Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voahosotra, Fanosorana

Voahosotra, Fanosorana

Ny teny hebreo hoe sok sy ny teny grika hoe aleifô no ampiasain’ny Baiboly matetika hilazana ny hoe manosotra na manisy menaka. (Da 10:3; Rt 3:3; Jn 11:2) Ny teny hebreo hoe mashah niavian’ny teny hoe mashiah (Mesia), sy ny teny grika hoe kriô niavian’ny teny hoe kristôs (Kristy) kosa no ampiasainy, rehefa manana heviny manokana ilay fanosorana. (Ek 30:30; Le 4:5; Lk 4:18; As 4:26) Avahana toy izany foana ireo fanosorana samy hafa ireo amin’ny teny hebreo sy grika. Misy Baiboly anefa tsy manavaka toy izany, fa teny iray ihany no andikany azy rehetra.

Manosotra na manisy menaka. Fanaon’ny olona tany Israely sy ny firenena manodidina azy ny nihoso-menaka, mba hiarovana ny vatany tamin’ny hainandro sy hampahalefaka ny hodiny. Menaka oliva no tena nampiasaina, ary nafangaro zava-manitra izy io matetika. Rehefa avy nandro ny olona no nihoso-menaka. (Rt 3:3; 2Sa 12:20) Niotra enim-bolana tamin’ny menaka miora i Estera, ary enim-bolana indray tamin’ny menaka balsama, talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka. (Es 2:12) Nohosorana menaka koa ny faty talohan’ny nandevenana azy.​—Mr 14:8; Lk 23:56.

Nanosotra menaka an’ireo olona nositraniny ny apostoly 12, rehefa nirahin’i Jesosy handeha tsiroaroa. Tsy ilay menaka anefa no tena nanasitrana, fa ny fanahy masin’Andriamanitra. Nilazana fanasitranana sy famelombelomana ny menaka, satria nety ho nanasitrana sy nanamaivamaivana tokoa.​—Mr 6:13; Lk 9:1; ampit. Lk 10:34.

Nohosorana menaka ny lohan’ny olona iray mba hampisehoana fa nahazo sitraka izy. (Sl 23:5) Tsara fanahy tamin’ny miaramila jodianina babo ireo lohandohany teo amin’ny taranak’i Efraima, ka nohosorany menaka izy ireo ary nentiny niverina tany Jeriko, araka ny torohevitr’i Odeda mpaminany. (2Ta 28:15) Nilaza i Jehovah fa tsy hanana menaka hihosorana ny vahoakany, ho porofon’ny tsy fankasitrahany azy ireo. (De 28:40) Tsy nihoso-menaka ny olona nisaona. (2Sa 14:2; Da 10:2, 3) Nahay nandray vahiny sy nahalala fomba ny olona nanosotra menaka ny lohan’ny vahininy, araka ny teny fankasitrahan’i Jesosy an’ilay vehivavy nanisy menaka manitra ny tongony.​—Lk 7:38, 46.

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba hanosotra menaka ny lohan’izy ireo sy hanasa ny tarehiny rehefa mifady hanina. Nahoana? Mba tsy hitovizan’izy ireo amin’ny mpitondra fivavahana jiosy mpihatsaravelatsihy, izay niseho ho masina be sy nihafy be mba hahazoana dera tamin’ny olona.​—Mt 6:16, 17.

Nilaza i Jakoba mpianatr’i Jesosy fa tokony ‘hohosorana menaka’ amin’ny anaran’i Jehovah ireo marary ara-panahy. Aretina ara-panahy tokoa ilay izy matoa izy niteny hoe: “Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana” fa tsy ny dokotera, ary ‘raha nanota izy, dia havela ny helony.’ (Jk 5:13-16) Fanasitranana an’ohatra koa no tian’i Jesosy holazaina, rehefa niteny tamin’ny fiangonan’i Laodikia izy ‘mba hividy aminy ... fanafody maso hikosehana [na ‘hahosotra’, Prot.] ny masony mba hahitany.’​—Ap 3:18.

Fanosorana amin’ny heviny manokana. Nararaka teo amin’ny lohan’ny olona ny menaka rehefa nohosorana izy, ary navela hikoriana hidina teo amin’ny volombavany hatreny amin’ny vozon’akanjony. (Sl 133:2) Fanaon’ny firenena hebreo sy tsy hebreo sasany ny nanosotra ny olona voatendry ho mpanjakany, mba hanamafisana an’ilay fanendrena. (Mpts 9:8, 15; 1Sa 9:16; 2Sa 19:10) Nohosoran’i Samoela ho mpanjaka, ohatra, i Saoly rehefa nofidin’Andriamanitra. (1Sa 10:1) Intelo nohosorana ho mpanjaka i Davida: Nanosotra azy aloha i Samoela, avy eo ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, ary farany ny foko rehetran’ny Israely. (1Sa 16:13; 2Sa 2:4; 5:3) Nohosorana ho mpisoronabe i Arona rehefa notendren’Andriamanitra. (Le 8:12) Nafafy tamin’ny akanjony sy ny an’ny zanany lahy avy eo, ny ampahany tamin’ny menaka fanosorana sy ny ran’ny biby natao fanatitra. Ny lohan’i Arona irery anefa no nandrarahana menaka.​—Le 8:30.

