Vitsika
[Heb.: nemalah].
Bibikely bitika nefa maro sy miely be, manao andiany, ary lazain’ny Baiboly hoe mazoto miasa sy manana fahendrena voajanahary. (Oh 6:6-8; 30:24, 25) Tombanana ho 10 000 mahery ny karazam-bitsika. Misy vitsika eran-tany, afa-tsy any amin’ny faritra faran’izay mangatsiaka any amin’ny tendrontany.
“Vahoaka.” Toy ny ilazana ny valala hoe “firenena” (Jl 1:6), dia antsoina hoe “vahoaka” (heb.: ʽam) ny vitsika. (Oh 30:25) Tena mety izany satria misy ana hetsiny ireo bibikely bitika ireo ao amin’ny andiany sasany, na dia am-polony monja aza ny an’ny hafa. Antonontonony ny haben’ny tranony misampantsampana any ambanin’ny tany, nefa mety hitatra ka ho lasa ampahefatry ny hektara eo ho eo. Misy sokajiny telo ny vitsika ao amin’ny andiany iray: Mpanjakavavy (iray na maromaro), lahy, ary mpiasa vavy (tsy miasa ny taovam-pananahany). “Tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika” anefa ny vitsika. (Oh 6:7) Tsy mpitondra mantsy ilay mpanjakavavy fa renivitsika, raha ny marina, satria manatody no tena asany. Mety ho velona hatramin’ny 15 taona izy io. Ny vitsika lahy kosa maty aoriana kelin’ny fanaovany firaisana. Mety ho velona enin-taona ny vitsika mpiasa, izay mitady sy manangona sakafo ho an’ny andiany, mamelona an’ilay mpanjakavavy, mikarakara an’ireo atody foy lasa olitra, mandavaka efitra vaovao raha ilaina, ary manadio sy miaro an’ilay trano. Mety tsy hitovy habe sy bika ireo mpiasa, na dia iray andiany aza, ary ireo lehibe kokoa indraindray no miaramila mpiaro raha misy manafika. Voazara tsara ny asa (arakaraka ny taonan’ny mpiasa na ny habeny ny an’ny andiany sasany), ary milamina sy be pitsiny ihany ny fiaraha-monina, na dia tsy hita aza hoe iza no mpifehy na mpampiasa.
“Fahendrena voajanahary.” Avy amin’ny Mpamorona io “fahendrena” io, fa tsy hoe ny vitsika akory no misaina. “Manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Oh 6:8) Anisan’ny tena fahita any Palestina ny vitsika mpijinja na mpamboly (Messor semirufus), izay manangona sakafo be dia be rehefa lohataona sy vanin-taona mafana, mba hohaniny rehefa ririnina sy vanin-taona hafa mahasarotra ny fahitana sakafo. Matetika no hita eny akaikin’ny famoloana izy io satria be voa eny. Havoakany hatapy amin’ny masoandro ny voa tehiriziny, raha mando noho ny orana. Kaikeriny ka esoriny mihitsy aza, hono, ny tsimoka amin’ilay voa tehirizina mba tsy haniry. Fantatra izay misy ny tranon’ny vitsika mpijinja, satria ahitana lala-masaka sy hoditra voan-javatra eo ivelan’ny fidirana.
Toetra tsara mampiavaka azy. Tena mety àry ilay torohevitra hoe: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre.” (Oh 6:6) Miomana ho amin’ny hoavy mantsy ny vitsika. Be fikirizana koa izy ireo, ka matetika no mitondra na mifofotra mitarika zavatra indroan’ny lanjany na mahery, mikely aina mamita ny asany, ary tsy mihemotra na dia mety hianjera, hikorisa, na hikodiadia any amin’ny hantsana aza. Ataony madio foana koa ny tranony, tia miara-miasa izy ireo, mifampiahy, ary indraindray manampy an’izay maratra na reraka mba hiverina hody.