Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voajanahary

Voajanahary

Ny toetoetry ny zavaboary. Voajanahary, ohatra, ny toetoetra nolovan’ny olona hatrany am-bohoka. Voajanahary koa indraindray ny fanao mahazatra na ny fanirian’ny zavaboary. Ny teny grika fysis sy fysikôs (mpamari-toetra) no nadika hoe “natiora” sy “voajanahary.”

Feon’ny fieritreretana. Misy toetra efa ananan’ny olona hatrany am-bohoka, satria efa nataon’Andriamanitra tao aminy. Niresaka momba ny feon’ny fieritreretana koa ny apostoly Paoly. Azo lazaina hoe manana azy io ihany ny olombelona mpanota, na dia efa tafasaraka amin’Andriamanitra sy tsy manana ny lalàny aza. Tsy mahagaga àry raha araka ny rariny sy ny hitsiny ny lalàna maro novolavolain’ny firenena rehetra, ary manaraka fitsipika koa ny olona maro. Hoy i Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.”​—Ro 2:14, 15.

Nilaza koa i Paoly fa tokony hisaron-doha ny vehivavy kristianina rehefa mivavaka na maminany eo anivon’ny fiangonana, ho fanajany ny fahefana eo anivon’izy io. Nilaza fanoharana izy hoe: “Tsy efa voajanahary mihitsy ve ny hoe raha lava volo ny lehilahy, dia henatra ho azy izany, fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany? Fa ny volony no nomena azy ho saron-doha.”​—1Ko 11:14, 15.

Nilaza i Paoly eo amin’ny andininy faha-16 fa ‘fanaon’ny’ vehivavy ny misaron-doha. Tsy hoe “fanao” fotsiny anefa ny hoe “voajanahary.” Noheverin’ny Kristianina tany Korinto ho voajanahary koa angamba ny bika aman’endrika nolovana. Lasa lava be noho ny an’ny lehilahy, ohatra, ny volon’ny vehivavy eoropeanina (anisan’izany ny Grika), raha tsy tapahina. Tso-bolo kosa ny Aziatika sy ny Indianina Mena Hoditra, ary olioly volo ny Mainty Hoditra sy ny Melanezianina, ka tsy dia lava noho ny an’ny lehilahy ny volon’ny vehivavy.

Fantatry ny Kristianina tany Korinto koa fa fanaon’ny lehilahy ny manapa-bolo. Fanaon’ny lehilahy jiosy koa izany, fa ny Nazirita ihany no lava volo satria tsy nanaraka ny fanaon’ny olona izy ireo. (No 6:5) Ny vehivavy jiosy kosa lava volo be. (Lk 7:38; Jn 11:2) Fanao tao Korinto tanàna grika ny hoe nokakasana ny lohan’ny vehivavy andevo na notapahina fohy kely ny volony. Natao toy izany koa ny vehivavy tratra nijangajanga na nanitsakitsa-bady, ho fanalam-baraka azy.​—1Ko 11:6.

Fantatr’i Paoly àry fa nanana heviny maromaro ny hoe “voajanahary”, tamin’ny Kristianina tany Korinto.

Nomen’Andriamanitra fahaiza-misaina ny olona ka afaka mandinika an’ireo zavatra noharìny sy ny vokatry ny fampiasana azy ireny. Afaka mamantatra ny atao hoe mety sy tsy mety àry ny olona. Raha volavolain’ny Tenin’Andriamanitra koa ny sainy, dia hahay handinika sy hanavaka ary hamantatra izy hoe inona no voajanahary na tsy voajanahary. Ho zatra miasa tsara ny feon’ny fieritreretany amin’izay, ka tsy ho voaloto na hankasitraka ny fanaovan-javatra tsy voajanahary.​—Ro 1:26, 27; Tit 1:15; 1Ko 8:7.

Fanao voajanahary eo amin’ny lahy sy vavy. Tsy mety raha ampiasain’ny lehilahy sy vehivavy amin’ny fomba tsy mifanaraka amin’ny namoronan’Andriamanitra azy ny vatany. Midika hoe fahotana ny fanao tsy voajanahary toy izany. Maloto ny olona manao izany ka melohin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Izany no antony namelan’Andriamanitra azy hanaraka ny filan’ny nofo mahafa-baraka, fa nanova ny fanao voajanahary [fysiken] ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy. Torak’izany koa fa na ny lehilahy aza namela ny fanao voajanahary amin’ny vehivavy, ary nanjary narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta teo amin’izy samy lehilahy, ka nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany, dia valiny sahaza azy noho ny fahadisoany.” Lasa mietry hoatran’ny biby ny olona toy izany. (Ro 1:26, 27; 2Pe 2:12) Manaraka ny filan-dratsin’ny nofony fotsiny izy ireo, satria tsy misaina hoatran’ny biby sady tsy tia zavatra ara-panahy.​—Jd 7, 10.