Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Manambady

Vehivavy Manambady

Midika hoe vehivavy (a.b.t.: lehilahy vavy) na vehivavy manambady ny teny hebreo hoe ʼish·shah. Lazaina hoe ‘manan-tompo’ ny vehivavy manambady. (Is 62:4) Ny teny grika hoe gyne kosa mety hidika hoe vehivavy manambady na tsy manambady. I Jehovah Andriamanitra no nanome vady ho an’i Adama. Naka taolan-tehezana iray avy tamin’i Adama izy ka nataony vehivavy. Taolana avy tamin’ny taolan’i Adama sy nofo avy tamin’ny nofony àry izy io. Natao nifanentana tsara taminy sy ho mpanampy azy izy io. (Ge 2:18, 20-23) Niresaka nivantana tamin’i Adama Andriamanitra, ary i Adama kosa no nampita ny didin’Andriamanitra tamin’ny vadiny. Noforonina voalohany sy natao araka ny endrik’Andriamanitra i Adama, ka izy no loham-pianakaviana sy mpitondra ny tenin’Andriamanitra. Tokony ho be fitiavana izy rehefa mampihatra fahefana. Nomena baiko hiteraka i Adama sy Eva, ka tokony hiara-miasa amin’ny vadiny amin’izany i Eva, satria mpanampy azy.​—Ge 1:28; jereo VEHIVAVY.

Nanota anefa izy ireo: I Eva no nanota voalohany, ary tsy mpanampy ho an’ny vadiny intsony izy fa lasa mpaka fanahy. Voatariny handika lalàna i Adama ka nanota koa avy eo. Nanameloka an’i Eva Andriamanitra, ka hoy izy: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao. Hanaintaina ianao rehefa hiteraka, ary ny vadinao no hiantefan’ny fanirianao, ary hanjaka aminao izy.” (Ge 3:16) Nanjakazaka tamin’ny vehivavy tokoa ny lehilahy tany amin’ny firenena maro, ary matetika no nampahory azy mihitsy, nanomboka tamin’izay. Tsy namana sy mpanampy intsony ny vehivavy, fa matetika no natao toy ny mpanompo.

Ny vehivavy hebreo. Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy sady tompon’ny (heb.: baʽal) vadiny. Ny vehivavy manambady kosa lazaina hoe manan-tompo (beʽolah), ary mendri-kaja sy nohajaina izy teo anivon’ny mpanompon’Andriamanitra. Marina fa nanaiky ny vadiny izy, nefa nahafaly azy izany, ary betsaka ihany ny zavatra azony natao sy ny fahafahana nananany, indrindra raha navitribitrika sy nanan-talenta izy. Notahina izy satria nampiasa azy hanao fanompoana niavaka Andriamanitra. Anisan’ireny vehivavy nanambady sy tsy nivadika ireny i Saraha, Rebeka, Debora, Rota, Estera, ary Maria renin’i Jesosy.

Niaro ny zony ny Lalàna. Marina fa lohan’ny vehivavy ny lehilahy, nefa nasain’Andriamanitra namelona sy nikarakara ary nanampy ny ankohonany hanana finoana matanjaka izy. Voakasika izy raha nisy tamin’ny ankohonany nanao fahadisoana. Niantsoroka andraikitra navesatra àry izy. Nanana tombony kokoa ny lehilahy teo ambanin’ny Lalàna. Niaro ny vehivavy manambady anefa ny Lalàna sady nanome voninahitra azy, mba hahasambatra azy sy hananany fiainana mahafa-po.

Miresaka imbetsaka momba ny vehivavy manambady ny Lalàna. Novonoina ho faty izay nanitsakitsa-bady na lehilahy na vehivavy. Nentin’ny lehilahy iray tany amin’ny mpisorona ny vadiny, mba hotsarain’i Jehovah Andriamanitra, raha nahiahiny ho nivadika taminy. Nikainkona ny taovam-pananahan-dravehivavy raha meloka tokoa izy, fa raha tsy izany kosa dia nasaina nataon’ny vadiny izay hahabevohoka azy mba ho hitan’ny rehetra fa tsy nanan-tsiny izy. (No 5:12-31) Afaka nisaraka tamin’ny vadiny ny lehilahy raha nanao zavatra nanafintohina izy io, ohatra hoe tafahoatra loatra ny tsy fanajany an-dralehilahy na nanala baraka azy mianakavy na ny ankohonan-drain-dralehilahy ilay vehivavy. Tsy maintsy nanome taratasy fisaraham-panambadiana anefa ralehilahy. Voaro ny zon’ilay vehivavy amin’izay ka afaka nanambady indray izy. (De 24:1, 2) Afaka nanafoana ny voady nataon’ny vadiny ny lehilahy raha hitany hoe tsy mety ilay voady na hisy voka-dratsiny amin’ny ankohonany. (No 30:10-15) Nisakana an’ilay vehivavy tsy ho maimaika hanao zavatra izany. Mety hahita olana mantsy izy raha maimaika toy izany.

