Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vidim-panavotana

Vidim-panavotana

Izay aloa mba hividianana zavatra efa an’ny tena ihany taloha, na hanafahana amin’ny adidy na toe-javatra mampijaly. Izay aloa mba hanaronana (na hanonerana an’izay nosimbana na hanaovana ny rariny) no tena dikan’ny hoe “vidim-panavotana”, fa ny fanafahana vokatry ny nandoavana ilay izy kosa no asongadin’ny hoe “fanavotana.” Ny ran’i Jesosy Kristy no vidim-panavotana lehibe indrindra. Nalatsaka ny rany mba hanafahana ny taranak’i Adama amin’ny ota sy ny fahafatesana.

Samy ilazana an’izay aloa na zava-tsarobidy omena mba hanavotana, ny teny hebreo sy grika samihafa nadika hoe “vidim-panavotana” sy “manavotra.” Mety ho takalo koa ilay izy, na zavatra mifanitsy na zavatra omena ho solon’ny zavatra iray, mba hanaovana ny rariny sy hisian’ny fifandanjana.​—Jereo FAMPIHAVANANA.

Manarona. Avy amin’ny matoanteny kafar ny teny hebreo hoe kôfer. Midika hoe “manarona” ny hoe kafar (nadika koa izy io hoe ‘manosotra’ ao amin’ny Genesisy 6:14). Amin’ny heviny hoe manarona na mandrakotra fahotana mba hanaovana ny rariny anefa no tena ampiasana ny hoe kafar. (Sl 65:3; 78:38; 79:8, 9) Kôfer kosa no ilazana an’ilay vidim-panavotana omena mba handrakofam-pahotana. Ny avotra na sarona dia mifanandrify amin’ny zavatra saronany, na amin’ny bikany (toy ny ‘saron’ny’ [kappôret] Vata misy ny fifanekena; Ek 25:17-22) izany, na amin’ny sandany (toy izay aloa mba hanonerana zavatra nosimbana).

Notakin’ny Lalàn’i Jehovah ny fanaovana sorona sy fanatitra isan-karazany, mba handrakofana ny fahotan’ny mpisorona sy ny Levita (Ek 29:33-37; Le 16:6, 11) sy ny an’ny olon-kafa ary ny an’ny firenen’Israely. (Le 1:4; 4:20, 26, 31, 35) Nisy koa nandrakofana ny fahotan’ny alitara sy ny tranolay masina, mba hodiovina ho afaka amin’ny fahotan’ny olona nanakaiky azy izy ireny. (Le 16:16-20) Ara-drariny àry raha nanao sorona ny Israely. Nahatonga azy ireo ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra izany. Nisolo ny ain’ilay nanota ny ain’ilay biby natao sorona. Natao teo amin’ny alitara ny rany, mba handrakofam-pahotana. (Le 17:11; ampit. He 9:13, 14; 10:1-4.) Azo antsoina koa hoe “andron’ireo vidim-panavotana” àry ny “andro fandrakofam-pahotana [yôhm hakkipporim].” (Le 23:26-28) Raha tsy natao ireny sorona ireny, dia tsy neken’Andriamanitra sy tsy nankasitrahany ilay firenena sy ny fanompoany azy.

Manampy antsika hahazo ny hevitry ny hoe takalo atao vidim-panavotana ny lalàna momba ny omby zatra manoto. Raha avelan’ny tompony mandehandeha fotsiny ilay omby ka mahafaty olona, dia hovonoina ho faty ilay tompony, ka ny ainy no atao solon’ny ain’ilay olona matin’ilay omby. Tsy ninia namono azy mivantana anefa ilay tompon’omby, ka mety ho hitan’ny mpitsara fa tsara kokoa raha itakiana “vidim-panavotana [kôfer]” izy. Tsy maintsy mandoa àry izy amin’izay. Toy ny hoe solon’ny ainy ilay vidim-panavotana naloany, ka manonitra ny ain’ilay matin’ny omby. (Ek 21:28-32; ampit. De 19:21.) Tsy misy vidim-panavotana kosa ho an’izay ninia namono olona, fa ny ainy ihany no mahonitra ny ain’ilay novonoiny. (No 35:31-33) Nisaina ny olona tsirairay rehefa nisy fanisam-bahoaka, ka tsy maintsy nanome ho an’i Jehovah antsasa-tsekely (1,10 dolara) ho vidin’ny fanavotana ny ainy ny lehilahy tsirairay 20 taona no ho miakatra, na mahantra izy na manankarena.​—Ek 30:11-16.

