Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voa, II

Voa, II

Avy amin’ny teny hebreo hoe zeraʽ sy ny teny grika hoe sperma, izay miverimberina ao amin’ny Soratra Masina, ary ampiasaina amin’ny resaka a) fambolena sy zavamaniry, ary b) fananahana.

Fambolena sy zavamaniry. Fototry ny toe-karenan’ny Israely ny fambolena. Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly àry ny hoe mamafy, mamboly, mijinja, ary “voa.” Tamin’ny andro famoronana fahatelo no noresahina voalohany ny hoe “voa”, rehefa nandidy i Jehovah hoe: “Aoka ny tany hampitsiry ahitra, sy zavamaniry misy voa famboly, ary hazo fihinam-boa araka ny karazany avy, izay mamokatra voankazo misy voany. Eny, aoka ny tany hampitsiry izany rehetra izany, eny ambonin’ny tany.” (Ge 1:11, 12, 29) Tian’ny Mpamorona handrakotra ny tany ny zavamaniry misy voa famboly. Hisy foana àry ny zavamaniry “araka ny karazany avy”, izay hitsimoka avy amin’ny voa samy hafa.

Fananahana. Ilazana ny tsirinaina mivoaka amin’ny lehilahy ilay teny hebreo hoe zeraʽ, ao amin’ny Levitikosy 15:16-18; 18:20. Nadika hoe “mitoe-jaza” (TV) na “manan-anaka” (Prot.) ilay matoantenin’ny mpampanao hoe zaraʽ (mamafy), ao amin’ny Levitikosy 12:2. Nadika kosa hoe ‘atao izay hahabevohoka azy’ (TV) na hoe “mbola afaka hiteraka” (DIEM) ny matoantenin’ny iharana hoe zaraʽ miaraka amin’ilay hoe zeraʽ, ao amin’ny Nomery 5:28.

Voa tsy mety lo. Nilaza tamin’ny rahalahiny kristianina i Petera fa ‘nateraka indray ho amin’ny fanantenana velona izy ireo, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, nateraka indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho azy ireo.’ Tsy tamin’ny zavatra mety simba toy ny volafotsy na volamena no nanafahana azy ireo, hoy izy, fa tamin’ny ran’i Kristy. Hoy koa izy: “Nateraka indray mantsy ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa tamin’ny tsy mety lo, dia tamin’ny alalan’ny tenin’ilay Andriamanitra velona sady maharitra.” Avy amin’ny teny grika hoe spôra (voa afafy) ilay hoe “voa” eo.​—1Pe 1:3, 4, 18, 19, 23.

Nampahatsiahivin’i Petera azy ireo àry fa “ilay Andriamanitra velona sady maharitra” no rainy, fa tsy olombelona mety maty izay tsy afaka manome fiainana mandrakizay na vatana tsy mety lo. Ny fanahiny masina na hery ampiasainy sy ny Teniny (nosoratana teo ambany herin’ny fanahy) ilay voa tsy mety lo niterahany azy ireo indray. Hoy koa i Jaona momba ireo nateraky ny fanahy: “Tsy zatra manota izay rehetra naterak’Andriamanitra, satria mitoetra ao amin’ny olona toy izany ny voa avy amin’Andriamanitra. Tsy ho zatra manota àry izy, satria naterak’Andriamanitra.”​—1Jn 3:9.

Miasa ao amin’izy ireo io fanahy io, ary izy io no iterahana azy ireo indray ho zanak’Andriamanitra. Mahatonga azy ireo hadio sy haneho ny vokatry ny fanahy, fa tsy ny asan’ny nofo manimba, koa izy io. Tsy zatra manao ny asan’ny nofo àry izay manana io voa io. Hoy i Paoly: “Fa Andriamanitra tsy niantso antsika mba hilefitra amin’ny fahalotoana, fa niantso antsika kosa ho amin’ny fahamasinana. Koa izay tsy miraharaha àry, dia tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra izay mametraka ny fanahiny masina ao anatinareo.”​—1Te 4:7, 8.

Hesorin’Andriamanitra anefa ny fanahiny, raha manohitra foana na “manao izay hampalahelo” an’io fanahy io ny iray amin’ireo naterak’izy io. (Ef 4:30; ampit. Is 63:10.) Mety hanevateva ny fanahy mihitsy aza ny olona iray, ka hahita loza. (Mt 12:31, 32; Lk 12:10) Tena ilaina àry, hoy i Petera sy Jaona, ny miezaka ny ho masina foana sy ho tia an’Andriamanitra sy ho tia an’ireo rahalahy amin’ny fo ary hanaiky ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra. Tena zanak’Andriamanitra tsy mivadika izay manao izany.​—1Pe 1:14-16, 22; 1Jn 2:18, 19; 3:10, 14.