i Maria hoe “ravehivavy.”