Tsy mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona ny tsy rariny, ka mety ho nisakana na nampitony fahatezerana koa ny vidim-panavotana. (Ampit. Je 18:23; Ge 32:20, izay nandikana ny kafar hoe ‘mampitony.’) Tsy manaiky handray “onitra [kôfer]” mihitsy anefa ny lehilahy tezitra amin’izay nijangajanga tamin’ny vadiny. (Oh 6:35) Azo lazaina koa hoe kôfer ny “tsolotra” raisin’ireo tokony hampihatra ny rariny, nefa tsy manao izany fa mody tsy mahita ny ratsy ataon’ny mpanome tsolotra.​—1Sa 12:3; Am 5:12.

Fanavotana, na fanafahana. Midika hoe “manavotra” ny matoanteny hebreo hoe padah, ary midika hoe “vidim-panavotana” ny anarana hoe pidyôhn (Ek 21:30), izay samy manasongadina ny fanafahana vokatry ny nandoavana an’ilay vidim-panavotana. Ny kafar kosa manasongadina ny hatsaran’ilay vidim-panavotana na ny karazany, sy ny vokany dia ny nanaovana ny rariny. Mety ho mpanompo na andevo (Le 19:20; De 7:8), na olona ory na ampahorina (2Sa 4:9; Jb 6:23; Sl 55:18), na efa maty na any am-pasana (Jb 33:28; Sl 49:15) no mila fanafahana na fanavotana (padah). Imbetsaka i Jehovah no nanavotra ny firenen’Israely. Navotany avy tany Ejipta, ohatra, izy ireo mba ho ‘fananany manokana’ (De 9:26; Sl 78:42), ary navotany avy tany an-tsesitany tany Asyria sy Babylona tatỳ aoriana. (Is 35:10; 51:11; Je 31:11, 12; Za 10:8-10) Nisy vidim-panavotana na takalo koa tamin’izay. Nampandoavin’i Jehovah an’i Ejipta ilay izy, rehefa navotany ny Israely. ‘Lahimatoan’i’ Jehovah mantsy ny Israely, ka efa nampitandremany i Farao fa raha mikiry tsy mety mandefa ny Israely izy, dia hovonoina ny lahimatoan’i Farao sy ny lahimatoa rehetra ary ny voalohan-teraky ny biby rehetra tany Ejipta. (Ek 4:21-23; 11:4-8) Nomen’i Jehovah an’i Kyrosy koa ‘i Ejipta ho vidin’ny nanavotana [endriny hafa amin’ny hoe kôfer] ny olony, ary i Etiopia sy Seba’ ho solon’izy ireo, noho i Kyrosy nandresy an’i Babylona sy nanafaka ny Jiosy tany an-tsesitany. Resin’ny Persianina tokoa ireo firenena ireo tatỳ aoriana, ka ‘firenena maro no nomena ho takalon’ny Israelita.’ (Is 43:1-4) Nataon’i Jehovah foana àry izay hampiharana an’ilay hoe: “Ny ratsy fanahy no anavotana [kafar] ny olo-marina, ary hisolo toerana ny olo-mahitsy ny mpivadika.”​—Oh 21:18.

