Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Volana

Volana

1. “Ilay kely kokoa” amin’ireo zavatra roa manome hazavana. ‘Manjaka amin’ny alina’ izy io, ary nataon’Andriamanitra mba “hamaritana fotoana.” (Ge 1:16; Sl 104:19; Je 31:35; 1Ko 15:41) Yareah no teny hebreo nadika hoe “volana.” Iray tarika amin’izy io ilay teny hebreo hoe yerah, izay manondro fe-potoana iray volana (ny faharetan’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany). Ny tsinam-bolana (heb.: hôdesh) foana no mamaritra ny voalohan’ny volana, araka ny kalandrie fahiny, ka nanjary nidika hoe fiandohan’ny volana ny hoe “tsinam-bolana.” (Ge 7:11; Ek 12:2; Is 66:23) Selene no teny grika manondro an’ilay volana eny amin’ny lanitra. Men kosa no teny grika ilazana an’ilay fe-potoana iray volana, izay refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany.​—Lk 1:24; Ga 4:10; jereo koa Kl 2:16, izay ahitana ny hoe neômenia (tsinam-bolana).

Midika hoe “fotsy” ny teny hebreo hoe levanah. Miseho intelo izy io ao amin’ny soratra hebreo, ary ilazana ny loko fotsy botsiaka ananan’ny volana fenomanana, indrindra rehefa tazanina any Palestina. (To 6:10; Is 24:23; 30:26) Miseho indroa koa ilay teny hebreo hoe keseʼ (na keseh) izay midika hoe “fenomanana.”​—Sl 81:3; Oh 7:20.

Maharitra 29 andro sy 12 ora ary 44 minitra eo ho eo ny elanelan’ny tsinam-bolana roa. Nisy 29 na 30 andro àry ny iray volana fahiny, raha refesina amin’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany. Ahoana no namaritana ny voalohan’ny volana? Fahiny, dia nojerena fotsiny angamba raha efa tsinana ny volana. Toa efa nofantarina mialoha kosa izany tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny andron’i Davida. (1Sa 20:5, 18, 24-29) Milaza ny Mishnah (Rosh Ha-Shanah 1:3–2:7) fa taorian’ny sesitany dia nivory vao maraim-be ny Fitsarana Avo Jiosy isaky ny fahatelopolon’ny volana, nandritra ny fito volana isan-taona, mba hamantarana ny fanombohan’ny tsinam-bolana. Nasiana mpitily teny amin’ny toerana avo nanodidina an’i Jerosalema, ary nanao tatitra avy hatrany tamin’ny fitsarana jiosy izy ireo raha vao nahatazana ny volan-tsinana. Nambaran’ny fitsarana tamin’ny fomba ofisialy hoe tamin’io andro io ny voalohan’ny volana, rehefa nahazo porofo ampy tsara izy ireo. Ary ahoana raha semban-drahona ny lanitra na nisy zavona ka tsy hita tsara ny volana? Nambaran’ny fitsarana hoe nisy 30 andro ny volana teo aloha, ka ny ampitson’ny fivorian’ny fitsarana ny voalohan’ny volana. Voalaza fa nisy afo nampirehetina koa teny amin’ny Tendrombohitra Oliva, ary avy eo teny amin’ny toerana avo hafa nanerana an’ilay tany, mba hampahafantarana hoe tonga ny voalohan’ny volana. Mpitondra hafatra kosa no nampiasaina tatỳ aoriana, ka ireny no nampita ny vaovao.

Tamin’ny taonjato fahefatra vao nisy kalandrie jiosy ofisialy. Tsy niovaova àry ny isan’ny andro tamin’ny volana jiosy tsirairay, nanomboka tamin’izay. Ny isan’ny andro tamin’ny volana Hesvana sy Kisleo ary Adara ihany no niovaova, ka indraindray 29 andro ary indraindray 30 andro, arakaraka ny toe-javatra.

Fankalazana tsinam-bolana. Isaky ny tsinam-bolana, dia notsofina ny trompetra ary nanao sorona notakin’ny Lalàna ny Jiosy. (No 10:10; 2Ta 2:4; Sl 81:3; ampit. Is 1:13, 14.) Fanatitra lehibe kokoa no natao tamin’izany fa tsy toy ny fanao isan-tsabata. (No 28:9-15) Tsy voalaza mazava raha andro fitsaharana ny tsinam-bolana, na tsia. Toa milaza kosa ny Amosa 8:5 fa nitsahatra tamin’ny asany ny olona tamin’io andro io. Angamba izy io andro fety (1Sa 20:5), ary fotoana nety tsara hiaraha-mivory mba hianarana ny Lalàn’Andriamanitra.​—Ezk 46:1-3; 2Mp 4:22, 23; Is 66:23.

