Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voaloboka

Voaloboka

Zavamaniry misy tahony lava mahia miolikolika, izay mandady amin’ny tany na amin-javatra ambony. Ny Vitis vinifera no karazany fahita indrindra. Nadika foana hoe “voaloboka” (No 6:4; Mpts 13:14) ny hoe gefen (heb.), afa-tsy indray mandeha monja ka natao hoe “zavamaniry mandady” (namoa voantangomboalavo). (2Mp 4:39) Ilazana voaloboka ny hoe ampelôs (gr.), ary tanimboaloboka ny hoe ampelôn.

Nanomboka tamin’i ‘Noa nanao tanimboaloboka’ ny tantaran’ny fambolena voaloboka. (Ge 9:20) Efa nisy voaloboka tany Kanana talohan’ny 1933 T.K., matoa i Melkizedeka mpanjakan’i Salema nitondra “mofo sy divay” ho an’i Abrahama. (Ge 14:18) Miresaka olona nioty voaloboka sy nanitsakitsaka azy io tao anaty famiazana tamin’ny taonarivo faharoa T.K. ny soratra ejipsianina. Nanana mpandroso zava-pisotro i Farao tamin’izany. (Ge 40:9-13, 20-23) Matiantoka be àry ny mpanamboatra divay tany Ejipta, rehefa ‘nataon’i Jehovah matin’ny havandra ny voalobony.’​—Sl 78:47; 105:33.

‘Tany misy voaloboka sy aviavy [ary] ampongabendanitra’ ny Tany Nampanantenaina. Ngezabe ny sampahom-boaloboka teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Eskola nentin’ny mpitsikilo avy tany, ka voatery nolanjain’olona roa tamin’ny bao filanjana. (De 8:8; No 13:20, 23, 26) Milanja 4,5 ka hatramin’ny 5,5 kg, hono, ny sampaho iray avy ao amin’io faritra io, ary nisy aza nilanja 12 kg sy 20 kg mahery.

Novolena voaloboka koa tany En-jedy akaikin’ny Ranomasina Maty (To 1:14) sy tany Sekema (Mpts 9:26, 27) sy Silo (Mpts 21:20, 21), ary Sibma, Hesbona, ary Elale izay samy teny ampitan’i Jordana.​—Is 16:7-10; Je 48:32.

Fambolena sy fikarakarana. Matetika no teny an-tehezan-kavoana ny tanimboaloboka, ary nasiana fefy na tamboho (No 22:24; Oh 24:30, 31), sy trano rantsankazo na tilikambo (Is 1:8; 5:2) hiarovana azy tamin’ny mpangalatra na biby nitsofotsofoka, toy ny amboadia sy lambo. (Sl 80:8, 13; To 2:15) Navelan’ny Lalàn’i Mosesy nihinana izay voaloboka laniny ny mpandalo, saingy tsy nahazo nitondra nody, satria naman’ny mangalatra izany.​—De 23:24.

Nohadina teo akaikin’ny tanimboaloboka ny lavaka famiazam-boaloboka sy ny fanantazan-divay, satria natao divay ny ankamaroan’ny voaloboka. (Is 5:2; Mr 12:1; jereo DIVAY SY TOAKA.) Betsaka koa anefa ny nohanina tamin’izao, ary nisy nohamainina.​—1Sa 25:18; 30:12; 2Sa 16:1; 1Ta 12:40.

Samy hafa ny endriky ny tanimboaloboka fahiny. Natao andalana nielanelana 2,5 m na mahery, ohatra, ny voaloboka nambolena rehefa voasa tsara ny tany. Tsy azo namafazana voa hafa teo, hoy ny Lalàn’i Mosesy, nefa azo novolena hazo toy ny aviavy. (De 22:9; Lk 13:6, 7) Navela nandady nidina nanaraka ny tehezan-kavoana ny voaloboka sasany, fa ny sampahony ihany no nakarina tamin’ny hazo nisampana roa. Matetika anefa no notarihina handady teo amin’ny talantalana na antontam-bato ny voaloboka.

Ilaina rantsanana ny voaloboka mba hamoa tsara. “Izay sampany rehetra tsy mamoa”, hoy i Jesosy, dia “esoriny daholo. Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa.” (Jn 15:2) Afaka mamoa tsara kokoa ny voaloboka rehefa rantsanana ny sampany mamoa, ary tapahina izay tsy mamoa. Nanomboka tamin’ny Martsa (lohataona) teo ho eo ny fandrantsanana tany Palestina, ary naverina tamin’ny Aprily, avy eo tamin’ny Mey raha nilaina.​—2Ta 26:10; Is 18:5; Lk 13:7.

Mety ho ela velona sy ho lehibe ny voaloboka mamoa voakarakara sy voarantsana tsara. Velona 300 taona mahery, hono, ny voaloboka iray tany Jeriko, ary efa ho 46 sm ny savaivon’ny vatany. Tena “hazo voaloboka” ireny efa antitra ireny satria nisy 9 m mahery ny haavony. Avo noho ny hazo any an’ala sasany izy. Tsy azo “akana vatan-kazo hanaovana asa sasany” na “anamboarana hazo fanantonan-javatra” anefa ny tahony, satria malemy loatra sady tsy mahitsy ka tsy azo atao hazo fisaka. Mety tsara hilazana ny olona nivadika tao Jerosalema àry ny hazo voaloboka, izay hatao kitay no hiafarany, hoy i Jesosy, toy ny voaloboka tsy mamoa.​—Ezk 15:2-7; Jn 15:6.