Misy ifandraisany amin’ny hoe fanavotana ny teny hebreo hoe gaʼal, izay midika hoe mamonjy na manavotra. (Je 32:7, 8) Miara-voatonona amin’ny padah izy io ao amin’ny Hosea 13:14. Izao no voalaza ao: “Havotako [endriny hafa amin’ny hoe padah] amin’ny fangejan’ny Fasana izy ireo, ary halaiko [endriny hafa amin’ny hoe gaʼal] avy any amin’ny fahafatesana.” (Ampit. Sl 69:18.) Asongadin’ny hoe gaʼal fa manan-jo hamonjy na hanavotra olona iray na ny fananany ny havany akaiky. Manana an’izany zo izany koa ny tompon’ilay fananana na ilay nivarotra fananana. “Mpanavotra” (gôʼel) (Rt 2:20; 3:9, 13) àry ny havana akaiky. “Mpamaly ra” kosa izy raha nisy vonoan’olona.​—No 35:12.

Raha lasa nahantra ny Israelita iray ka voatery nivarotra ny tenany na ny anjara lovany na ny tranony tao an-tanàna, dia nanan-jo ‘hividy indray [gaʼal] izay namidiny’ ny “havany akaiky izay afaka manavotra azy” na gôʼel, na ny tenany ihany raha lasa nanam-bola izy. (Le 25:23-27, 29-34, 47-49; ampit. Rt 4:1-15.) Mety ho nisy koa olona nivoady tamin’Andriamanitra fa hanolotra trano na saha ho azy, nefa te hanavotra an’ilay izy. Tsy maintsy naloany àry ny vidiny nanombanana an’ilay izy, sady mbola nampiany ampahadiminy. (Le 27:14-19) Tsy azo natakalo na inona na inona anefa izay “efa natokana haringana.”​—Le 27:28, 29.

Tsy nahazo nankany amin’ny tanàna fialokalofana ny mpamono olona, fa notsaraina ary avy eo natolotry ny mpitsara teo an-tanan’ny “mpamaly [gôʼel] ra”, izay havana akaikin’ilay novonoina. Io indray no namono ho faty an’ilay mpamono olona. Tsy azon’ilay mpamono olona natao mantsy ny nanome “vidim-panavotana [kôfer].” Tsy afaka nanavotra ny ain’ilay olona maty koa ny havany akaiky nanan-jo hanavotra, ka zon’izy io ny namono an’ilay mpamono olona.​—No 35:9-32; De 19:1-13.

Tsy voatery ho vola na onitra. Hitantsika tetsy aloha fa ‘nanavotra’ (padah na koa gaʼal) an’ireo Israelita avy tany Ejipta i Jehovah. (Ek 6:6; Is 51:10, 11) “Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy” anefa ny Israely tatỳ aoriana (2Mp 17:16, 17), ka imbetsaka izy ireo no ‘namidin’i Jehovah teo an-tanan’ny fahavalony.’ (De 32:30; Mpts 2:14; 3:8; 10:7; 1Sa 12:9) Navotany avy tany an-tsesitany na tamin’ny fahoriany kosa izy ireo rehefa nibebaka. (Sl 107:2, 3; Is 35:9, 10; Mi 4:10) Izy àry no Gôʼel na Mpanavotra azy ireo. Nantsoiny hoe vadiny mantsy ilay firenena. (Is 43:1, 14; 48:20; 49:26; 50:1, 2; 54:5-7) Tsy nandoa na inona na inona tamin’i Jehovah ireo firenena mpanompo sampy, rehefa ‘namidiny’ tamin’izy ireo ny Israely. Afa-po anefa i Jehovah satria nanao ny rariny sady tanteraka ny fikasany hanitsy sy hanafay ny Israely nikomy sy tsy nanaja azy.​—Ampit. Is 48:17, 18.

Tsy nandoa vola na onitra koa Andriamanitra rehefa ‘nanavotra’ an’ireo Israelita. I Kyrosy, ohatra, no nampiasainy tamin’izy nanavotra ny Israelita natao sesitany tany Babylona. Nanafaka azy ireo an-tsitrapo i Kyrosy fa tsy nahazo onitra fony fahavelony. Nisy kosa anefa firenena ratsy fanahy nampahory ny Israely. Izy ireny no nitakian’i Jehovah onitra, ka ny ain’izy ireny no nanefa. (Ampit. Sl 106:10, 11; Is 41:11-14; 49:26.) Tsy nahazo vola na onitra i Jehovah rehefa ‘namidiny’ na natolony teo an-tanan’ny Babylonianina ny mponin’i Joda. Tsy nandoa vola tamin’ny Babylonianina na tamin’i Jehovah koa ny Jiosy natao sesitany, mba hahazoana fahafahana. “Maimaim-poana” no nivarotana azy ireo, ary ‘tsy nandoavam-bola’ koa ny nanavotana azy. Tsy nila nandoa na inona na inona tamin’ireo mpamabo àry i Jehovah. Nampiasa ny herin’ny “sandriny masina” kosa izy rehefa nanavotra.​—Is 52:3-10; Sl 77:14, 15.

