Volonondry
Volo mihorongorona sy malefaka mandrakotra ny vatan’ny ondry. Nampiasa be ny volonondry avy nohetezana ny Hebreo sy ny firenen-kafa fahiny, mba hanaovana akanjo sy peta-kofehy. (Ek 35:4-6, 25; 36:8, 35, 37; 38:18; 39:1-8, 22-29; Le 13:47; Oh 31:13, 22; Ezk 34:3) Miaro amin’ny hafanana sy hatsiaka ny akanjo volonondry. Mampahazo aina koa ilay izy satria manafana nefa tsy mavesatra, ary mifoka hamandoana nefa tsy mando.
Tokony homen’ny Israelita ho an’ny mpisorona ‘ny santatry ny volonondriny vao avy nohetezana.’ (De 18:3-5) Tsy nahazo ‘nanao akanjo vita tamin’ny volonondry sy rongony niara-notenomina’ ny olon-kafa tsy mpisorona.—De 22:11; Le 19:19; jereo LAMBA (Fomba hafa nampiasana ny lamba).
Be mpitady ny volonondry fahiny, matoa “zanak’ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy mbola tsy nohetezana” ny hetra naloan’i Mesa mpanjaka moabita tamin’ny mpanjakan’ny Israely. (2Mp 3:4) Entam-barotra sarobidy koa izy io.—Ezk 27:1, 2, 7, 16, 18.
Fotsy matetika ny volonondry, ka indraindray ilazana zavatra fotsy sy madio. Noharin’i Jehovah tamin’ny volonondry fotsy, ohatra, ny fahotana efa voavela. Hoy Izy: “Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka, ary na toy ny ravin-damba mena antitra aza, dia ho toy ny volonondry fotsy.”—Is 1:18-20.
Manome “lanezy, izay toy ny volonondry” i Jehovah, ka toy ny hoe rakotra volonondry fotsy mafana ny tany.—Sl 147:16.
Toy ny volonondry madio ny volon-dohan’i Jehovah Andriamanitra “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, tao amin’ny fahitana. (Da 7:9) Midika izany fa ela niainana sy hendry izy, satria ny fotsy volo matetika no toy izany. (Ampit. Jb 15:9, 10.) ‘Fotsy mangatsakatsaka tahaka ny volonondry fotsy [koa] ny volon-dohan’ilay tahaka ny zanak’olona’, tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona. (Ap 1:12-14) Tao amin’ny lalan’ny fahamarinana angamba no nahafotsy ny volony.—Oh 16:31.