Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Volofotsy

Volofotsy

Mihafotsy ny volo rehefa mihena ny loko voajanahary ao aminy, noho ny fiovana simika ao amin’ny vatana. Fotsy volo ihany ny tanora sasany, saingy ny antitra matetika no toy izany. Ilazan’ny Baiboly ny olona antitra àry ny matoanteny hoe siv (heb.; fotsy volo), na matetika kokoa ny anarana hoe sehvah (heb.; volofotsy, fotsy volo, antitra). (Rt 4:15; 1Sa 12:2; 1Mp 2:6, 9; Jb 15:10; Sl 71:18) “Tratrantitra [sehvah]” i Abrahama sy Gideona ary Davida.​—Ge 15:15; 25:8; Mpts 8:32; 1Ta 29:28.

Samy resahin’ny Baiboly ny hatsaran-tarehin’ny tanora sy ny voninahitry ny zokiolona. “Ravaky ny tanora ny tanjany, ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny” (Oh 20:29), indrindra raha manompo an’i Jehovah ilay zokiolona. “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, raha ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Oh 16:31) “Ireo nambolena tao an-tranon’i Jehovah” dia ‘mbola handrobona foana na dia efa fotsy volo aza.’ (Sl 92:13, 14) Tsy hahafoy azy ireny ny Andriamaniny. (Is 46:4) Hoy koa ny lalàn’i Jehovah: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo ianao, ary asio fiheverana ny zokiolona.”​—Le 19:32.

Mety ho fotsy volo daholo, na lahy na vavy, ary na inona na inona loko voajanaharin’ny volony (mainty, mavo, mivolontsôkôlà, na mena). Mbola tsy nisy mihitsy olona na fitsaboana nahasakana ny volo tsy hihafotsy hatramin’izao. Niresaka momba izany i Jesosy Kristy, rehefa nilaza fa tsy tokony hianiana amin’ny lohantsika isika.​—Mt 5:36.

Tsy vao izao no nisy nandoko volo, fa efa nanao izany ny Grika sy Romanina. Nandoko volo i Heroda Lehibe mba tsy ho hita hoe efa antitra, hoy i Josèphe.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVI, 233 (viii, 1).