I Jehovah no Gôʼel ho an’ny Israely mpanompony, ka novaliany izay nanisy ratsy azy ireo. Tsy afaka nanala baraka ny anarany intsony àry ireo nampahory ny Israely. (Sl 78:35; Is 59:15-20; 63:3-6, 9) Niady ho an’ny Israely ‘teo amin’ny fitsarana’ koa i Jehovah mba hampiharana ny rariny, satria izy no Havana sy Mpanavotra an’ilay firenena sy ny Israelita tsirairay.​—Sl 119:153, 154; Je 50:33, 34; Ft 3:58-60; ampit. Oh 23:10, 11.

Velona talohan’ny niforonan’ny firenen’Israely i Joba, ary tsy anisan’ilay firenena. Hoy anefa izy tamin’izy narary mafy: “Fantatro tsara fa velona ny mpanavotra ahy, ary rehefa lasa aho, dia ho avy izy ka hitsangana eo amin’ny vovoka.” (Jb 19:25; ampit. Sl 69:18; 103:4.) Tokony hanahaka an’Andriamanitra ny mpanjakan’ny Israely, ka hanavotra ny olona ambany sy ny mahantra.​—Sl 72:1, 2, 14.

Mpanavotra i Kristy Jesosy. Manampy antsika hahatakatra ny ilana ny vidim-panavotana nomen’i Kristy Jesosy Zanak’Andriamanitra ny fanazavana rehetra teo aloha. Mila azy io ny olombelona noho ilay fikomiana tao Edena. Nivadika i Adama noho izy tia tena sy te hiaraka foana tamin’ny vadiny, izay ninia nanota. Nomelohin’Andriamanitra àry izy mivady. Namidin’i Adama ho andevon’ny ota ny tenany sy ny taranany. Maty àry izy ireo satria izay no ara-drariny. (Ro 5:12-19; ampit. Ro 7:14-25.) Mampalahelo fa lasa tsy lavorary i Adama, ka tsy misy lavorary koa ny taranany rehetra.

Nitaky ny hanaovana sorona biby ho fandrakofam-pahotana ny Lalàna, izay “aloky ny zavatra tsara ho avy.” Tsy tena nandrakotra fahotana anefa ireny sorona ireny satria ambany noho ny olombelona ny biby. ‘Tsy nahavita nanaisotra ny ota [àry] ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.’ (He 10:1-4) Tsy maintsy lavorary sy tsy nisy tsininy ireo biby natao sorona. (Le 22:21) Tsy maintsy lavorary sy tsy misy tsininy koa àry ilay olona hatao sorom-panavotana izay ho afaka hanaisotra ny ota. Tokony ho lavorary sahala amin’i Adama izy, mba hahafahany handoa an’ilay vidim-panavotana hanafahana ny taranak’i Adama namidy ho andevon’ny ota sy ny tsy fahalavorariana. (Ampit. Ro 7:14; Sl 51:5.) Izany ihany no tena ara-drariny satria mifanaraka amin’ilay fitsipik’Andriamanitra hoe ‘aina solon’ny aina.’​—Ek 21:23-25; De 19:21.