Namela ny olona hanana vady maro ny Lalàn’i Mosesy, saingy nisy fitsipika nifehy izany mba hiarovana ny zon’ny vehivavy manambady. Tsy azon’ny lehilahy iray iangarana ny zanaky ny vady tiany ka hoe omeny azy ny zon’ny lahimatoa izay tokony ho an’ny zanak’ilay vady tsy tena tiany. (De 21:15-17) Mety hamidin-drainy ho mpanompo ny zazavavy israelita iray ka lasa vadikelin’ny tompony. Afaka nitady olona hanavotra azy ilay tompony raha tsy tia azy intsony. Tsy azony namidy tamin’ny hafa firenena anefa izy. (Ek 21:7, 8) Raha naka azy ho vadikely ny tompony na ny zanakalahin’ny tompony, nefa naka vady hafa avy eo, dia tokony homena sakafo sy fitafiana ary fialofana foana izy, ary tsy tokony hahena ny adidy amim-bady tokony hatao aminy.​—Ek 21:9-11.

Raha nisy lehilahy niampanga ny vadiny hoe tsy virjiny intsony tamin’ny andro nampakarana azy, nefa hita hoe diso ilay fiampangana, dia hofaizina ralehilahy ka hosazina handoa vola avo roa heny noho ny vodiondry fanome ho an’ny virjiny, ka hanome izany ho an’ny rain-drazazavavy. Tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany koa razazavavy. (De 22:13-19) Raha nisy lehilahy nanao firaisana tamin’ny virjiny mbola tsy fofombadin’olona, dia nasaina nandoa vodiondry ho an’ny rain-drazazavavy izy, ary nampakatra azy raha navelan’ny rain-drazazavavy. Tsy azony nisarahana razazavavy nandritra ny androm-piainany.​—De 22:28, 29; Ek 22:16, 17.

Marina fa tsy mitovy amin’ny toeran’ny vehivavy hebreo fahiny ny an’ny vehivavy tandrefana ankehitriny. Nahafa-po an’ireo vehivavy hebreo tsy nivadika anefa izany anjara toerany izany. Nanampy ny vadiny izy, nitaiza ny zanany, nikarakara tokantrano, ary nanao zavatra maro nahafa-po sy nahafinaritra azy. Afaka nivelatra tsara sy nampiasa ny fahaizany rehetra koa izy.

Vady tsara. Resahin’ny Ohabolana 31 ny fahasambaran’ny vehivavy tsy mivadika sy ny zavatra fanaony. Voalaza ao fa sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina izy eo imason’ny vadiny. Matoky azy àry ralehilahy. Mazoto miasa ravehivavy: Manenona, manamboatra fitafiana ho an’ny ankohonany, mividy izay ilain’izy ireo, miasa eny an-tanimboaloboka, mikarakara ny ankohonany miaraka amin’ny mpanompony, manampy ny mahantra, mahay mampitafy tsara ny ankohonany, ary manao asa tanana mihitsy mba hampidi-bola ao an-trano, mitsinjo ny vodiandro ho merika, maneho fahendrena sy hatsaram-panahy feno fitiavana rehefa miteny. Midera azy ny vadiny sy ny zanany lahy, satria matahotra an’i Jehovah ravehivavy sady tia miasa. Mahazo voninahitra eo amin’ilay tany àry ny vadiny sy ny ankohonany. Marina tokoa fa mahazo zava-tsoa ary mahazo sitraka amin’i Jehovah izay mahita vady tsara.​—Oh 18:22.

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tokony ho iray ihany ny vadin’ny lehilahy, raha mbola velona koa io vadiny io. Izany no fitsipika arahin’ny fiangonana kristianina. (1Ko 7:2; 1Ti 3:2) Tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, na Kristianina ny vadiny na tsia. (Ef 5:22-24) Tokony hanao ny adidiny amin’ny vadiny ny vehivavy fa tsy tokony hampihafy azy, satria toy ny lehilahy manambady ihany ny vehivavy manambady ka “tsy manana fahefana amin’ny vatany.” (1Ko 7:3, 4) Nilazana ny vehivavy fa ny “toetra miafina ao am-po” no tena tokony hataony haingo, ka hiezaka hanana ny vokatry ny fanahy izy. Angamba ho voataonany ho lasa Kristianina ny vadiny amin’izay, na dia noho ny fitondran-tenany ihany aza.​—1Pe 3:1-6.

Heviny an’ohatra. Vady no ilazan’i Jehovah an’i Israely, satria nanao fifanekena tamin’io firenena io izy. (Is 54:6) Nolazain’ny apostoly Paoly hoe Rain’ny Kristianina nateraky ny fanahy i Jehovah, ary nolazainy hoe renin’izy ireo “ilay Jerosalema any ambony”, ka toy ny hoe manambady azy io i Jehovah mba hiterahana an’ireo Kristianina nateraky ny fanahy ireo. (Ga 4:6, 7, 26) Lazaina hoe ny ampakarin’i Jesosy Kristy na ny vadiny ny fiangonana kristianina.​—Ef 5:23, 25; Ap 19:7; 21:2, 9.