Falifaly sy nihirahira ny mpioty voaloboka sy ny mpanitsakitsaka azy tao anaty famiazana, rehefa be ny vokatra. (Mpts 9:27; Is 16:10; Je 25:30; jereo FAMIAZANA.) Faly koa ny mahantra sy ny mpivahiny satria navela hitsimpona izay sisa tavela taorian’ny fiotazana. (Le 19:10; De 24:21) Nalahelo be kosa ny olona rehefa nalazo ny voaloboka na tsy namoa, na rakotra tsilo ny tanimboaloboka. Loza mantsy izany.​—Is 24:7; 32:10, 12, 13; Je 8:13.

Tsy azo novolena ilay tany, ary tsy azo norantsanana na notazana ny voaloboka isaky ny fito taona sy ny Jobily, araka ny lalàna momba ny Sabata. (Le 25:3-5, 11) Nahazo nihinana an’izay namoa ho azy anefa ny tompony, ny mpanompo, ny vahiny, ny mahantra ary ny biby.​—Ek 23:10, 11; Le 25:1-12.

Fanoharana sy heviny an’ohatra. Noresahin’ny Baiboly matetika ny voaloboka, satria hain’olona tsara ny fambolena sy famokarana ary fiotazana azy, mbamin’ny fanaovana divay. Porofon’ny fitahian’i Jehovah ny voaloboka namoa be. (Le 26:5; Hg 2:19; Za 8:12; Ml 3:11; Sl 128:3) Olona miadana sy mandry feizay no voalaza hoe ‘mipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny.’​—1Mp 4:25; 2Mp 18:31; Is 36:16; Mi 4:4; Za 3:10.

Midika ho tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny voaloboka tsy namoa. (De 28:39) Toy ny voaloboka tany an-tany efitra ny Israely, nefa lasa toy ny voaloboka nihasimba (Ho 9:10; 10:1) sy toy ny voalobokadia. (Is 5:4; Je 2:21) Fitenin’olona tamin’ny andron’i Jeremia sy Ezekiela ny hoe mampahadilo nify ny voaloboka manta fa marikivy.​—Je 31:29, 30; Ezk 18:2.

Nezahina nofantarina hoe zavamaniry inona tany amin’ny faritry ny Ranomasina Maty ilay “voalobok’i Sodoma.” An’ohatra anefa izy io rehefa jerena ny hany andininy miresaka azy. (De 32:32) Imbetsaka koa ny hoe Sodoma no ilazana fitondran-tena sy faharatsiana, ao amin’ny Baiboly.​—Is 1:10; 3:9; Je 23:14.

Niresaka betsaka momba ny tanimboaloboka sy voaloboka i Jesosy. (Mt 20:1-16) Nanao fanoharana momba ny mpamboly ratsy fanahy izy, telo andro monja talohan’ny nahafatesany.​—Mr 12:1-9; Lk 20:9-16; jereo FANOHARANA.

Nampiasa divay na “vokatry ny voaloboka” ho “ran’ny fifanekena” i Jesosy, rehefa nisantatra ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ny tenany koa no “tena voaloboka”, ny Rainy no “mpamboly”, ary ny mpianany no “sampany” izay horantsanana mba hamoa kokoa na hotapahina tanteraka, araka ny teniny ny alina farany niainany teto an-tany.​—Mt 26:27-29; Mr 14:24, 25; Lk 22:18; Jn 15:1-10.

Heviny ara-paminaniana. Nisy heviny ara-paminaniana ny tsodranon’i Jakoba ho an’i Joda hoe: “Hamatotra ny ampondrany amin’ny foto-boaloboka [laggefen] izy ary ny zanaky ny ampondravaviny amin’ny foto-boaloboka karazany tsara [velassôrekah]. Hanasa ny fitafiany amin’ny divay izy ary ny akanjony amin’ny ram-boaloboka. Mena dia mena ny masony vokatry ny divay.” (Ge 49:8-12) Sôrekah (heb.) ny voaloboka mena faran’izay tsara. (Ampitahao amin’ny Is 5:2 sy Je 2:21, izay ahitana ny teny iray tarika aminy hoe sôrek.) Nitaingina zanak’ampondra i Jesosy Kristy avy amin’ny fokon’i Joda, rehefa niditra tao Jerosalema. Nasehony tamin’ny mponina tao fa izy no mpanjakany, andro vitsivitsy talohan’ny nametahana ny soratra hoe “Ny Mpanjakan’ny Jiosy” teo amboniny, teo amin’ny hazo fijaliana. (Mr 15:26; Mt 21:1-9; Za 9:9) Tsy nafatony tamin’ny voaloboka ara-bakiteny ilay zanak’ampondra, nefa mifamatotra amin’ny voaloboka an’ohatra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra, ny zony hanjaka.​—Ampit. Mt 21:41-43; Jn 15:1-5.

Tanteraka ara-bakiteny koa ilay faminanian’i Jakoba, satria nisy faritra be tendrombohitra sy lohasaha lonaka ary ‘tehezan-kavoana nahavokatra’ voaloboka an-tanantohatra, ny lovan’ny fokon’i Joda tao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Is 5:1.

Taorian’ny fijinjana ny “vokatry ny tany”, dia nasaina ‘nangonin’ny [anjely iray] ny sampahom-boaloboky ny tany, satria efa masaka ny voalobony.’ Nangonina àry izany ka natsipy tao amin’ny “famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.” Tsy toy ilay “tena voaloboka” izay manome voninahitra an’Andriamanitra io “voaloboky ny tany” io, fa mamoa voa ratsy ka nasainy nopotehina.​—Ap 14:15, 18, 19.