Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voarointsilo

Voarointsilo

Zavamaniry misy tahony feno tsilo, ary mety ho anarana iombonan’ny karazan-javamaniry be tsilo. Tsilo misy tendrony matsilotsilo (Centaurea scoparia) ny hoe barkanim (heb., voarointsilo), hoy ny manam-pahaizana sasany, ary mitovitovy amin’izany ihany ny anarany amin’ny teny arabo. Barkanim no nanafaizan’i Gideona an’ireo lehilahy tao Sokota tsy nety nanome mofo ny miaramilany noana, izay niady tamin’ny Midianita.​—Mpts 8:6, 7, 16.

Solanum coagulans, hazo madinika be tsilony iray tarika amin’ny baranjely, ny hoe hedek (heb., voarointsilo). (Diksioneran’ny Teny ao Amin’ny Baiboly, misy ampahany nataon’i M. Kaddari, Jerosalema, 1968, Boky Faha-3, p. 88) Ratsy fitondran-tena be ny firenen’Israely, ka ‘na ny tsara indrindra teo aminy aza dia toy ny voarointsilo [heb.: kehedek], ary ny olo-marina indrindra dia ratsy noho ny fefy tsilo.’ (Mi 7:4) Voarangotra izay manakaiky loatra ny voarointsilo na fefy tsilo. Toy izany koa fa nahita loza izay nifandray tamin’ny Israelita, na dia ny tsara toetra indrindra taminy aza.