Tsy misy olona afaka manavotra olon-kafa mihitsy, na manome an’ilay vidim-panavotana takin’ilay Andriamanitry ny rariny. (Sl 49:6-9) Vao mainka misongadina anefa ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony, satria nanaraka ny fitsipiny momba ny rariny izy na dia tsy mora taminy aza izany. Ny ain’ny Zanany mihitsy mantsy no nomeny ho vidim-panavotana. (Ro 5:6-8) Tsy maintsy lasa olombelona anefa ilay Zanany vao afaka ny ho sahala amin’i Adama lavorary. Nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’i Maria virjiny jiosy àry ny ain’ny Zanany. (Lk 1:26-37; Jn 1:14) Tsy nanana ray olombelona i Jesosy ka tsy nandova ota. ‘Nanaloka’ an’i Maria koa ny fanahy masin’Andriamanitra, tamin’i Jesosy vao niforona tao an-kibony ka hatramin’ny nahaterahany. Lavorary sy tsy nisy ota àry i Jesosy tamin’izy teraka. Toy ny “zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina” izy, ka neken’Andriamanitra hatao sorona ny rany. (Lk 1:35; Jn 1:29; 1Pe 1:18, 19) Tsy nanota mihitsy izy mandra-pahafatiny, ka nahafeno fepetra foana hatao sorona. (He 4:15; 7:26; 1Pe 2:22) ‘Nanana nofo aman-dra’ izy ka lasa havana akaikin’ny olombelona. Zava-tsarobidy nananany koa ny ainy lavorary izay nadio foana, satria tsy nivadika mihitsy izy tao anatin’ny fitsapana. Ny ainy àry no nanavotany sy nanafahany ny olombelona.​—He 2:14, 15.

Asehon’ny Soratra Grika Kristianina mazava tsara fa nisy zavatra naloa mba hanafahana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. “Voavidy”, ohatra, ny Kristianina (1Ko 6:20; 7:23) satria nisy “tompo nividy azy” (2Pe 2:1), ary oharina amin’ny Zanak’ondry “efa novonoina ho faty” i Jesosy ka ny ‘rany no nividianany ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny ary firenena rehetra.’ (Ap 5:9) Agôrazô ny matoanteny nampiasaina ao amin’ireo andininy ireo, ary midika fotsiny izy io hoe “mividy any an-tsena [agôra].” Ny matoanteny eksagôrazô (mividy sy manafaka) kosa no nampiasain’i Paoly, tamin’izy nilaza fa ‘novidin’i Kristy sy nafahany izay teo ambanin’ny lalàna’, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana izy. (Ga 4:5; 3:13) Ny teny grika hoe lytrôn sy izay teny iray tarika aminy anefa no ampiasaina imbetsaka kokoa, sy mahalaza kokoa ny hevitry ny hoe fanavotana na fandoavana vidim-panavotana.

Ireo mpanoratra grika no tena nampiasa ny hoe lytrôn (avy amin’ny matoanteny lyô midika hoe “mamaha”), mba hilazana vidim-panavotana naloa mba hanafahana babo an’ady na andevo na olona niantoka zavatra. (Ampit. He 11:35.) Andininy roa monja no ahitana an’io teny io, ary voalaza ao fa nanome “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro” i Kristy. (Mt 20:28; Mr 10:45) Teny iray tarika amin’izy io ny hoe antilytrôn, izay hita ao amin’ny 1 Timoty 2:6. Hoy ny Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao nataon’i Parkhurst, momba ny dikan’ny hoe antilytrôn: “Vidim-panavotana, na vidim-panavotana mifandanja.” Voatonona ao ny tenin’i Hyperiosy hoe: “Vola aloa mba hanavotana babo eo an-tanan’ny fahavalo no tena hevitr’io teny io. Midika koa izy io hoe ny ain’ny olona iray no atao takalon’ny ain’ny olona iray hafa mba hanavotana azy.” Namarana ny teniny toy izao i Parkhurst: “Nampiasa ny matoanteny [antilytrôô] àry i Aristote mba hilazana aina anavotana aina.” (Londres, 1845, p. 47) Mety àry ny ilazana hoe “nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja [i Kristy], mba hamonjena ny olona rehetra.” (1Ti 2:5, 6) Teny iray tarika amin’ny lytrôn koa ny lytrôômai izay midika hoe “mamaha amin’ny alalan’ny vidim-panavotana” (Tit 2:14; 1Pe 1:18, 19), sy ny apôlytrôsis izay midika hoe “fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.” (Ef 1:7, 14; Kl 1:14) Tsy hoe mividy na manafaka tsotra fotsiny àry no hevitr’ireo teny grika ireo sy ny teny hebreo mifanitsy aminy, fa hoe mandoa vidim-panavotana mifandanja mba hanavotana.