Sabata ny tsinam-bolana fahafito isan-taona (mifanitsy amin’ny andro voalohan’ny volana Etanima na Tisry). Milaza ny Lalàna fa tokony ho andro fitsaharana tanteraka izy io. (Le 23:24, 25; No 29:1-6) “Andro fitsofana trompetra” izy io, saingy misy heviny lehibe kokoa noho ny tamin’ny tsinam-bolana hafa. Nambara tamin’izany mantsy fa efa akaiky ny Andro Fandrakofam-pahotana, izay fanao tamin’ny andro fahafolon’io volana io ihany.​—Le 23:27, 28; No 29:1, 7-11.

Fivavahana tamin’ny volana. Ny volana no nahalalan’ny Israelita ny fotoana sy ny voalohan’ny volana ary ny andro fety. Tokony hitandrina anefa izy ireo mba tsy hivavaka tamin’ny volana, na dia be mpanao aza izany teo amin’ireo firenena nanodidina azy. Sîn no anaran’ilay andriamanitra volana nivavahan’ny olona tao Ora, renivohitr’i Somera. Avy tao i Abrahama sy ny fianakaviany no niainga mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Maro ny andriamanitr’ireo mponina tao Ora, fa i Sîn no ambony indrindra. Lahy i Sîn, ary ho azy io no tena nanokanan’izy ireo ny tempoliny sy ny alitarany. Tonga tao Harana ry Abrahama mianakavy rehefa niala tany Ora. Foiben’ny fivavahana tamin’ny volana koa i Harana, izay toerana nahafatesan’i Tera, rain’i Abrahama. Toa nanaraka an’io fivavahana io i Tera. (Ge 11:31, 32) Azontsika tsara àry hoe nahoana i Josoa no nampitandrina ny Israely, talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Hoy izy: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Tany ampitan’ny Renirano [Eofrata] no nonenan’ny razanareo taloha ela be, dia i Tera, rain’i Abrahama sy Nahora. Ary nanompo andriamani-kafa izy ireo.’ Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana, ary ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta, ka manompoa an’i Jehovah.”​—Js 24:2, 14.

Nivavaka tamin’ny volana koa ny mpiara-belona tamin’i Joba. Fanaon’izy ireny ny nanoroka ny tanany ary nandefa an’ilay oroka ho an’ny volana. Tsy nanao toy izany mihitsy anefa i Joba. (Jb 31:26-28) Nampiasa ravaka miendrika volana ny Midianita, izay nonina tsy lavitra teo. Nataon’izy ireo teo am-bozon’ny ramevany mihitsy izany. (Mpts 8:21, 26) Nivavaka tamin’ny volana koa ny Ejipsianina, tamin’i Abrahama nonina tany, ary rehefa nonina tany koa ny Israelita tatỳ aoriana. Thoth no anaran’io andriamanitra volana io, ary andriamanitra mpandrefy izy io. Namono kisoa ho sorona ho an’i Thoth izy ireo, isaky ny fenomanana. Notompoin’ny Grika koa io andriamanitra io, ary nantsoiny hoe Hermesy Trismezista (Hermesy, Ilay Lehibe Indrindra Avo Telo Heny). Nivavaka tamin’ny volana ny mponina hatrany amin’ny ilany andrefana amin’ny tany matoa nahitana tempoly (miendrika piramida) natokana ho an’ny volana tany Meksika sy Amerika Afovoany. Nivavaka tamin’ny volana koa ny Anglisy taloha, ka avy amin’ny hoe “moon-day” (andron’ny volana) ny teny anglisy hoe Monday (Alatsinainy).

Ninoan’ireo mpivavaka tamin’ny volana fa manana hery mahavokatra ny volana. Nivavaka taminy àry izy ireo satria te hahazo vokatra be sy biby fiompy maro be. Nivavaka tamin’ny volana, ohatra, ny mponina tao Kanana, tanàna nalain’ny Israelita sy nonenany tatỳ aoriana. Nampirisika an’ireo Kananita hanao fombafomba sy fety nisy fitondran-tena maloto io fivavahana io. Ny sarin’i Astarta andriamanibavy no nampiasain’izy ireo indraindray, rehefa nivavaka tamin’ny volana izy ireo. Voalaza fa vadin’i Bala andriamanitra i Astarta, ka i Bala no lahy. Voataona imbetsaka hivavaka tamin’ireo andriamanitra roa ireo ny Israelita tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpts 2:13; 10:6) Ireo vehivavy hafa firenena vadin’i Solomona Mpanjaka no nahatonga an’ireo mponin’i Joda hivavaka tamin’ny volana, tamin’ny farany. Nisy mpisoron’ny andriamani-kafa nitarika ny mponin’i Joda sy Jerosalema hanolotra setroka ho sorona ho an’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Nitohy hatramin’ny andron’i Josia Mpanjaka izany fanao izany. (1Mp 11:3-5, 33; 2Mp 23:5, 13, 14) Nanjary tafiditra tao Israely ny fivavahana tamin’i Bala, ary angamba koa tamin’ilay andriamanitra volana hoe Astarta, rehefa nanambady an’i Ahaza mpanjakan’ny Israely i Jezebela, zanakavavin’i Etibala mpanjaka mpanompo sampy tao Sidona. (1Mp 16:31) Niaina teo anivon’ireo mpivavaka tamin’ny volana indray ny Israelita, rehefa natao sesitany tany Babylona. Nino ireo mpanandro babylonianina fa fotoana nety tsara hamantarana ny hoavy ny fotoanan’ny tsinam-bolana.​—Is 47:12, 13.

