Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Volombava

Volombava

Volo maniry eo amin’ny saoka sy takolaka, na eo ambony molotra. Nadika hoe “volombava” ny hoe zakan ao amin’ny Soratra Hebreo, fa ny hoe safam (“molotra”) kosa nadika hoe “volombava”, “volombava eo ambony molotra”, ary “molotra ambony.” Ilazana ny ‘saoka’ koa indraindray ny hoe zakan.​—Le 13:29, 30; 14:9.

Tia nanisy volombava ny Israelita sy ny Tatsinanana maro hafa fahiny, satria porofo izany fa nanan-kaja ny lehilahy iray. Tsy azon’ny Israelita nohetezana fohy loatra ny ‘volony, avy teo amin’ny fihirifana iray mihodidina nankany amin’ny fihirifana iray’, sy ny sisin’ny volombavany. (Le 19:27; 21:5) Fanaon’ny mpanompo sampy sasany mantsy izany.

Mety ho nanongotra ny volombavany na tsy nikarakara izany ny lehilahy iray, rehefa nalahelo mafy, menatra, na nahatsiaro ho afa-baraka. (Ezr 9:3) Hitan’i Davida hoe tsy voakarakara ny volombavan’i Mefiboseta zanak’i Jonatana. Izany angamba no nampiaiky azy fa marina ny tenin’izy io hoe nendrikendrehin’i Ziba mpanompony izy, ary hoe nisaona izy rehefa nandositra an’i Absaloma i Davida fa tsy faly araka ny tenin’i Ziba. (2Sa 16:3; 19:24-30) Noharatana ny volombava rehefa nisy loza na fisaonana lehibe vokatr’ilay loza.​—Is 7:20; 15:2; Je 48:37; Ezk 5:1.

Noharatan’ireo lehilahy avy any Sekema sy Silo ary Samaria ny volombavany, norovitiny ny akanjony, ary nodidididiany ny vatany, satria nalahelo izy ireo fa rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Mbola nitondra fanatitra ho ao an-tranon’i Jehovah izy ireo, angamba teo amin’ilay toerana nisy ny tempoly, saingy fanatitra tsy nisy ra. (Je 41:5) Tsy tena nifanaraka tamin’ny lalàn’Andriamanitra anefa ny nataon’izy ireo satria voararan’izy io, ohatra, ny hoe mandidididy vatana.​—Le 19:28; 21:5.

Zava-dehibe ny nanana volombava voakarakara tsara, araka ny hita tamin’ny fihetsik’i Akisy mpanjakan’i Gata, rehefa nody adala i Davida. Navelany hiraraka tamin’ny volombavany mantsy ny iviny, ka resy lahatra i Akisy hoe very saina izy. (1Sa 21:13) Tatỳ aoriana, dia noharatan’i Hanona mpanjakan’i Amona ny antsasaky ny volombavan’ireo irak’i Davida, ho faniratsirana azy ireo. Nasain’i Davida nijanona tao Jeriko àry izy ireo mandra-paniry tsara ny volombavany. Niomana hiady avy eo ny Amonita, satria fantany hoe lasa halan’i Davida izy ireo fa naniratsira azy.​—2Sa 10:4-6; 1Ta 19:1-6.

Efa zatra nanao volombava ny lehilahy, na dia talohan’ny fifaneken’ny Lalàna aza. Tsy nanao tsangambato misy ny sariny ny Hebreo, nefa ahitana sarina Asyrianina sy Babylonianina ary Kananita misy volombava, ny tsangambato sy soratra maro hita tany Ejipta sy Mezopotamia ary tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Samihafa ny endrik’ireo volombava hita tamin’ny sary sasany natao teo anelanelan’ny 3000 ka hatramin’ny 2000 T.K. Ny lehilahy novosirina no tena tsy nisy volombava teo amin’ireo firenena ireo. Tsy novosirina anefa ny lehilahy tany Israely, satria tsy nahazo niditra ho anisan’ny fiangonana izy ireny tany.​—De 23:1.

Misy volombava ny ankamaroan’ny taranak’i Sema natao sary, na dia talohan’ny nanomezana ny Lalàna aza. Tsy mahagaga àry raha nisy volombava koa ireo lehilahy tsy nivadika fahiny taranak’i Sema, izay mbola nampiasa ny fiteny tany Edena, sy nanaraka akaiky ny fombafomba tamin’ny andron’i Sema. Azo inoana fa nisy volombava koa ry Noa, Enoka, Seta, ary Adama.

Noharatan’ny Ejipsianina ny volo tamin’ny tarehiny sy lohany, hoy i Hérodote (II, 36). Noheverina ho nisaona na tsy nahava-tena mantsy ny lehilahy nampaniry volo sy volombava. Niharatra àry i Josefa rehefa nalaina avy tao am-ponja mba hiseho teo anatrehan’i Farao. (Ge 41:14) Nanao solovolombava sy solovolo anefa ny Ejipsianina.

Nisy volombava ve i Jesosy tamin’izy teto an-tany? Azo antoka fa nisy izy, satria izany no fanaon’ny Jiosy. Jiosy “nateraka teo ambanin’ny lalàna” mantsy i Jesosy, ka nankatò ny Lalàna. (Ga 4:4; Mt 5:17) Vao teraka izy dia efa voatokana ho an’i Jehovah Andriamanitra, toy ny Jiosy rehetra teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna. Adidiny àry ny nankatò ny Lalàna manontolo, anisan’izany ny hoe tsy azo haratana ny sisin’ny volombava. Ny Romanina no tsy nisy volombava, tamin’ny andron’i Jesosy. Mety ho noheverina hoe novosirina na Romanina àry izy, raha tsy nanisy volombava. Mahaliana koa ity faminaniana momba ny fijalian’i Jesosy ity: “Ny lamosiko natolotro tamin’ny mpikapoka, ary ny takolako natolotro tamin’ny mpanongotra volombava.”​—Is 50:6.