Voalavo Mpitsambikina
[Heb.: ʽakbar].
Nadika hoe “voalavo”, “totozy”, na “voalavo mpitsambikina” ny hoe ʽakbar (heb.), ary azo ilazana ny karazana voalavo sy totozy rehetra ary ny biby iray karazana aminy toy ny “voalavo mpitsambikina”, hoy ny manam-pahaizana maro. “Voalavo mpitsambikina” anefa no dikany, hoy ny diksionera hebreo-aramianina nataon’i Koehler sy Baumgartner.
Hoatran’ny kangoroa kely ilay biby mpikiky, izay mbola misy any amin’ny faritra maina atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Mirefy 10 ka hatramin’ny 15 sm ny halavan’ny karazany fahita any an-tany efitra (Jaculus jaculus), ary milanja 50 ka hatramin’ny 70 g. Be maso sy be sofina izy, ary fohy ny tongony aloha, fa ny tongony aoriana kosa mitovy halava amin’ny roa ampahatelon’ny vatany sy ny lohany. Misy volo matevina ny tendron’ny rambony, izay lava indrindra amin’ilay biby. Tia monina any an-tany efitra io biby mpivoaka alina io. Misitrika anaty lavaka izy rehefa mahamay ny andro, fa mivoaka mitady hanina kosa rehefa mangatsiatsiaka amin’ny alina.
Fihinan’ny Arabo any an-tany efitr’i Syria ny voalavo mpitsambikina, fa sakafo maloto kosa izy io, araka ny Lalàna ho an’ny Israelita. (Le 11:29) Toa tsy niraharaha izany anefa ny Israelita nivadi-pinoana.—Is 66:17.
Mpanimba voly ny voalavo mpitsambikina. Nanimba ny tanin’ny Filistinina izy ireny, nandritra ny fotoana nijanonan’ny Vata Masina tany.—1Sa 6:4, 5, 11, 18.