Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vinaingitra

Vinaingitra

Ranoka avy tamin’ny divay na toaka navela hiotrika sy hihamarikivy ny vinaingitra fahiny. Tsy nahazo nisotro ‘vinaingitra vita tamin’ny divay na vita tamin’ny zava-pisotro mahamamo’ ny Nazirita. Midika izany fa nisy nisotro vinaingitra (angamba notampohana). (No 6:2, 3) Natsoboky ny mpijinja tao anaty vinaingitra ny mofony, angamba mba hampangatsiatsiaka azy rehefa nafana ny andro.​—Rt 2:14.

Ny asidra asetika ao amin’ny vinaingitra no mahatonga azy harikivy, sy hampahadilo nify (Oh 10:26), ary handroatra be rehefa afangaro amin’ny karbonatana sodioma, izay sirahazo malefaka. Toa miresaka momba izany ny Ohabolana 25:20.

Divay marikivy (lat.: acetum [vinaingitra], na posca rehefa notampohana rano) no nosotroin’ny miaramila romanina, fony i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Azo inoana fa io ilay divay niharo miora mahadomelina (na zava-mangidy) nomena an’i Jesosy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana, mba hampitonena ny fanaintainany. Tsy nety nisotro anefa izy. (Mr 15:23; Mt 27:34; ampit. Sl 69:21.) Divay marikivy fotsiny kosa no nomena azy tamin’ny spaonjy natohoka tamin’ny vavany, rehefa hiala aina izy.​—Jn 19:28-30; Lk 23:36, 37.