Natao ho an’ny rehetra ny sorom-panavotan’i Kristy. Tsy ny rehetra anefa no mino azy io. “Mitoetra” eo amin’ireo tsy manaiky an’ilay sorona sy eo amin’ireo nanaiky nefa avy eo mandà azy io àry ny “fahatezeran’Andriamanitra.” (Jn 3:36; He 10:26-29; ampifan. Ro 5:9, 10.) Tsy ho afaka amin’ny fanandevozan’ny Ota sy Rafahafatesana mihitsy izy ireo. (Ro 5:21) Tsy azo navotana ny olona ninia namono olona, raha araka ny Lalàna. Mpamono olona i Adama satria ninia nanota ka nahatonga ny olombelona rehetra ho faty. (Ro 5:12) Tsy eken’Andriamanitra hanavotana an’i Adama àry ny ain’i Jesosy natao sorona.

Mahafaly an’Andriamanitra anefa ny hanavotra ny taranak’i Adama mino an’ilay sorom-panavotana. Hoy i Paoly: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray, no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray.” (Ro 5:18, 19) Toy ny hoe mbola tao an-kibon’i Adama daholo ny taranany tamin’izy nanota sy nomelohina ho faty. Niara-maty taminy àry izy rehetra. (Ampit. He 7:4-10.) Lavorary kosa i Jesosy ilay “Adama farany” (1Ko 15:45), ka izy irery no olombelona afaka nanome an’ilay vidim-panavotana hamonjena ny taranak’i Adama. Nanaiky an-tsitrapo ho faty izy. Maty tsy nanan-tsiny izy ary nataony sorona ny ainy lavorary mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. (He 10:5) Noho ilay vidim-panavotana, dia hampiasainy ny fahefana nomen’i Jehovah azy mba hanomezana fiainana ho an’izay rehetra mino.​—1Ko 15:45; ampit. Ro 5:15-17.

“Vidim-panavotana mifandanja” tokoa àry i Jesosy mba hanavotana ny taranak’i Adama rehetra, fa tsy hanavotana mpanota iray, dia i Adama. Novidin’i Jesosy izy ireo ka afaka ny ho anisan’ny fianakaviany, rehefa niseho teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny rariny any an-danitra izy taorian’ny nanaovany sorona ny ainy. (He 9:24) Nahazo Vady àry izy, dia ny fiangonan’ny Kristianina ho any an-danitra. (Ampit. Ef 5:23-27; Ap 1:5, 6; 5:9, 10; 14:3, 4.) Voalazan’ny faminaniana fa hanana ‘taranaka’ koa izy satria “Ray Mandrakizay.” (Is 53:10-12; 9:6, 7) Tsy ireo anisan’ny ‘Vadiny’ izay ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra’ ho any an-danitra ihany àry no handray soa amin’ilay vidim-panavotana naloany. Hisy olon-kafa koa handray soa ka hiaina mandrakizay, rehefa esorina ny fahotan’izy ireo sy ny tsy fahalavorariany. (Ap 14:4; 1Jn 2:1, 2) Ho mpisorona sy “mpanjaka hitondra ny tany” hiaraka amin’i Kristy ireo ho any an-danitra. Ho olom-pehezin’ny Fanjakan’i Kristy kosa ireo olon-kafa handray soa amin’ilay vidim-panavotana, ary ho zanak’ilay “Ray mandrakizay” ka hiaina mandrakizay eto an-tany. (Ap 5:10; 20:6; 21:2-4, 9, 10; 22:17; ampit. Sl 103:2-5.) Tena miharihary àry fa hendry sy marina ary manao ny rariny i Jehovah, nefa koa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy mamela heloka.​—Ro 3:21-26.