Nohosorana koa izay voatokana ho zava-masina. Nahazo nofy avy tamin’Andriamanitra i Jakoba indray mandeha. Nalainy avy eo ilay vato nataony ondana ka nataony tsangambato, ary nohosorany. Nanjary masina àry ilay toerana nisy an’ilay tsangambato, ka nataony hoe Betela na “Tranon’Andriamanitra.” (Ge 28:18, 19) Nohamafisin’i Jehovah tatỳ aoriana fa nohosorana tokoa ilay vato. (Ge 31:13) Nodidian’i Jehovah i Mosesy mba hanosotra ny tranolay masina sy ny fitaovana tao, tany an-tany efitr’i Sinay. Voatokana ho zava-masina koa àry ireny.​—Ek 30:26-28.

Nantsoina hoe voahosotra ny olona sasany satria notendren’Andriamanitra, na dia tsy nohosorana menaka aza ny lohany. Nasain’i Jehovah nohosoran’i Elia ho mpanjakan’i Syria, ohatra, i Hazaela, ho mpanjakan’ny Israely i Jeho, ary ho mpaminany handimby an’i Elia i Elisa. (1Mp 19:15, 16) Resahin’ny Baiboly fa nanosotra menaka an’i Jeho ho mpanjakan’ny Israely tokoa ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany nirahin’i Elisa. (2Mp 9:1-6) Tsy misy firesahana mihitsy anefa hoe nohosorana menaka i Hazaela sy Elisa. Nantsoina hoe Kristy na Voahosotra i Mosesy, na dia tsy nohosorana menaka aza. Izy mantsy no notendren’i Jehovah ho mpaminaniny sy solontenany, ary ho mpitarika sy mpanafaka ny Israely. (He 11:24-26, Prot.; TV) Nantsoin’i Jehovah hoe voahosony koa i Kyrosy mpanjaka persianina. (Is 45:1) Tsy nisy solontenan’i Jehovah nanosotra menaka azy anefa. Na izany aza dia voahosotra izy satria notendren’i Jehovah hanatanteraka ny fikasany.

Nolazain’i Jehovah tao amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe inona avy ireo zavatra faran’izay tsara nila nafangaro, mba hanamboarana an’ilay menaka masina fanosorana: Miora, kanelina, harefo mani-pofona, kasia, ary menaka oliva. (Ek 30:22-25) Novonoina ho faty izay nanamboatra menaka mitovy amin’io, sy nampiasa izany tamin-javatra tsy nahazoana alalana. (Ek 30:31-33) Tena zava-dehibe sy masina àry ny fanendrena ny olona iray sy ny fanosorana azy tamin’ny menaka masina.

Nanatanteraka faminaniana maro tao amin’ny Soratra Hebreo i Jesosy avy any Nazareta. Izy àry ilay Voahosotr’i Jehovah, ka mety ny iantsoana azy hoe Mesia na Kristy. (Mt 1:16; He 1:8, 9) Tsy nohosorana menaka anefa izy, fa nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahiny. (Mt 3:16) Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka sy Mpaminany ary Mpisoronabe izy, ka nantsoina hoe Voahosotr’i Jehovah. (Sl 2:2; As 3:20-26; 4:26, 27; He 5:5, 6) Niaiky i Jesosy tamin’izy tao Nazareta, fa voahosotra tokoa ny tenany. Nilaza mantsy izy fa tanteraka taminy ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 61:1 hoe: “I Jehovah nanosotra ahy.” (Lk 4:18) Izy irery no lazain’ny Baiboly fa nohosorana ho mpaminany sy mpisoronabe ary mpanjaka. Nohosorana ‘menaka fifaliana mihoatra noho ireo namany’ (ireo mpanjaka hafa taranak’i Davida) izy. I Jehovah mihitsy no nanosotra azy, ary tsy nohosorany menaka izy fa nohosorany tamin’ny fanahy masina, mba ho Mpanjaka sy Mpisoronabe any an-danitra fa tsy etỳ an-tany.​—He 1:9; Sl 45:7.

Voahosotra toa an’i Jesosy koa ny mpanara-dia azy, izay nateraky ny fanahy sy voahosotry ny fanahy masina. (2Ko 1:21) Hitantsika tetsy aloha fa i Arona irery no nohosorana mivantana ho mpisoronabe, fa ny zanany lahy kosa tsy nisy norarahana menaka ny lohany. Toy izany koa fa i Jesosy irery no nohosoran’i Jehovah mivantana, fa ny fiangonan’ireo rahalahiny voahosotra amin’ny fitambarany kosa hosorana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (As 2:1-4, 32, 33) Notendren’Andriamanitra ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra àry izy ireo. (2Ko 5:5; Ef 1:13, 14; 1Pe 1:3, 4; Ap 20:6) Nilaza ny apostoly Jaona fa amin’ny alalan’ny fanosorana amin’ny fanahy masina no ampianarana ny Kristianina. (1Jn 2:27) Voatendry sy ampy fahaizana mba ho mpanompon’ny fifanekena vaovao àry izy ireo.​—2Ko 3:5, 6.

Tena tia sy miahy an’ireo voahosony i Jehovah, sady miaro azy ireo. (1Ta 16:22; Sl 2:2, 5; 20:6; 105:15; Lk 18:7) Niaiky i Davida fa Andriamanitra no nifidy sy nanendry ary hitsara ny voahosony. Tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah àry izay maninjitra ny tanany hamely ny voahosony na izay notendreny.​—1Sa 24:6; 26:11, 23; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY; KRISTY; MESIA; MPANJAKA (Solontena notendren’Andriamanitra).