Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voaloham-bokatra

Voaloham-bokatra

Santatry ny vokatra avy amin’ny hazo sy ny zavatra hafa. Midika hoe tapany voalohany, toerana fiaingana, na ‘fiandohana’ (De 11:12; Ge 1:1; 10:10), “tsara indrindra” (Ek 23:19), ary “voaloham-bokatra” (Le 2:12) ny teny hebreo hoe reʼshit (avy amin’ny fototeny midika hoe “loha”). Nadika hoe ‘voa masaka voalohany’ ny teny hebreo hoe bikkorim, izay fampiasa kokoa amin’ny varimbazaha sy voankazo. (Na 3:12) Avy amin’ny fototeny midika hoe “loha laharana” kosa ny teny grika hoe aparke (voaloham-bokatra).

Tokony hatolotry ny firenen’Israely ho an’i Jehovah ny voaloham-bokatra, na olona izany na biby na vokatry ny tany (Ek 22:29, 30; 23:19; Oh 3:9), ho fankasitrahana ny fitahiany sy ny nanomezany an’ilay tany sy ireo vokatra, ary ho fisaorana an’ilay Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra.”​—De 8:6-10; Jk 1:17.

Nodidian’i Jehovah hanolotra ny voaloham-bokatra ireo solontenan’ilay firenena, indrindra rehefa Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Nankao amin’ny toerana masina ny mpisoronabe ny 16 Nisana, ary nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ny amboarana vary orza, izay vokatra niakatra voalohany tao anatin’ny taona (araka ny kalandrie ara-pivavahana). (Le 23:5-12) Natao fanatitra ahetsiketsika koa ny voaloham-bokatry ny varimbazaha, dia mofo roa natao tamin’ny lafarinina tsara toto sy nasiana lalivay, ny andro faha-50 taorian’izay, tamin’ny Pentekosta.​—Le 23:15-17; jereo FETY.

Tokony hatolotry ny Israelita koa ireto voaloham-bokatra hafa ireto, ankoatra ireo fanatitra natolotry ny mpisoronabe noho ny fahotan’ilay firenena ireo: Ny lahy voalohan-teraka rehetra, na olona na biby, izay nohamasinina ho an’i Jehovah ka natolotra ho azy na navotana (jereo LAHIMATOA, VOALOHAN-TERAKA); santatry ny varimbazaha tsy nototoina malemy natao mofo boribory (No 15:20, 21); ary vokatry ny tany natao tao anaty harona izay nentin’ny Israelita tao amin’ny toerana masina. (De 26:1, 2) Tao izy dia namerina ny voalazan’ny Deoteronomia 26:3-10, izay famintinana ny tantaran’ilay firenena tany Ejipta, ny nanafahana azy tany, ary ny nitondrana azy tao amin’ny Tany Nampanantenaina.

Fanaon’ny Israelita isam-paritra, hono, ny nandefa solontena hanolotra ny voaloham-bokatra, mba tsy ho voatery hankany Jerosalema ny rehetra isaky ny niakatra ny vokatra voalohany. Tsy noferan’ny Lalàna ny habetsahan’ny voaloham-bokatra natolotra, nefa azo inoana fa nanome betsaka izay nalala-tanana sy velom-pankasitrahana an’i Jehovah. Tsy maintsy ny tsara indrindra anefa no natolotra.​—No 18:12; Ek 23:19; 34:26.

Toy ny hoe maloto hoatran’ny olona tsy voafora ny voan’ny hazo nambolena, nandritra ny telo taona voalohany. Masina ho an’i Jehovah ny voany rehetra, ny taona fahefatra. Afaka nihinana ny voany kosa ny tompon’ilay hazo, ny taona fahadimy.​—Le 19:23-25.

Lasan’ny mpisorona sy ny Levita ny voaloham-bokatra nomen’ny fokon’ny Israely 12 ho an’i Jehovah, satria tsy nahazo lova tao amin’ilay tany izy ireo. (No 18:8-13) Faly i Jehovah rehefa nomena tsy tapaka ny voaloham-bokatra, ary notahina ny mpisorona sy Levita ary ilay nanome. (Ezk 44:30) Toy ny hoe nandroba an’Andriamanitra àry izay tsy nanome, ka tsy nankasitrahany. (Ml 3:8) Nisy fotoana ny Israelita tsy nanome voaloham-bokatra, nefa nanome indray izy ireo rehefa nazoto nanompo an’i Jehovah ny mpitondra. Nanao fanavaozana i Hezekia Mpanjaka. Nohalavainy koa ny fotoana nankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ary nasainy nanolotra voaloham-bokatra sy ampahafolon-karena ny olona. Faly àry ny olona nanome voaloham-bokatra be dia be (volana faha-3-7): Varimbazaha, divay vaovao, menaka, tantely, ary ny vokatra rehetra avy teny an-tsaha. (2Ta 30:21, 23; 31:4-7) Nasain’i Nehemia nianiana ny olona nody avy tany Babylona hoe hanaraka ny lalàn’i Jehovah, ka hanolotra voaloham-bokatra isan-karazany.​—Ne 10:29, 34-37; jereo FANATITRA.

Heviny an’ohatra. Nateraky ny fanahy i Jesosy Kristy tamin’izy natao batisa. Lasa fanahy izy rehefa natsangana tamin’ny maty ny 16 Nisana taona 33. Ny 16 Nisana no andro fanolorana ho an’i Jehovah tao amin’ny toerana masina ny vokatra niakatra voalohany tao anatin’ny taona. Antsoina hoe voaloham-bokatra àry i Jesosy, satria izy no voaloham-bokatra atolotra voalohany ho an’Andriamanitra. (1Ko 15:20, 23; 1Pe 3:18) Voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra koa ireo rahalahin’i Kristy tsy mivadika, saingy voaloham-bokatra atolotra faharoa toy ny vokatra niakatra faharoa, dia ny varimbazaha natolotra ho an’i Jehovah tamin’ny Pentekosta. Miisa 144 000 izy ireo, ary ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry’ sady “anisan’ny voaloham-bokatra amin’ny zavaboariny.”​—Ap 14:1-4; Jk 1:18.

“Voaloham-bokatra” koa ny Jiosy voalohany lasa Kristianina, hoy ny apostoly Paoly. (Ro 11:16) “Voaloham-bokatra tany Azia ho an’i Kristy” i Epaineto (Ro 16:5), ary “voaloham-bokatra tany Akaia” ny fianakavian’i Stefanasy.​—1Ko 16:15.

Nateraky ny fanahy ho zanak’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra, ary manantena ny ho any an-danitra ka tsy ho faty intsony. “Manana ny voaloham-bokatra, izany hoe ny fanahy” izy ireo raha mbola eto an-tany, ‘sady miandry fatratra ny fananganana azy ireo ho zanaka sy ny fanafahana azy amin’ny vatany, amin’ny alalan’ny vidim-panavotana.’ (Ro 8:23, 24) Manana ny ‘fanahy ho antoka ny amin’izay ho avy’ i Paoly sy ireo Kristianina ho any an-danitra. ‘Antoka mialoha ny amin’ny lovan’izy ireo’ koa ny fanahy.​—2Ko 5:5; Ef 1:13, 14.