Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voalavo Mpihady Tany

Voalavo Mpihady Tany

[Heb.: hôled].

Biby mpikiky mirefy 15 ka hatramin’ny 30 sm ny halavany. Fohy ny tongony, tsy misy rambo izy, ary somary boribory tsy misy tenda. Fohy matevina ny volony izay mivolondavenona manopy volontsôkôlà. Tsy misy volo ny vavany, ary misy nify roa ngezabe mivoaka eo aloha. Biby maloto tsy azo nohanina ny voalavo mpihady tany (Spalax ehrenbergi), araka ny Lalàna.​—Le 11:29.

Adikan’ny Baiboly maro hoe “kionkiona” (Prot., Kat., JM) ny hoe hôled, nefa mety kokoa ny hoe “voalavo mpihady tany.” Khold, mitovitovy amin’ny hoe hôled, ilay voalavo amin’ny teny arabo, izay misy ifandraisany amin’ny teny hebreo. Mety hisy ifandraisany amin’ny teny hebreo (fampiasa taorian’ny nanoratana ny Baiboly) midika hoe “mangady” na “mandoaka” koa ny hoe hôled. Izany rahateo no mampiavaka ny voalavo mpihady tany.

Mihady lavaka atoriana sy efitrefitra lehibe itehirizan-tsakafo ilay voalavo, ary monina any ambanin’ny tany. Zavamaniry no fihinany, indrindra fa faka sy vodin-javamaniry.