Nandrara an’ireo Israelita tsy hivavaka tamin’ny volana ny Tenin’Andriamanitra. Hazavaina ao, ohatra, fa tsy inona ny volana fa zavatra manome hazavana sy manondro fotoana fotsiny, ary tsy misaina sady tsy manana fihetseham-po. (Ge 1:14-18) Nampitandrina tsara an’ireo Israelita koa i Jehovah, tamin’izy ireo efa nanakaiky an’i Kanana, mba tsy hivavaka amin’ireny zavaboary eny amin’ny lanitra ireny ka hihevitra azy ireny ho endrika isehoan’Andriamanitra. Notoraham-bato ho faty izay nivavaka tamin’ireny. (De 4:15-19; 17:2-5) Nilaza tamin’ny mponin’i Jerosalema i Jehovah tatỳ aoriana fa hofongarina avy ao am-pasana, mba “ho zezika eny ambonin’ny tany”, ny taolan’izay nanompo sampy, na mpanjaka izany na mpisorona na mpaminany.​—Je 8:1, 2.

Misy milaza fa nanaraka ny hevitry ny mpanompo sampy na nanana finoanoam-poana momba ny volana, hono, ny Israelita, rehefa jerena ny Deoteronomia 33:14. Miresaka momba ny “voan-javatra soa vokatry ny volana” mantsy ny Fandikan-teny Protestanta ao amin’io andininy io. Baiboly maoderina maro anefa no milaza hoe “zava-tsoa matoy isam-bolana” (DIEM) na “zava-tsoa entin’ireo volana mifandimby” (TV). Ny faharetan’ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany mantsy no tena dikan’ilay teny hebreo (yerahim) ampiasaina ao amin’io andininy io, ary te hilaza izy io hoe hisy voankazo masaka foana isam-bolana.

Mampiasa ny Salamo 121:6 koa ny olona sasany mba hanaporofoana ny finoana hoe misy aretina azo rehefa tarafin’ny volana ny olona. Tsy marina anefa izany rehefa jerena ilay salamo manontolo. Sarin-teny momba ny fiarovan’Andriamanitra mantsy izy io, ary manome toky fa miaro amin’ny loza Andriamanitra, na inona na inona zava-mitranga, ary na rahoviana na rahoviana: Na amin’ny antoandro isian’ny hazavan’ny masoandro na amin’ny alina isian’ny hazavan’ny volana.

Misy olona tafintohina rehefa nahita ny teny hoe “adala manara-bolana” ao amin’ny Baiboly sasany (Sg, Da, TOB), ao amin’ny Matio 4:24 sy Matio 17:15. Seleniazômai no teny grika nampiasaina ao, ary midika ara-bakiteny hoe “nasian’ny volana” izy io. Baiboly maoderina maro kosa no milaza hoe “voan’ny androbe.” Nahoana àry i Matio no nampiasa an’io teny io? Satria fotsiny io no fampiasan’ny Grika tamin’izany mba hilazana an’izay voan’ny androbe. Tsy te hilaza anefa izy hoe mahatonga aretina ny volana na koa hoe mampianatra izany ny Baiboly. Mbola mampiasa an’ilay teny hoe “Monday” (Alatsinainy) koa ny Kristianina anglisy ankehitriny, nefa tsy mieritreritra azy io intsony ho andro masina ho an’ny volana.

Aorian’i Kristy. Tsy nivavaka tamin’ny volana ny Jiosy, tamin’ny andron’i Kristy Jesosy sy ny apostoliny. Nankalaza ny tsinam-bolana izy ireo, na izany aza, ho fanarahana ny fifaneken’ny Lalàna. Mbola mankalaza tsinam-bolana isam-bolana ankehitriny ny Jiosy mitana ny nentim-paharazana. Andro fandrakofam-pahotana izy io amin’izy ireo, saingy tsy tena lehibe toy ilay fanao isan-taona ary natao handrakofana ny fahotana natao nandritra ny volana teo aloha.

Fotoana fankalazana ny Paska ny 14 Nisana. Efa kely sisa dia ho fenomanana ny volana amin’io. Io koa no fotoana nanombohan’i Jesosy nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo, mba hahatsiarovana ny nahafatesany.​—Mt 26:2, 20, 26-30; 1Ko 11:20-26.

Mbola nankalaza ny tsinam-bolana sy ny sabata foana ny Kristianina jiosy sasany sy ny olon-kafa, na dia efa tsy nanan-kery intsony aza ny fifaneken’ny Lalàna. Hitan’i Paoly fa nila nahitsy izy ireo, ka nanoro hevitra azy ireo izy ao amin’ny Kolosianina 2:16, 17 sy ny Galatianina 4:9-11.

2. Jereo KALANDRIE.