Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Afaka

Vehivavy Afaka

Vehivavy tsy andevo. Antsoina hoe vehivavy afaka i Saraha vadin’i Abrahama, sy “ilay Jerosalema any ambony.” Nafahan’i Jehovah Andriamanitra avy tany Ejipta ny firenen’Israely, ary nomeny ny Lalàna teo an-tendrombohitra Sinay. Lasa vadiny hafa àry io firenena io nanomboka tamin’izay ka mandra-pifaran’ny fifaneken’ny Lalàna, tamin’ny taona 33. (Je 3:14; 31:31, 32) Tsy lasa vehivavy afaka anefa ilay firenena na dia nanana ny Lalàna aza, satria mbola nandevozin’ny ota ihany. Noharin’i Paoly tamin’i Hagara mpanompovavin’i Abrahama sady vadiny hafa àry ilay Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany, ary nohariny tamin’i Ismaela zanak’i Hagara ny ‘zanak’i Jerosalema’, izany hoe ny mponina tao. Vehivavy afaka toa an’i Saraha kosa ilay vadin’i Jehovah voalohany, dia ilay Jerosalema any ambony. Olona afaka koa ny zanany. Tsy maintsy afahan’ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny fanandevozan’ny ota anefa ny olona iray, vao ho lasa zanak’ilay Jerosalema any ambony ka hanana “fahafahana.”​—Ga 4:22–5:1; Jn 8:34-36.